Dans la męme rubrique

Hodian’ny olona vendrana!

23/06/2017

Manao ahoana ry Jean a ! Manao ahoana ny fiomankomanana ao e ? Inona indray izany izao ry Jean ny zavatra tsy hampoizina hiseho amin’ity fety indray mitoraka ity ?

Hodian’ny olona vendrana!

Hamaky ny tohiny...

Taratasin’i Jean Ampianaro tsara ny zaza

22/06/2017

Ianareo ve ry Jean tsy nandia fianarana a ? Manakory sy manakory aloha ! Na ny zaza tsy tonga volana aza tsy hanao toy io fanaonareo io.

Taratasin’i Jean Ampianaro tsara ny zaza

Hamaky ny tohiny...

Aza jamban’ny taolana !

21/06/2017

Tena miaiky antsika mihitsy aho ry Jean fa tena mora hampirevena mihitsy isika an ! Mody maka tsy taitra Rafôrsa sy ny ekipany hatramin’izay ka navelany ho donton-drafahantrana teto isika

Aza jamban’ny taolana !

Hamaky ny tohiny...

Taratasin’i Jean Mampijaly zaza

20/06/2017

Miarahaba ry Jean a ! Dia ho tahaka izao foana ve ny fiainanao sy itondranao ity revy ity ? Fa maninona raha tonga dia omena an’io zaza io izay tena ilainy fa tsy tapi-maso sy tampim-bava lava izao ?

Taratasin’i Jean Mampijaly zaza

Hamaky ny tohiny...

Taratasin’i Jean Mampijaly zaza

20/06/2017

Miarahaba ry Jean a ! Dia ho tahaka izao foana ve ny fiainanao sy itondranao ity revy ity ? Fa maninona raha tonga dia omena an’io zaza io izay tena ilainy fa tsy tapi-maso sy tampim-bava lava izao ?

Taratasin’i Jean Mampijaly zaza

Hamaky ny tohiny...

Taratasin’i Jean Mampijaly zaza

20/06/2017

Miarahaba ry Jean a ! Dia ho tahaka izao foana ve ny fiainanao sy itondranao ity revy ity ? Fa maninona raha tonga dia omena an’io zaza io izay tena ilainy fa tsy tapi-maso sy tampim-bava lava izao ?

Taratasin’i Jean Mampijaly zaza

Hamaky ny tohiny...

Taratasy ho an’i Jean Mba mailo amin’izay

19/06/2017

Mino aho izao ry Jean fa mba efa naharay lesona tamin’ny zava-nisy hatramin’izay isika an !

Taratasy ho an’i Jean Mba mailo amin’izay

Hamaky ny tohiny...


Taratasy hoan'i jean

Tsaboy aloha ny tenanareo !

09/12/2016

Salama tsara ve ry Jean sa mbola lanadanaky ny dia tany Parisy a ? Efa elaela ihany isika tsy niresaka momba ireo afera maromaro tsy nisy tohiny ka dia mba hangata-baovao indray na dia efa zatra mahazo ilay valy boraingina matetika hoe « efa mandeha ny fanadihadiana » aza e !

Mba aiza ho aiza moa izany izao ry Jean ny momba an’ilay baomba teny Mahamasina ? Mba manao ahoana ny mikasika an’ilay volamena 24 kg tratra teny Ivato ? Ahoana ihany koa no hiafaran’ilay aferan’i Dinina be tamin’ilay sera 390 tapitrisa ariary ? Toa homenareo ny pasy tolaka sy ny samy variana foana mantsy izahay ry Jean an ! Sao dia mihevitra ary ianareo hoe efa adinonay ireny matoa izahay mangina ? Miandry izay vokatra avy aminareo izahay fa aza diso hevitra a ! Izahay mihitsy angamba no adala fa matoa mantsy tsy hapoitranareo ny marina dia misy raha ao. Ianareo kosa moa ve dia hamatotra ny tenanareo sy akama ka hanimba ny fihinananareo amin’izay famoahana ny marina ? Dia mbola ho tratran’ny samy variana ihany koa izany izahay amin’io sera be azo tany Paris io. Tsaboy aloha ny tenanareo ry Jean fa efa mikoriana ao anatin’ny ranareo mihitsy ilay aretina “Tsy mahalala onona” a ! Izahay efa manana mpitsabo fa fotoana sisa andrasana e !

Marco

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana