Dans la męme rubrique

Faizin’Andriamanitra

16/10/2017

Miarahaba anao hatrany ry Jean amin’ny fahasahianao tsy mametra-pialana ihany amin’izao famaizan'Andriamanitra amin’ny alalan’ny fipariahan’ny valan’aretina eto amin’ny firenena izao !

Faizin’Andriamanitra

Hamaky ny tohiny...

Diso vanim-potoana !

12/10/2017

Io indray ianao Rabekonetaka ilay tsy mahay mifidy ny vanim-potoana hitenenana sy tsy misaina akory izay zavatra resahina an !

Diso vanim-potoana !

Hamaky ny tohiny...

Taratasin’I Jean Tsy miteny, tsy mivolana

11/10/2017

Salama tsara ve ry Jean aa! Toa tsy miteny, tsy mivolana mihitsy ity ianareo ee? Ianareo moa no hoe renimalala?

Taratasin’I Jean Tsy miteny, tsy mivolana

Hamaky ny tohiny...

Adalana tsy roa aman-tany

10/10/2017

haba anao indray ra jean a.Ary dia efa tsy mivaky loha intsony amin’ny zava-misy mihitsy ve ianareo sa ahoana e ? Betsaka ihany anie ry jean ny fanakianana sy torohevitra nosoratana ary nalefa tany aminareo tany fa toa vao miha nitombo ihany ny adalanareo e

Adalana tsy roa aman-tany

Hamaky ny tohiny...

Taratasy ho an’i Jean Inona no manaraka ?

09/10/2017

Miarahaba Jean o! Arakay daholo foana moa izany ilay fikanareo saingy fotsiny tsy afa-manoatra izahay satria matahotra vanja mipoaka ee!

Taratasy ho an’i Jean Inona no manaraka ?

Hamaky ny tohiny...

Taratasin’i Jean Atao hoe nandra ho tezitra!

04/10/2017

Miarahaba anao indray aho ry Jean ! Tena manahirana ahy mihitsy ny mitady hevitra hahafahana manome toromarika anao ity mba hialanao amin’izao tsy fahombiazana rehetra mitranga izao.

Taratasin’i Jean Atao hoe nandra ho tezitra!

Hamaky ny tohiny...

Miady amin’ny inona ?

03/10/2017

Mbola mipetraka ihany ry Jean ny fanontanianay amin’izao fotoana izao hoe governemanta miady amin’ny inona tokoa moa izany ilay nireharehan’i Solobe tany am-piandohana ?

Miady amin’ny inona ?

Hamaky ny tohiny...


Taratasy hoan'i jean

Lafo tanteraka e !

26/11/2016

Tena lafo r’ise isika a ! Lafo ny harena sy ny tanintsika ary mbola tadiavinareo hamidy ihany koa ny tenintsika !


 Angaha ry Jean raha hoe malaza ny frankofonia dia terena hifanaraka amin’izany daholo ny zava-drehetra a ? Sahinareo ny mamafy lainga sy mivarotra ny marina. Mailaka ery anefa ianareo manenjika anay rehefa mba fantatray ny aferafera maizina ataonareo, ka hasehonay ho fanta-bahoaka. Lazainareo fa izahay indray no mpamafy lainga ka dia ataonareo izay hanakombonana ny vavanay amin’ny alalan’ny fomba mamohehatra isan-karazany. Izao anefa dia tsy vitan’ny amidinareo ny tanintsika sy ny harentsika fa hatramin’ny tenintsika aza ity efa nandraisanareo “avansa”. Iza taminareo indray izao ry Jean no nisolelaka sy naka “avansa” tany ho any, ka nahafahan’ny fahitalavitra malaza any Frantsa fa ny tenin’izy no fiteny ofisialy sy hifampiresahana eto amin’ny tanàna ? Aleo ho fanta-bahoaka ry Jean fa 0,57% anie ny malagasy tena bado tsy mahalala ny teny Malagasy ka tsy maintsy mampiasa io tenim-bozongo io eto e ! 15,87% eo ho eo isika no mba mangala-pihinana kely amin’io fa ny 83, 61% dia miteny malagasy soa aman-tsara, ka aza mamadi-dresaka sy mivarotra fanahy a ! Tsy sanatria manenjika fahatany ny vozongo fa kosa manitsy anareo amin’ity fisolelahana efa ho lava ity e !

Marco

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana