Dans la męme rubrique

Taratasin’i Jean Henoina fotsiny sisa

17/11/2017

Mankasitraka anao hatrany aloha ry Jean mba mody miaro anay isan’andro amin’ny haino aman-jery hoe sahy miatrika ny sedra rehetra sady tsy matahotra vozongo aa !

Taratasin’i Jean Henoina fotsiny sisa

Hamaky ny tohiny...

Ontsa anao !

16/11/2017

Ry tanindrazanay malala Potiky ny fahantrana Ontsa anao ny foko manontolo Noho ny afitsok’ireto mpitondra bobongolo.

Ontsa anao !

Hamaky ny tohiny...

Taratasin’i Jean Samy nitapolaka !

15/11/2017

Tena sendra ny nahay azy kosa aloha ianao tamin’iny indray maka iny ry Jean a ! F’angaha moa izy ity rehefa avo vava sy mahery setra dia manana ny marina ?

Taratasin’i Jean Samy nitapolaka !

Hamaky ny tohiny...

Voatsipaky ny lehibe !

14/11/2017

Ao ve ry Jean a ? Manomankomana an’ilay hoe domina tapany handoa erany izany izao ry Jean, ka ny zaza madinika no ezahina hosasana atidoha amin’ny hoe mahavita azy ianareo,

Voatsipaky ny lehibe !

Hamaky ny tohiny...

Tsaho, Tsaho…

13/11/2017

Fa iza, hono, no nitondra anao ? Mba iza koa ny ray sy reninao ? Fa vao lavitra dia tsy misy tsy mahalala anao. Fanta-poko, fanta-pirenena, tena izao tontolo izao.

Tsaho, Tsaho…

Hamaky ny tohiny...

Ianareo no fantatray !

11/11/2017

Dia lasa ny saiko ry Jean nandinika fa nadio sahady ny tanàna taorian’ilay sakorobe afak’omaly iny a ! Tsy nadio arak’ilay hevitra mety handraisanareo azy fa nangina sy toa nilamina tampoka teo ny sakoroka.

Ianareo no fantatray !

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo…

10/11/2017

Antananarivo, ilay mirehitra jiro Iarivo mamiratra tena fanilo. Tantara sisa no ahenoanao azy Fa efa nosoloin’ilay delestazy.

Antananarivo…

Hamaky ny tohiny...


Taratasy hoan'i jean

Mba mahandrasa andro zoma e !

21/12/2016

Miarahaba ry Jean a ! Ahoana indray moa ireny fihetsikareo teny Anosy tsy mahandry ny andro zoma ireny ? Efa lazaina aminareo fa amin’ny zoma indray ny tohin’ny tantara saingy ianareo dia tsy manan-katao afa tsy ny migarigana.

Ianareo ve ry Jean dia tsy mahay mankasitraka mihitsy fa dia faly ny higidragidra sy hamotika lava eto a ? Io ihany no naha taraiky an’i Jean kely sefonareo izay nipingapinga tsy nahandry ny andro zoma ka nilingilingy nandrodana sy nandrava saingy ireny niaraha-nitazana ireny ny nafitsony. Potika sy rotidrotika i Gasikara ary dia rava koa ny eriretritr’iny boaikelinareo mbola mihevitra ny hanohy hitantana an’i Gasikara noho ny fahitana ny tsiron’izany hoe mitondra izany iny. Raha mba nanaraka ny lalana nizoran’ny olon-drehetra anefa izao mba mety efa tafa sy nahazo ny amboara. Ny tsy fahandrasana ny andro zoma anie ry Jean no tsy nampanidina ny akoho e ! Ny tsy fahandrasanareo ny andro zoma ihany koa no mety hamoizanareo an-dRanorokely, izay efa kotrehin-dRafôrsa mafy ny handetehana azy. Ny hirariantsika ry Jean dia ho afa-bela ihany izy saingy raiso ho adidy ny manitsy azy fa tena mivaona sy miseho azy ho mazàna mihitsy Ranorokely, saingy sendra ny mahery noho izy tamin’ity a ! Mandini-tena no mendrika anareo ka fakafakao tsara ny niafaranareo mianakavy ? Ny fahatongavan-tsainareo no zava-dehibe indrindra ry Jean ka tsy ho zatra ny lalan-dririnina intsony ka mba hahandry ny andro zoma amin’iny sisa a !

Marco

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana