Dans la męme rubrique

Faizin’Andriamanitra

16/10/2017

Miarahaba anao hatrany ry Jean amin’ny fahasahianao tsy mametra-pialana ihany amin’izao famaizan'Andriamanitra amin’ny alalan’ny fipariahan’ny valan’aretina eto amin’ny firenena izao !

Faizin’Andriamanitra

Hamaky ny tohiny...

Diso vanim-potoana !

12/10/2017

Io indray ianao Rabekonetaka ilay tsy mahay mifidy ny vanim-potoana hitenenana sy tsy misaina akory izay zavatra resahina an !

Diso vanim-potoana !

Hamaky ny tohiny...

Taratasin’I Jean Tsy miteny, tsy mivolana

11/10/2017

Salama tsara ve ry Jean aa! Toa tsy miteny, tsy mivolana mihitsy ity ianareo ee? Ianareo moa no hoe renimalala?

Taratasin’I Jean Tsy miteny, tsy mivolana

Hamaky ny tohiny...

Adalana tsy roa aman-tany

10/10/2017

haba anao indray ra jean a.Ary dia efa tsy mivaky loha intsony amin’ny zava-misy mihitsy ve ianareo sa ahoana e ? Betsaka ihany anie ry jean ny fanakianana sy torohevitra nosoratana ary nalefa tany aminareo tany fa toa vao miha nitombo ihany ny adalanareo e

Adalana tsy roa aman-tany

Hamaky ny tohiny...

Taratasy ho an’i Jean Inona no manaraka ?

09/10/2017

Miarahaba Jean o! Arakay daholo foana moa izany ilay fikanareo saingy fotsiny tsy afa-manoatra izahay satria matahotra vanja mipoaka ee!

Taratasy ho an’i Jean Inona no manaraka ?

Hamaky ny tohiny...

Taratasin’i Jean Atao hoe nandra ho tezitra!

04/10/2017

Miarahaba anao indray aho ry Jean ! Tena manahirana ahy mihitsy ny mitady hevitra hahafahana manome toromarika anao ity mba hialanao amin’izao tsy fahombiazana rehetra mitranga izao.

Taratasin’i Jean Atao hoe nandra ho tezitra!

Hamaky ny tohiny...

Miady amin’ny inona ?

03/10/2017

Mbola mipetraka ihany ry Jean ny fanontanianay amin’izao fotoana izao hoe governemanta miady amin’ny inona tokoa moa izany ilay nireharehan’i Solobe tany am-piandohana ?

Miady amin’ny inona ?

Hamaky ny tohiny...


Taratasy hoan'i jean

Taratasin’i Jean Vakansy ve e ?

29/12/2016

Miarahaba Jean a ! Ianareo moa efa miala sasatra dia tsy mety hiresaka intsony koa ? Sambatra ianareo kanefa ny fihinanana efa tsy vitan’ny tsy ho very fa mbola mihoapapana ihany.

Izahay anarany mba fety fa mitrongy vao homana hatrany e ! Tamin’ny krisimasy teo izao no nihinam-borona farany fa ny taorian’izay dia krizy mafy indray e ! Dia milibaliba be mihitsy ianareo ry Jean any amorontsiraka any a ? Sa efa niampita ranomasina indray miaraka amin’ny volanay ? Izay moa ry Jean afaka ho aiza a ! Ny eto ihany no ezahina atao manja e ! Ny anay tianay loatra ity tanindrazanay ity a ! Dia miato aloha izany ry Jean ny raharaham-pirenentsika ? Isika anie, hono, mbola mila miezaka mafy mihitsy e ! Fahenina avy any amin’ny farany, hono, isika nefa mahagaga f’ianareo toa mbola sahy matoritory. Izaho aloha dia mirary anareo ho afa-bizana e ! Mirary anareo koa mba hahita vahaolana amin’izay amin’ny taona ho avy.

Marco

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana