Dans la męme rubrique

Taratasin’i Jean Jean Pesta

20/10/2017

Miarahaba Jean a ! Miala tsiny aminao aho aloha fa anarana moa tanim-boanjo.

Taratasin’i Jean Jean Pesta

Hamaky ny tohiny...

Faizin’Andriamanitra

16/10/2017

Miarahaba anao hatrany ry Jean amin’ny fahasahianao tsy mametra-pialana ihany amin’izao famaizan'Andriamanitra amin’ny alalan’ny fipariahan’ny valan’aretina eto amin’ny firenena izao !

Faizin’Andriamanitra

Hamaky ny tohiny...

Diso vanim-potoana !

12/10/2017

Io indray ianao Rabekonetaka ilay tsy mahay mifidy ny vanim-potoana hitenenana sy tsy misaina akory izay zavatra resahina an !

Diso vanim-potoana !

Hamaky ny tohiny...

Taratasin’I Jean Tsy miteny, tsy mivolana

11/10/2017

Salama tsara ve ry Jean aa! Toa tsy miteny, tsy mivolana mihitsy ity ianareo ee? Ianareo moa no hoe renimalala?

Taratasin’I Jean Tsy miteny, tsy mivolana

Hamaky ny tohiny...

Adalana tsy roa aman-tany

10/10/2017

haba anao indray ra jean a.Ary dia efa tsy mivaky loha intsony amin’ny zava-misy mihitsy ve ianareo sa ahoana e ? Betsaka ihany anie ry jean ny fanakianana sy torohevitra nosoratana ary nalefa tany aminareo tany fa toa vao miha nitombo ihany ny adalanareo e

Adalana tsy roa aman-tany

Hamaky ny tohiny...

Taratasy ho an’i Jean Inona no manaraka ?

09/10/2017

Miarahaba Jean o! Arakay daholo foana moa izany ilay fikanareo saingy fotsiny tsy afa-manoatra izahay satria matahotra vanja mipoaka ee!

Taratasy ho an’i Jean Inona no manaraka ?

Hamaky ny tohiny...

Taratasin’i Jean Atao hoe nandra ho tezitra!

04/10/2017

Miarahaba anao indray aho ry Jean ! Tena manahirana ahy mihitsy ny mitady hevitra hahafahana manome toromarika anao ity mba hialanao amin’izao tsy fahombiazana rehetra mitranga izao.

Taratasin’i Jean Atao hoe nandra ho tezitra!

Hamaky ny tohiny...


Taratasy hoan'i jean

Hisitri-belona ?

17/11/2016

Ahoana mihitsy moa izahay ry Jean no tsy havelanareo hiaina ny fiainanay mahazatra fa tadiavinareo hisitri-belona amin’ny frankofonia ?

Tsy tianareo hiriaria eny rehetra eny izahay fa hoe manala baraka anareo mianakavy. Izao indray ianareo vao mody miova hevitra. Sao dia heverinareo fa safidinay ary izao ry Jean ? Ny nataonareo ihany anie no mahatonga anay hahantra sy lanaky ny fahantrana ka izao asainareo misitri-belona izao e ! Tena kofona sy kepoka mihitsy izahay iray tanàna amin’ity fihetsikareo ity a ! Te hampiseho mafy ianareo fa milamina sy madio ny tanàna ary sambatra ny vahoaka. Tianareo haseho amin-dry mena hoditra fa tsara voatra sy mirindra toy ny any Eoropa ilay Iarivo kely zary nataonareo fahirano. Fa mba manontany anareo izahay hoe inona moa no mba anjara adidy nataonareo tamin’ny vahoakan’Iarivo no ianareo no miseho azy handidy sy hanapaka eto ? Moa tsy ianareo aza no nijoro ho fahavalon’ilay ramatoa miezaka hatrany hampandroso ny tanàna a ? Raha mba nisaina kely ianareo ry Jean ka nitsinjo marina ity renivohitr’i Gasikara ity dia tsy nila nafenimpenina ny lesoka goavana eto a ! Sitrakay tokoa ny hiova sata sy tena handroso fa tsy hihaingo ambony tsikoko toa anareo ka aleo hifampitazana eto fa tsy misy miala eto e ! Samy tompon’ny tanàna isika ary izahay aza no tena tompony ka aza mifandidididy a !

Marco

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana