Dans la męme rubrique

Taratasin’i Jean Dia aiza ny anjaranareo ry Jean ?

03/07/2017

Miarahaba anao aho ry Jean ! Tena nahafinaritra ahy rangahy ny fanazavana nomenao mikasika an’ity kandranay ity ilay tamin’ny indray mandeha iny a !

Taratasin’i Jean Dia aiza ny anjaranareo ry Jean ?

Hamaky ny tohiny...

Taratasin’i Jean Rehefa any andafy

30/06/2017

Manakory Jean a ! Tadidinareo ve ilay hira hoe “Rehefa any andafy ialahy dia mihanahana, rehefa any andafy ialahy dia ohatry ny gana…” iny ?

Taratasin’i Jean Rehefa any andafy

Hamaky ny tohiny...

Taratasin’i Jean Voadingana i Jeanne.

29/06/2017

Miarahaba aho ry Jean ! Hono aho rangahy ity, fa maninona kosa no voadingana foana i Jeanne rehefa mba misy miteniteny azy any ambadika any e ?

Taratasin’i Jean Voadingana i Jeanne.

Hamaky ny tohiny...

Hodian’ny olona vendrana!

23/06/2017

Manao ahoana ry Jean a ! Manao ahoana ny fiomankomanana ao e ? Inona indray izany izao ry Jean ny zavatra tsy hampoizina hiseho amin’ity fety indray mitoraka ity ?

Hodian’ny olona vendrana!

Hamaky ny tohiny...

Taratasin’i Jean Ampianaro tsara ny zaza

22/06/2017

Ianareo ve ry Jean tsy nandia fianarana a ? Manakory sy manakory aloha ! Na ny zaza tsy tonga volana aza tsy hanao toy io fanaonareo io.

Taratasin’i Jean Ampianaro tsara ny zaza

Hamaky ny tohiny...

Aza jamban’ny taolana !

21/06/2017

Tena miaiky antsika mihitsy aho ry Jean fa tena mora hampirevena mihitsy isika an ! Mody maka tsy taitra Rafôrsa sy ny ekipany hatramin’izay ka navelany ho donton-drafahantrana teto isika

Aza jamban’ny taolana !

Hamaky ny tohiny...

Taratasin’i Jean Mampijaly zaza

20/06/2017

Miarahaba ry Jean a ! Dia ho tahaka izao foana ve ny fiainanao sy itondranao ity revy ity ? Fa maninona raha tonga dia omena an’io zaza io izay tena ilainy fa tsy tapi-maso sy tampim-bava lava izao ?

Taratasin’i Jean Mampijaly zaza

Hamaky ny tohiny...


Taratasy hoan'i jean

Taratasin’i Jean Miandry fa gasy

16/11/2016

Dia himenomenona fotsiny ohatry ny loha tapaka eto foana ve no hataontsika ry Jean a ? Manao ny ataony daholo ry kely maso sy ry tsy mifora maka izay tiany halaina.

Ireo saribakoliny anefa iry toy ny tsy mahalala izay ambonin’ny tany. Toa tsy mahafantatra akory hoe mandrora mitsilany. Dia hiandry fotsiny izay higadonany eto ? Izay tokoa angamba ilay hoe miandry fa gasy e ! Mampatsiahy tenina poeta ankafiziko izay mihitsy ry Jean izao ataonao izao marina. ilay hoe “izay tsy mihetsika mihitsoka e !”. Asa raha efa henonao. Hotetehin-dry zareo hafenina amin’ireo avy any Dilambato ireo daholo izao ny tsy fahazarizariana misy eto amintsika dia eto fotsiny isika himenomenona eto fa ry mpanatanteraka baiko iretsy ny ataony ihany no ataony. Tsy avelan-dry zareo atao daholo ny hany fitadiavana misy eto isan’andro amin’io fotoana io dia andrasantsika eto fotsiny izay higadonany. Tsy avelan-dry zareo hipoipoitra fa sao manala baraka, hono, dia iny koa fa manaiky ary miandry izay higadonany. Tsy avelan-dry zareo mampiseho ny tongo-bakivaky dia manaiky foana e ! Ahoana moa no ahafahan’ireo vahiny ireo mamantatra ny tena olantsika sy ny tokony hanapiana raha ny ratra efa hahafaty aza afenina ?

Marco 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana