Dans la mme rubrique

Taratasin’i Jean Henoina fotsiny sisa

17/11/2017

Mankasitraka anao hatrany aloha ry Jean mba mody miaro anay isan’andro amin’ny haino aman-jery hoe sahy miatrika ny sedra rehetra sady tsy matahotra vozongo aa !

Taratasin’i Jean Henoina fotsiny sisa

Hamaky ny tohiny...

Ontsa anao !

16/11/2017

Ry tanindrazanay malala Potiky ny fahantrana Ontsa anao ny foko manontolo Noho ny afitsok’ireto mpitondra bobongolo.

Ontsa anao !

Hamaky ny tohiny...

Taratasin’i Jean Samy nitapolaka !

15/11/2017

Tena sendra ny nahay azy kosa aloha ianao tamin’iny indray maka iny ry Jean a ! F’angaha moa izy ity rehefa avo vava sy mahery setra dia manana ny marina ?

Taratasin’i Jean Samy nitapolaka !

Hamaky ny tohiny...

Tsaho, Tsaho…

13/11/2017

Fa iza, hono, no nitondra anao ? Mba iza koa ny ray sy reninao ? Fa vao lavitra dia tsy misy tsy mahalala anao. Fanta-poko, fanta-pirenena, tena izao tontolo izao.

Tsaho, Tsaho…

Hamaky ny tohiny...

Ianareo no fantatray !

11/11/2017

Dia lasa ny saiko ry Jean nandinika fa nadio sahady ny tanàna taorian’ilay sakorobe afak’omaly iny a ! Tsy nadio arak’ilay hevitra mety handraisanareo azy fa nangina sy toa nilamina tampoka teo ny sakoroka.

Ianareo no fantatray !

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo…

10/11/2017

Antananarivo, ilay mirehitra jiro Iarivo mamiratra tena fanilo. Tantara sisa no ahenoanao azy Fa efa nosoloin’ilay delestazy.

Antananarivo…

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo…

09/11/2017

Antananarivo, ilay mirehitra jiro Iarivo mamiratra tena fanilo. Tantara sisa no ahenoanao azy Fa efa nosoloin’ilay delestazy.

Antananarivo…

Hamaky ny tohiny...


Taratasy hoan'i jean

Voatsipaky ny lehibe !

14/11/2017

Ao ve ry Jean a ? Manomankomana an’ilay hoe domina tapany handoa erany izany izao ry Jean, ka ny zaza madinika no ezahina hosasana atidoha amin’ny hoe mahavita azy ianareo,

rehefa leon’ny don-tandroka avy amin’ny ray aman-dreny sy efa vory saina ? Nahamaika anareo ery ny nanongana an’ilay olona nanao izao ataonareo izao tamin’ny fo, ary tsy mba nanisy tombo sy hala ny Malagasy iray manontolo. Izao ianareo dia mangala-tahaka ny ataony satria fantatrareo fa nahomby izy. Ny soa tokoa fianatra. Izao anefa no tsarovy : ny fitiavan-tanindrazana tsy azo atao “kopikole”, ka hoe efa halam-bahoaka eto Iarivo, dia mody haka ny fon’ny ankizy sy handrisika azy ireo handresy lahatra fa tena miasa sy mitsinjo vahoaka ny manga kravaty. Tsara ny ataonareo hoe mizara sy manome, fa toherinay sy ampahafantarinay ny vahoaka tsy mandady harona kosa ny fihetsika feno fihatsarambelatsihinareo hoe domina tapany handoa erany mba hamerina anareo amin’ny seza ! Raha tena mahay ianareo ahenao aloha ny vidin’ny vary. Raha tsy izay dia akombony ny vava, ary aza miteny kely akory hoe mitsinjo ny taranaka, fa sao dia hirehitra aminareo ny hatezeran’ny Malagasy leo ny Hery Velona Mpambotry firenena an !

Marco

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana