Dans la męme rubrique

Taratasin’i Jean Henoina fotsiny sisa

17/11/2017

Mankasitraka anao hatrany aloha ry Jean mba mody miaro anay isan’andro amin’ny haino aman-jery hoe sahy miatrika ny sedra rehetra sady tsy matahotra vozongo aa !

Taratasin’i Jean Henoina fotsiny sisa

Hamaky ny tohiny...

Ontsa anao !

16/11/2017

Ry tanindrazanay malala Potiky ny fahantrana Ontsa anao ny foko manontolo Noho ny afitsok’ireto mpitondra bobongolo.

Ontsa anao !

Hamaky ny tohiny...

Taratasin’i Jean Samy nitapolaka !

15/11/2017

Tena sendra ny nahay azy kosa aloha ianao tamin’iny indray maka iny ry Jean a ! F’angaha moa izy ity rehefa avo vava sy mahery setra dia manana ny marina ?

Taratasin’i Jean Samy nitapolaka !

Hamaky ny tohiny...

Voatsipaky ny lehibe !

14/11/2017

Ao ve ry Jean a ? Manomankomana an’ilay hoe domina tapany handoa erany izany izao ry Jean, ka ny zaza madinika no ezahina hosasana atidoha amin’ny hoe mahavita azy ianareo,

Voatsipaky ny lehibe !

Hamaky ny tohiny...

Tsaho, Tsaho…

13/11/2017

Fa iza, hono, no nitondra anao ? Mba iza koa ny ray sy reninao ? Fa vao lavitra dia tsy misy tsy mahalala anao. Fanta-poko, fanta-pirenena, tena izao tontolo izao.

Tsaho, Tsaho…

Hamaky ny tohiny...

Ianareo no fantatray !

11/11/2017

Dia lasa ny saiko ry Jean nandinika fa nadio sahady ny tanàna taorian’ilay sakorobe afak’omaly iny a ! Tsy nadio arak’ilay hevitra mety handraisanareo azy fa nangina sy toa nilamina tampoka teo ny sakoroka.

Ianareo no fantatray !

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo…

10/11/2017

Antananarivo, ilay mirehitra jiro Iarivo mamiratra tena fanilo. Tantara sisa no ahenoanao azy Fa efa nosoloin’ilay delestazy.

Antananarivo…

Hamaky ny tohiny...


Taratasy hoan'i jean

Taratasin’i Jean Arahabaina e !

28/11/2016

Miarahaba anao aloha ry Jean tamin’izao dingana lehibe vitanao izao a !

Mendrika tehaka ny hetsika rehetra natao e ! Na dia be aza ny tsikera sy ny kiana dia tsy nety nosakanana ianao. Fa izao, miandry daholo amin’izay ny olona rehetra ny amin’izay tombontsoa hotatazany na kely aza. Ireo mpitarika sarety sy posy aloha hatonina voalohany fa ireo izao no tsy nampiasaina tamin’iny fampiderana ny tanàna nataonareo iny. Manantena kosa aloha izahay fa mba nandona tapany hahazo erany isika amin’iny an ! Sa tsy izany ? Sao mantsy dia hoe anio dia efa hiverina indray ilay fitohanan’ny fiara mampiteny ny moana, ny polisy milalao telefaonina, ny tatatra maimbo ... Marina fa kimaimaika ny fotodrafitrasa napetraka fa na izany aza tonga dia ravaina aloha fa mba hamafiso tsara ny hatsarany. Raha vao tsy izay mantsy no hataonareo dia hataonay mivaivay toy ny teo aloha indray ny tsikera. Mba katsaho indray izay hanaovanay fety sambatra sy izay hiadananay mandra-pialanareo teo e !

Marco

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana