Dans la męme rubrique

Taratasin’i Jean Henoina fotsiny sisa

17/11/2017

Mankasitraka anao hatrany aloha ry Jean mba mody miaro anay isan’andro amin’ny haino aman-jery hoe sahy miatrika ny sedra rehetra sady tsy matahotra vozongo aa !

Taratasin’i Jean Henoina fotsiny sisa

Hamaky ny tohiny...

Ontsa anao !

16/11/2017

Ry tanindrazanay malala Potiky ny fahantrana Ontsa anao ny foko manontolo Noho ny afitsok’ireto mpitondra bobongolo.

Ontsa anao !

Hamaky ny tohiny...

Taratasin’i Jean Samy nitapolaka !

15/11/2017

Tena sendra ny nahay azy kosa aloha ianao tamin’iny indray maka iny ry Jean a ! F’angaha moa izy ity rehefa avo vava sy mahery setra dia manana ny marina ?

Taratasin’i Jean Samy nitapolaka !

Hamaky ny tohiny...

Voatsipaky ny lehibe !

14/11/2017

Ao ve ry Jean a ? Manomankomana an’ilay hoe domina tapany handoa erany izany izao ry Jean, ka ny zaza madinika no ezahina hosasana atidoha amin’ny hoe mahavita azy ianareo,

Voatsipaky ny lehibe !

Hamaky ny tohiny...

Tsaho, Tsaho…

13/11/2017

Fa iza, hono, no nitondra anao ? Mba iza koa ny ray sy reninao ? Fa vao lavitra dia tsy misy tsy mahalala anao. Fanta-poko, fanta-pirenena, tena izao tontolo izao.

Tsaho, Tsaho…

Hamaky ny tohiny...

Ianareo no fantatray !

11/11/2017

Dia lasa ny saiko ry Jean nandinika fa nadio sahady ny tanàna taorian’ilay sakorobe afak’omaly iny a ! Tsy nadio arak’ilay hevitra mety handraisanareo azy fa nangina sy toa nilamina tampoka teo ny sakoroka.

Ianareo no fantatray !

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo…

10/11/2017

Antananarivo, ilay mirehitra jiro Iarivo mamiratra tena fanilo. Tantara sisa no ahenoanao azy Fa efa nosoloin’ilay delestazy.

Antananarivo…

Hamaky ny tohiny...


Taratasy hoan'i jean

Tranom-pody no vitan’ny vava e !

19/12/2016

Miarahaba ry Jean a ! Faly tokoa ny tena naheno ilay fanambarana miezinezina hoe ho tapitra hatreo ny delestazy, ka dia tehaka mirefodrefotra no setriny tamin’iny fotoana iny.

  Fa ny ampitson’iny ihany dia nivonto orona ny tena nahita sy nandre fa mbola toy ny isan’andro ihany ny zava-misy tany amin’ny faritra maromaro, ka dia ompa variraraka indray no niseho e ! Dia lasa ny saina hoe sao dia kabary natao “kopi kole” toy ilay nataon-dRafôrsa teny Mahamasina fony izy nandray fahefana voalohany aza iny niseho iny. Fa iza mihitsy ry Jean no mpanoro vohony anareo mianakavy ao ? Sa dia hararaotinareo mihitsy hoe efa andron’ny demokrasia izao, ka samy afaka miteny sy mampiesona avokoa ? Aiza ve ka terenareo fotsiny hoe mijanona hatreo ny haizim-pito, kanefa ny fomba hahatontosana izany mbola baraingo. Ny tranom-pody, hono, no vitan’ny vava. Mba araho asa ihany lahy ity fampandriana adrisa sy resaka ambony latabatra ataonareo ity. Sa kosa efa nahazo fanomezam-pahasoavana ianareo ka vao miteny ny vava dia tanteraka izay lazaina ? Dia mbola ho vitanareo ihany ve no hijery anay milomano anaty rano be sy hanao an-kiletika anaty haizim-pito amin’izao fahavaratra izao ? Mivavaka ho anareo mba ho tonga saina ka hahatontosa izay nampanantenaina izahay e !

Marco

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana