Dans la mme rubrique

Tsy mahatoky valera !

15/12/2017

Ao ve ry Jean a ? Inona indray moa ity mamely am-pitaka ity e ! Tsy manomboka akory ve ny lalao dia efa migafy sahady ianareo ?

Tsy mahatoky valera !

Hamaky ny tohiny...

Orana...orana..

14/12/2017

Ambanivolo anaty orana, ambanivolo fahavaratra Manangon-drano ny vahoaka,isan'andro oram-baratra. Mandomando ny zavaboahary,tsara tondraka aok'izany Velombolo ny tantsaha, fa hamokatra ny tany.

Orana...orana..

Hamaky ny tohiny...

Taratasin’i Jean Manao ady mitsatsaka

13/12/2017

Miarahaba anao aho ry Jean amin’izao tsingerintaonako izao. Isaorako hatrany ianao na dia tsy mba tazako tety amin’ity toerana mba navelanao hifalianay mianakavy kely ity aza e !

Taratasin’i Jean Manao ady mitsatsaka

Hamaky ny tohiny...

Tsy mbola menatra foana ve ?

12/12/2017

Miarahaba ry Jean a ! Arahabaina aloha ianareo tratry ny tsingerin-taonan’ny nanangananareo ilay Repoblikan’ny fandrosoana sy ny fivoarana, izay feno 7 taona katroka omaly e !

Tsy mbola menatra foana ve ?

Hamaky ny tohiny...

Efa zatra fita-bitro izahay e !

09/12/2017

Ao ve ry Jean a ! Manao ahoana ihany ny gidragidranareo ao e ? Toa renay mantsy fa dia efa tena mifanjinja sy mifamango mihitsy ry Rabekonetaka sy ry Solobe ao an !

Efa zatra fita-bitro izahay e !

Hamaky ny tohiny...

Mazotoa eee…

08/12/2017

Miarahaba Jean a ! Reko fa hoe tonga mba mandalo kely eto an-tanàna ianao, rehefa avy any amin’ny Amperora dia hiova akanjo sy kiraro kely fotsiny dia efa hanainga indray.

Mazotoa eee…

Hamaky ny tohiny...

Porofoy amiko…

07/12/2017

Porofoy amiko fa mahantra ny Malagasy, Asehoy amiko fa tsy taka-bidy ny kafé sy mofogasy. Atondroy ahy fa mirongatra ny olon-dratsy, Hamarino amiko fa efa foana ny parasy..

Porofoy amiko…

Hamaky ny tohiny...


Taratasy hoan'i jean

Taratasin’i Jean Hanova vavony

06/12/2017

Henjana ianareo ry Jean a ! Tena miaiky anareo aho. Toa tsy mino aho fa ozon-drazana na loza voajanahary ilay nahazo antsika tamin’ny herintaona iny.

 Azo atao moa ny manao orana voatr’olombelona ka ahoana no inoako fa tsy ho hainareo koa ny manao hain-tany voatr’olombelona ? Tena manahirana ahy ny tsy hieritreritra fa tsy tao ambadik’ireny zava-nitranga ireny ianareo a ! Manao kajy mampitaha ny zava-misy ankehitriny aho dia ohatry ny mahita fa omenareo sera tsikelikely izany ilay havana avy any Dilambato. Tena efa vakiana fotsiny koa fa mandeha be ny ketrikareo amin’ilay fanaovana amin’ny fomba rehetra iverenana ao an-dapa amin’ny herintaona indray. Ry zareo havana avy any izay tena akaiky anareo amin’izao mantsy toa ohatry ny mpisera an’ilay foto-tsakafontsika daholo. Faly ery izao ny vahoakany hoe voambakany isika. Dia hamoa-doza hisolelahana amin’ny mpiara-miombon’antoka toy izao foana ve ry Jean no atao eto mba handrotsahan’ny olona rano in-dray mitete ? Dia rehefa ho lany fika indray ianareo atsy ho atsy dia hanova ny vavoninay amin’ny alalan’ny mofo dipaina sy saosisy koa angamba.

Marco

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana