Dans la m麥e rubrique

Fanesorana ny praiminisitra Mampiady ny ao an-dapa

26/05/2017

Mivoaka ny feo avy any an-dapa amin段zao fotoana izao fa mifanditra sy tsy mitovy hevitra intsony ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy ny filoha nasionalin地y antoko HVM Rivo Rakotovao manoloana ny hanoloana ny praiminisitra.

Fanesorana ny praiminisitra Mampiady ny ao an-dapa

Hamaky ny tohiny...

Mpitondra Malagasy Tsy manaja ny programa nampanantenainy ny vahoaka

26/05/2017

Kely finoana amin地y hisian地y fifidianana ny taona 2018 ny AKFM (Antokon地y Kongresin地y Fahaleovantenan段 Madagasikara).

Mpitondra Malagasy Tsy manaja ny programa nampanantenainy ny vahoaka

Hamaky ny tohiny...

Fanilikilihana ny Ben地y tan瀟a Aza mifanindritsindry, hoy i Dada

26/05/2017

Manana andraikitra ato amin地y kaominina aho amin地y maha mpanolotsain地y Ben地y tan瀟a ahy, hoy i Marc Ravalomanana ny alarobia lasa teo.

Fanilikilihana ny Ben地y tan瀟a Aza mifanindritsindry, hoy i Dada

Hamaky ny tohiny...

Governemanta iaraha-mitantana Manome fampitandremana tapa-bolana ny DFP

26/05/2017

Vory lanona tetsy amin地y Panorama Andrainarivo avokoa ny alarobia teo ny ankamaroan段reo hery politika eto amin地y firenena taorian地y antso avo nataon-dry zareo avy anivon段lay vovonana dinika ho fanavotam-pirenena (DFP)

Governemanta iaraha-mitantana Manome fampitandremana tapa-bolana ny DFP

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana Namantsipantsika ny fitondrana

24/05/2017

Tena hampihatra marina ny demokrasia eto Madagasikara isika. Manana olona isika sady manana tanora, hoy i Marc Ravalomanana nandritra ny dinika politika nokarakarain地y sampandraharahan地y firenena mikambana momba ny fampandrosoana (PNUD) ary fiaraha-miasa aminy teny amin地y Hotely Carlton omaly.

Marc Ravalomanana Namantsipantsika ny fitondrana

Hamaky ny tohiny...

Depiote Randrianasolo Jean Nicolas ォ Tsy nahazo 4 x4 vaovao izany aho サ

24/05/2017

Samy nilaza ho tsy nahazo an段lay fiara 4 x 4 voalaza fa nanambatambazana ny sasantsasany tamin段reo depiote mivory eny Tsimbazaza avokoa ireo voatonontonona ho nahazo tamin地y fitondram-panjakana.

Depiote Randrianasolo Jean Nicolas ォ Tsy nahazo 4 x4 vaovao izany aho サ

Hamaky ny tohiny...

Mpitondra Malagasy Tsy manaja ny programa nampanantenainy ny vahoaka

24/05/2017

Kely finoana amin地y hisian地y fifidianana ny taona 2018 ny AKFM (Antokon地y Kongresin地y Fahaleovantenan段 Madagasikara). Misavorovoro be mantsy ny fiainam-pirenena ankehitriny, hoy ny filohany Rakotomanga Eric.

Mpitondra Malagasy Tsy manaja ny programa nampanantenainy ny vahoaka

Hamaky ny tohiny...


Politique

Zanatany Anglisy mandroso Ny an地y Frantsay krizy lava

05/11/2016

Harinkarena ambony sy tontolo politika milamina no hita any amin地y ankamaroan段reo tany nozanahan地y Anglisy.

 

 Ady an-trano tsy misy farany, krizy politika efa ho lava, toekarena mitotongan-dava no mampalaza ny firenena nozanahan’ny Frantsay. Malala-tsaina kokoa ny Anglisy ary namela malalaka ireo zanataniny hisafidy ny paikadim-pampandrosoana nety taminy tsy narahina teritery sy baiko midina ary fitsabatsabahana sy fanambakana. 

An-kilany kosa, ara-tantara, tsy sitrapon’ny Frantsay velively  ny hanome fahafahana saingy voatery ka sarintsarim-pahaleovantena no nomeny. Miezaka nametraka ny olony hahafahany mifehy hatrany ny tany nozanahiny ny Frantsay ary tsy mikendry afa-tsy ny hanjakazaka sy hanao izay hahazoana harena. Izay mpitondra tsy azony fehezina dia hitadiavany fomba ambadika handrodanana azy toy  ny nisy teto Madagasikara ny taona 2009. Vokatry ny fitsabahan’ny Frantsay dia korontana ny tany Côte d’Ivoire, miady an-trano any Gabon, mifanongana ny mpitondra any RDC Congo, Centrafrique… Ny Frantsay dia mametraka fifandraisana mafy amin’ny tafik’ireo firenena nozanahiny fahiny mba hahafahany mifehy azy bebe kokoa. Ny ankamaroan’ny orinasa amin’ireo firenena nozanahina dia an’ny teratany Frantsay. Tazonin’ny Frantsay ireo banky rehetra sy ireo sehatra saropady ao amin’ny firenena.Voazanaka mba hankato sy hanaiky ny Frantsay amin’ny ankapobeny ny toe-tsain’ireo zanataniny ary na ny rafi-pampianarana sy ny lalàmpanorenana aza dia ny an’i Frantsa ihany no natao “kôpi kôlé”. Eto Madagasikara, ohatra, dia sokajiana ho mahay na olona ambony izay mahay miteny Frantsay. Nambara fa tsara ny vokatra vahiny ary nohamavomavoina ny vita Malagasy.

Tsy mahodina ny toekareny ny Frantsay raha tsy misy ireo tany nozanahiny hangoronan-karena mba hanabontsinany ny harinkareny. Ny Anglisy kosa miezaka hatrany hitady fiaraha-miasa sy mifanohana ary mametraka ny kolontsain’ny famokarana sy ny fivoarana ary nampitainy tamin’ireo zanataniny izany. Miezaka misokatra sy mifampizara ny fahombiazany izy ireo. Porofon’izany ny famirapiratr’i Etazonia izay efa mpifehy izao tontolo izao, ny haavon’ny harinkaren’i Afrika Atsimo izay efa afaka mifampitaha amin’ny Eoropeanina,  ny fidangan’ny harinkaren’i Maorisy izay manankarena avo 25 heny mitaha amin’i Madagasikara.

Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana