Dans la mme rubrique

SOMALIA Nirefotra ny baomba

15/12/2017

Olona 1 niambozona baomba teny amin’ny vatany izay avy amin’ny vondrona Islamista mpiara-dia amin’ny Al-Qaïda nanao fanamiana polisy no nanao vy very ny ainy niditra tao amina sekoly mampiofana ho polisy tany Mogadiscio ary nanapoaka ny tenany rehefa tafiditra tao ka polisy am-polony no maty ary maro ireo naratra.

SOMALIA Nirefotra ny baomba

Hamaky ny tohiny...

YEMEN Nidaroka baomba ny Saodianina

14/12/2017

Nanataneraka fanafihana ny tafika ana habakabaka eo ambany fitantanan’ny Saodianina ny alarobia teo ka nahafaty olona 12 sy nandratrana olona 80 mahery tao amin’ny tobin’ny voafonja izay giazan’ireo mpioko Houthis ao Sanaa renivohitr’i Yemen. Ireo olona voatazona no lasibatra.

YEMEN Nidaroka baomba ny Saodianina

Hamaky ny tohiny...

New York – Etazonia Nisy baomba nipoaka

12/12/2017

3 no naratra ary efa voasambotra ilay lehilahy ahiana no tompon’antoka tamin’ny fanapoahana baomba tao afovoan-tanànan’i New York omaly.

New York – Etazonia Nisy baomba nipoaka

Hamaky ny tohiny...

VAOVAO AVY ANY IVELANY

09/12/2017

JOHNNY HALLIDAY Ny Elysée dia nanambara ny Alakamisy 7 desambra, fa ny fanomezam-boninahitra nasionaly an'i Johnny Halliday dia hatao ny Sabotsy izao ao Paris. Alohan’ny handevenana sy hialany ny Arc de Triomphe, dia handalo ny Champs Elysées ary mankany amin'ny Place de la Concorde alohan'ny hitondrana azy ao amin'ny fiangonana any Madeleine, hoy ny mpitondra tenin’ny filoha Frantsay Emmanuel Macron.

VAOVAO AVY ANY IVELANY

Hamaky ny tohiny...

Donald Trump Manaikyan’I Jerosalema ho renivohitr’Israely Miteraka resabe sy fimenomenomana maneran-tany mihitsy ny filazan’ny filohaAmerikanina Donald Trump fa ekena ny maha renivohitry ny fanjakan’Israely an’i Jerosalema.Ny resaka sy fifam

07/12/2017

Donald Trump Manaikyan’I Jerosalema ho renivohitr’Israely Miteraka resabe sy fimenomenomana maneran-tany mihitsy ny filazan’ny filohaAmerikanina Donald Trump fa ekena ny maha renivohitry ny fanjakan’Israely an’i Jerosalema.Ny resaka sy fifam

Hamaky ny tohiny...

Yemen Maty nisy namono ny filoha teo aloha

05/12/2017

Mitohy ny korontana any Yemen. Nanamafy ireo mpioko houthi fa maty taorian’ny fifandonana tao Sanaa renivohitra omaly ny filoha teo aloha Ali Abdallah Saleh.

Yemen Maty nisy namono ny filoha teo aloha

Hamaky ny tohiny...

Papa François Nihaona tamin’ireo mpitsoa-ponenana “Rohingyas”

02/12/2017

Nanonona ilay teny hoe « Rohingya » iantsoana ireo silamo mpitsoa-ponenana vokatry nyfanenjehana azy ireo tany Birmanie omaly ny Papa Ray Masina François nandritra ny diany tany Dacca renivohitr’i Bangladesh.

Papa François Nihaona tamin’ireo mpitsoa-ponenana “Rohingyas”

Hamaky ny tohiny...


Vaovao avy any ivelany

Emmanuel Macron Velon’ahiahy amin’ny fanambaran’i Donald Trump

06/12/2017

Nanambara ny filoha Frantsay Emmanuel Macron fa manana ahiahy ny amin’ny faneken’ny Filoha Amerikanina Donald Trump an’i Jerosalema ho renivohitr’i Israely.

 

Raha ny toerana misy an’i Jerosalema  dia tokony hisy ny fifampiresahana sy fifampiraharahana eo amin’i Israely sy i Palestinina mba hisian’ny fandriampahalemana, hoy ny Filoha Frantsay.

ESPANA sy CATALOGNE

Naato ny didy fampisamborana an’i Puigdemont

 

Namoaka fanambarana ny fitsarana an-tampony any Espana ny talata teo ny amin’ny fampiatoana ny didy iraisam-pirenena amin’ny fisamborana ny filoha Catalogne teo aloha Carles Puigdemont, izay nanao sesitany  ny tenany any Belzika niaraka tamina minisitra 4 akaiky azy rehefa napetraky ny governemanta Espaniola teo ambany fitantanany ny faritanin’i Catalogne, izay vao avy nanambara ny fahaleovantena tamin’ny 28 oktobra lasa teo.

SYRIA

Namono olona indray ny Bus voasesika baomba

 

Nahitana trangana fampihorohoroana indray tany amin’ny tanànan’i Homs any Syria omaly, ka olona miisa 8 farafahakeliny no maty ary am-polony maro no naratra rehefa nipoaka ilay fiara mpitatitra olona izay voasesika baomba.

LIBAN

Niverina amin’ny toerany ny praiminisitra

 

Nanambara omaly ny praiminisitra Libaney Saad Hariri fa hiverina haka ny toerany, raha nisy fanapahan-kevitra noraisiny nametra-pialana iray volana lasa izay, ka nahataitra ny vahoaka Libaney sy ny vondrona iraisam-pirenena. Tany Arabie Saoudite izy no nananao fanambarana fametram-pialana, nisy avy eo ny fifampiresahana teo amin’ny Frantsay sy ny Saodianina, noraisin’ny filoha Macron tao Paris i Saad Hariri ary niverna nody tany Liban amin’izay avy eo dia izao niverina ho praiminisitra izao indray..

 

BASTIA – Haute Corse

Tifitra variraka tao amin’ny seranam-piaramanidina

 

Nisy fitifirana variraraka nataona olona tsy fantatra tao amin’ny seranam-piaramanidin’i Bastia any Haute-Corse ny talata maraina teo ka nahafatesana olona 1 ary naharatrana olona maromaro ka olona  2 no tena voa mafy.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana