Dans la męme rubrique

Tsy mahatoky valera !

15/12/2017

Ao ve ry Jean a ? Inona indray moa ity mamely am-pitaka ity e ! Tsy manomboka akory ve ny lalao dia efa migafy sahady ianareo ?

Tsy mahatoky valera !

Hamaky ny tohiny...

Orana...orana..

14/12/2017

Ambanivolo anaty orana, ambanivolo fahavaratra Manangon-drano ny vahoaka,isan'andro oram-baratra. Mandomando ny zavaboahary,tsara tondraka aok'izany Velombolo ny tantsaha, fa hamokatra ny tany.

Orana...orana..

Hamaky ny tohiny...

Taratasin’i Jean Manao ady mitsatsaka

13/12/2017

Miarahaba anao aho ry Jean amin’izao tsingerintaonako izao. Isaorako hatrany ianao na dia tsy mba tazako tety amin’ity toerana mba navelanao hifalianay mianakavy kely ity aza e !

Taratasin’i Jean Manao ady mitsatsaka

Hamaky ny tohiny...

Tsy mbola menatra foana ve ?

12/12/2017

Miarahaba ry Jean a ! Arahabaina aloha ianareo tratry ny tsingerin-taonan’ny nanangananareo ilay Repoblikan’ny fandrosoana sy ny fivoarana, izay feno 7 taona katroka omaly e !

Tsy mbola menatra foana ve ?

Hamaky ny tohiny...

Efa zatra fita-bitro izahay e !

09/12/2017

Ao ve ry Jean a ! Manao ahoana ihany ny gidragidranareo ao e ? Toa renay mantsy fa dia efa tena mifanjinja sy mifamango mihitsy ry Rabekonetaka sy ry Solobe ao an !

Efa zatra fita-bitro izahay e !

Hamaky ny tohiny...

Mazotoa eee…

08/12/2017

Miarahaba Jean a ! Reko fa hoe tonga mba mandalo kely eto an-tanàna ianao, rehefa avy any amin’ny Amperora dia hiova akanjo sy kiraro kely fotsiny dia efa hanainga indray.

Mazotoa eee…

Hamaky ny tohiny...

Porofoy amiko…

07/12/2017

Porofoy amiko fa mahantra ny Malagasy, Asehoy amiko fa tsy taka-bidy ny kafé sy mofogasy. Atondroy ahy fa mirongatra ny olon-dratsy, Hamarino amiko fa efa foana ny parasy..

Porofoy amiko…

Hamaky ny tohiny...


Taratasy hoan'i jean

Taratasin’i Jean Karavasy vaovao

05/11/2016

Ny Karana sy vazaha ary sinoa indray ve izany ry Jean no karavasy vaovao hamoretana ny tanŕna eto amin’izao endri-panjanahana vaovao be apetrakareo izao ?

 Tsy avela hikofoka mandritry ny herintaona sy tapany aloha ny tompon-tanindrazana ao Soamahatamana sao hanelingelina ny sinoa akama. Anaovana antsojay ny vahoaka eny Ilafy sao ratsy karakara ny namana karana. Dia ahoana koa ? Ny vazaha moa dia tsy azo adinoina fa tsy maintsy alefa eny aloha. Tena kivy be mihitsy aho ry Jean manana anareo ho mpitarika marina mafy a ! Resaka frankofolia ve no hanerena anay tsy hikandra ? Marina fa hoe mandray karama na dia 6 andro tsy hiasa aza izany ny mpiasam-panjakana fa mba ahoana kosa ireo tsy miankina, indrindra ireo miasa tena ? Sao dia mba tokony hosoloiko samirery ary ry Jean ny mpanolotsaina anao ao an-dapa ao. Marina e ! Tena na ny zanak’atidohako irery ary ve tsy aharesy ny atidohan-drizalahy mitambatra. Heritrereto ihany aloha fa sao dia ajabak’ireo ao ianao ny farany a ! Raha tsy ianao mihitsy angamba no efa nanapa-kevitra ho any amina tontolo hafa manokana any dia nisafidy ny tsy hihaino anay aty ambany.


 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana