Dans la mÍme rubrique

Nentiny taminíny sangany !

24/03/2017

Dia tena tapaka indray ny tsinaiko ry Jean nijery anao nisolotena an-dramatoa taminíilay fitokanana hafakelinareo mianakavy tetsy Antanimbarinandriana iny !

Nentiny taminíny sangany !

Hamaky ny tohiny...

Taratasiníi Jean Mitokana zoridira

23/03/2017

Miarahaba ooo ! Rehefa tsy hihaino anay intsony moa izany ianareo ry Jean dia miala tsiny fa ny manala anareo sisa azonay atao an ! tadidiníi Jean ve ilay tononkiraníny bandy akama iray izay hoe ę hiseho milay aho hitokana zoridira ? Ľ

Taratasiníi Jean Mitokana zoridira

Hamaky ny tohiny...

Taratasiníi Jean Ikotozafy ihany no Leksisy

21/03/2017

Dia ahoana ry Jean a ! Toa mba efa nilalalala ihany ny arozazy vao niala ilay namantsika iny fa hoe ho lasa lavitra

Taratasiníi Jean Ikotozafy ihany no Leksisy

Hamaky ny tohiny...

Sosoa voatapo-drano !

20/03/2017

Salama ve ry Jean a ? Dia tena sosoa voatapo-drano indray ríise ny mpitia kitra teto an-tanŗna taminíny sabotsy teo an !

Sosoa voatapo-drano !

Hamaky ny tohiny...

Taratasiníi Jean Ny tsiny !

18/03/2017

Miarahaba e ! Ny malaza izao dia ny tsy fandriampahalemana vokatry ny loza voajanahary sy ny voatríolombelona. Miakatra ny vidiníny zavatra ilaina andavanadro nefa mihamaro ny tsy aníasa sy ny tsy mihinan-kanina intsony. Mihamaro ny tontakely ka hatraminíny dokotra nangalarina avy no mampidi-doza ! Efa sahy ka mivarotra olona koa izao ny malagasy hakana taova.

Taratasiníi Jean Ny tsiny !

Hamaky ny tohiny...

Kalma fotsiny a !

16/03/2017

Miarahaba e ! Misimisy ihany ry Jean izay taratasy nosoratana teto izay fa ny omaly tsy niova ihany ny eto aminíny tanŗna a ! Fa dia tena tsy hainareo mihitsy ve ny manova ilay revy eto ?

Kalma fotsiny a !

Hamaky ny tohiny...

Miandrasa kiririoka e !

15/03/2017

Manao ahoana ianareo ry Jean ! Ahoana indray ity fombanareo miara mirona ity e ? Dia tena hahatsiarovako ny androníny dridrangiloníny propagandy mihitsy izy ity a !

Miandrasa kiririoka e !

Hamaky ny tohiny...


Taratasy hoan'i jean

Latsaka mbaminínyÖ.!

09/01/2017

Manao ahoana ry Jean a ! Ahoana indray izany sinemanareo mianakavy nikoropaka izany fa hoe maro ny handao ny seza amam-boninahitra atsy ho atsy ity e ?

Samy tsy nisy nahatsindry tsihy fa nifamotoana mihitsy nifankahery sy nifanakalo hevitra. Tena tapaka ny tsinaiko ry Jean naheno fa nisy taminareo, hono, toa latsaka mbamin’ny tsy tokony ho latsaka mihitsy nandre iny vaovao iny satria ny antsasamanila aminareo mihitsy no hodakana atsy ho atsy. Dia inona indray izany izao ry Jean no hevitra amin’izany ? Mbola hikononkonona handoa ekôlazy indray sa hanaiky mora fotsiny amin’ny fanilihana ataon-drafôrsa sy ireo namana mahatoky azy ? Aza mihevitra intsony ny hiverina eo fa efa taonan’ny fanilihana izao fa tsy taonan’ny fiombonana intsony a ! Fankasitrahana anareo, hono, mantsy no antony mbola hanomezana fahafaham-po anareo faramparany fa atsy ho atsy ianareo dia halefa hanamaro isa an-dry betatasika, ka rehefa tsy mahovoka amin’ny fifanandrinana amin’ny ngeza indray Rafôrsa sy ny ekipany amin’ny fifidianana ho avy vao mody hantsoina sy ho tambatambazana indray ianareo. Ianareo, hono, mantsy toa tsipazana seza toy ilay karazam-biby tsipazana taolana dia mirangorango, ka tsy sarotra hambakaina e ! Dia tsy mba hanana hambom-po mihitsy ve ka na efa hampitoviana amin’ny biby aza dia mbola hanaiky lembenana ? Mba menatra e !

Marco 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana