Dans la même rubrique

Avoahy Clô clô !

24/04/2017

Arahabaina ry Jean fa tonga soa aman-tsara ny nandrasana a ! Efa renay fa efa tonga eto i Dinina be.

Avoahy Clô clô !

Hamaky ny tohiny...

Taratasin’ny Jean Niverina tamin’ny naloa !

22/04/2017

Miarahaba anao aho ry Jean amin’izao nahazoanao mpiara-miasa « vaovao » izao a ! Tena lasa ho aho ny saiko e ! Manonofy ratsy ve aho sa tena mamo tampina fa ohatry ny tsy vaovao amiko ireo mpiara-miasa naverinao amin’ny toerany ireo a !

Taratasin’ny Jean Niverina tamin’ny naloa !

Hamaky ny tohiny...

Raiamandreny…

21/04/2017

Tena menatra sy nanongo tena aho r’ise ry Jean naheno ny fanambaran’ise fa hijoro ho raiamandreny ise fa tsy hiditra lalina amin’iny raharaha nahasaringotra an’ny mpanolotsainan’ise iny

Raiamandreny…

Hamaky ny tohiny...

Taratasin’i Jean Mody atao hoe…

20/04/2017

Miarahaba anao aloha ry Jean tamin’iny vokatra vaovao nampahafantarinao ny mpijerintsika omaly iny… oadray ! Mpamakintsika mantsy e !

Taratasin’i Jean Mody atao hoe…

Hamaky ny tohiny...

Misy mihaino ?

19/04/2017

Manahoana ry Jean a ! Fa ianareo moa izany miandry inona mihitsy vao hiteny fa miandry izay haloaky ny vavanareo anie ny olona amin’ity raharaha Dinina be ity e ?

Misy mihaino ?

Hamaky ny tohiny...

Taratasin’i Jean Paska sandoka ?

18/04/2017

Miarahaba Jean a ! Dia tena novetavetainareo mihitsy mantsy ny hasin’ny fety masin’olona a ? Inona mihitsy moa izany no tianareo ahatongavana e !

Taratasin’i Jean Paska sandoka ?

Hamaky ny tohiny...

Sahobakaka ambody riana !

15/04/2017

Efa miala any ny tafiky ny mpikatsaka an-drafahamarinana ary manampy azy ao ihany koa ny ekipan-dramilaranondranonina ry Jean handrava ny mandan-drabekolikoly,

Sahobakaka ambody riana !

Hamaky ny tohiny...


Taratasy hoan'i jean

Aza mifanambaka e !

15/11/2016

Sambasamba aho ry Jean mba hitafatafa aminareo anio. Saika nipoaka mantsy ny atidohako nieritreritra sy nandinika ity fombanareo toa mitory fisaraham-bazana ity.


 Aiza ve ka fenoinareo petadrindrina ny tanàna ary samy milaza ianareo fa tompon’ny vahaolana sy mahavonjy ny olona. Dia sahinareo mihitsy ny mampanantena olona fa higoka fiadanana izay manaiky hiara-dalana aminareo. Tena sadaikatra r’ise izahay ry Jean hitsara hoe ny an’iza no marina dia ny an’iza no diso a ! Ianareo tokony hitambatra aza ity toa mizarazara kanefa hampihavana sy hitarika ny ondry tsy hisaraka ny adidy hiantsorohanareo. Tena efa tafiditra hatrany an-tempoly mihitsy ve ity zarazarao hanjakana ity a ? Sao dia mba fanjanahan-tsaina sy fanararaotana ny fahorian’ny gasy tsy misy hiantsampazana intsony izao ataonareo izao ka vao mainka izahay no hambakaina sy volosanareo andro aman’alina eto. Tena mahagaga ihany mantsy ity ianareo miha manan-karena ao anatin’ny fotoana fohy ity. Ny ataon-dry be politika aza efa tsy hita izay hanaovana azy dia ianareo koa ity no mbola hanampy trotraka ! Sa izany ilay hoe samy mamely izay voany ? Aza mifanambaka fa tsy mety a !

Marco

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana