Dans la męme rubrique

Mba ampiasao amin’ny tsara e !

19/08/2017

Miarahaba ry Jean a ! Hafa mihitsy indray ity revy sy hevi-baovao hisintonana ny sain’ny olona efa tofoka sy leon’ny diska gaoka ity a !

Mba ampiasao amin’ny tsara e !

Hamaky ny tohiny...

Taratasin’i Jean Dia aiza ny anjaranareo ry Jean ?

03/07/2017

Miarahaba anao aho ry Jean ! Tena nahafinaritra ahy rangahy ny fanazavana nomenao mikasika an’ity kandranay ity ilay tamin’ny indray mandeha iny a !

Taratasin’i Jean Dia aiza ny anjaranareo ry Jean ?

Hamaky ny tohiny...

Taratasin’i Jean Rehefa any andafy

30/06/2017

Manakory Jean a ! Tadidinareo ve ilay hira hoe “Rehefa any andafy ialahy dia mihanahana, rehefa any andafy ialahy dia ohatry ny gana…” iny ?

Taratasin’i Jean Rehefa any andafy

Hamaky ny tohiny...

Taratasin’i Jean Voadingana i Jeanne.

29/06/2017

Miarahaba aho ry Jean ! Hono aho rangahy ity, fa maninona kosa no voadingana foana i Jeanne rehefa mba misy miteniteny azy any ambadika any e ?

Taratasin’i Jean Voadingana i Jeanne.

Hamaky ny tohiny...

Hodian’ny olona vendrana!

23/06/2017

Manao ahoana ry Jean a ! Manao ahoana ny fiomankomanana ao e ? Inona indray izany izao ry Jean ny zavatra tsy hampoizina hiseho amin’ity fety indray mitoraka ity ?

Hodian’ny olona vendrana!

Hamaky ny tohiny...

Taratasin’i Jean Ampianaro tsara ny zaza

22/06/2017

Ianareo ve ry Jean tsy nandia fianarana a ? Manakory sy manakory aloha ! Na ny zaza tsy tonga volana aza tsy hanao toy io fanaonareo io.

Taratasin’i Jean Ampianaro tsara ny zaza

Hamaky ny tohiny...

Aza jamban’ny taolana !

21/06/2017

Tena miaiky antsika mihitsy aho ry Jean fa tena mora hampirevena mihitsy isika an ! Mody maka tsy taitra Rafôrsa sy ny ekipany hatramin’izay ka navelany ho donton-drafahantrana teto isika

Aza jamban’ny taolana !

Hamaky ny tohiny...


Taratasy hoan'i jean

Taratasin’i Jean Inona no ilana anareo ?

11/01/2017

Miarahaba ry Jean a ! Lasa ny saiko hoe inona no ilana anareo ireto e ? Efa mba an-taonany maro ihany ianareo no niaraka taminay teto,

 efa hitanareo izao ny fahantranay sy ny fihazakazaky ny fahapotehan’ny tontolo iainanay. Ianareo anefa ity toa faly mitanisa ireny fahavoazanay ireny fotsiny fa ny vahaolana atolotrareo hatramin’izay ihany no mbola mody hatolotrareo anay eto na dia efa hita izao aza fa tsy mbola nahomby mihitsy. Ny zavatra iray mbola mahalasa ny saiko koa izao dia ny hoe inona no antony mbola hidongianareo hiaraka aminay eto foana rehefa tsy hitondra fihatsarana amin’ny fiainanay akory fa toa vao mainka aza mamendrofendro fotsiny amin’ny fitanisana ireny fahavoazan’ny bandy ireny ? Tena tsofina rano ianareo ry Jean rehefa tsy hanampy anay akory a ! Marina e ! Ny tena mahagaga ahy dia fombanareo mianakavy miray trano ao mihitsy ny manao tahaka io, tsy rainy tsy zanany. Rehefa mba mahavelona anareo rangahy izay zava-misy any aminareo any dia mba avelao mba ho anay amin’izay izay tokony ho anjara masoandronay a !

Marco  

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana