Dans la męme rubrique

Taratasin’i Jean Henoina fotsiny sisa

17/11/2017

Mankasitraka anao hatrany aloha ry Jean mba mody miaro anay isan’andro amin’ny haino aman-jery hoe sahy miatrika ny sedra rehetra sady tsy matahotra vozongo aa !

Taratasin’i Jean Henoina fotsiny sisa

Hamaky ny tohiny...

Ontsa anao !

16/11/2017

Ry tanindrazanay malala Potiky ny fahantrana Ontsa anao ny foko manontolo Noho ny afitsok’ireto mpitondra bobongolo.

Ontsa anao !

Hamaky ny tohiny...

Taratasin’i Jean Samy nitapolaka !

15/11/2017

Tena sendra ny nahay azy kosa aloha ianao tamin’iny indray maka iny ry Jean a ! F’angaha moa izy ity rehefa avo vava sy mahery setra dia manana ny marina ?

Taratasin’i Jean Samy nitapolaka !

Hamaky ny tohiny...

Voatsipaky ny lehibe !

14/11/2017

Ao ve ry Jean a ? Manomankomana an’ilay hoe domina tapany handoa erany izany izao ry Jean, ka ny zaza madinika no ezahina hosasana atidoha amin’ny hoe mahavita azy ianareo,

Voatsipaky ny lehibe !

Hamaky ny tohiny...

Tsaho, Tsaho…

13/11/2017

Fa iza, hono, no nitondra anao ? Mba iza koa ny ray sy reninao ? Fa vao lavitra dia tsy misy tsy mahalala anao. Fanta-poko, fanta-pirenena, tena izao tontolo izao.

Tsaho, Tsaho…

Hamaky ny tohiny...

Ianareo no fantatray !

11/11/2017

Dia lasa ny saiko ry Jean nandinika fa nadio sahady ny tanàna taorian’ilay sakorobe afak’omaly iny a ! Tsy nadio arak’ilay hevitra mety handraisanareo azy fa nangina sy toa nilamina tampoka teo ny sakoroka.

Ianareo no fantatray !

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo…

10/11/2017

Antananarivo, ilay mirehitra jiro Iarivo mamiratra tena fanilo. Tantara sisa no ahenoanao azy Fa efa nosoloin’ilay delestazy.

Antananarivo…

Hamaky ny tohiny...


Taratasy hoan'i jean

Taratasin’i Jean Hidororororo ve e !

14/11/2016

Miarahaba anao aho Jean ! Toa arakaraka ny itenenana anareo ity no toa vao mainka mampitrifana anareo a ! Sa hoe mitenena eo foana fa raha mihaino koa ny vato dia maheno anareo e !

 Aiza ve rangahy ka firy volana izay no nitabatabana fa darodarohanareo foana ny vahoakan’i Soamahatamana nefa ry kely maso mandavadavaka tsy te hahalala. Ny harena lasan-dry zareo fa isika indray ity no lasa ampandovainy fisaraham-bazana eto fotsiny. Tadidiko mihitsy ny teninareo tamin’ireny fa tsy misy tany amidy amin’ny vahiny izany fa ampanofaina no misy. Amin’izao anefa, vao firy volana fotsiny izay dia tsy mena-mivadika mihitsy ry ilay… tsy ho lazaiko ! Matoa anie izahay nananatra tamin’ireny fotoana ireny dia efa tsinjonay fa tsy maintsy ho tonga amin’io famelana mivarotra ny tanàna ho an-dry zareo io ny fanerena hataony e ! Ianareo moa ity tsy mahalala ny tokony hatao lava kanefa tsy azo atoro dia tsy hitako intsony fa dia mbola apetrako aminareo farany ny fanontaniana : Hidororororo foana ve ry Jean a !

Marco

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana