Dans la męme rubrique

Fiharian’ny mponina Atsimondrano Somparan’ny fitondrana HVM

21/09/2017

Nitaraina fatratra omaly ny depiote voafidy tao Atsimondrano, Voahangy Raharimanarivo, manoloana ny tsy mety fahavitan’ny fanarenana ireo

Fiharian’ny mponina Atsimondrano Somparan’ny fitondrana HVM

Hamaky ny tohiny...

Lalao Ravalomanana An-dalana ny fanesorana azy…

20/09/2017

Afaka nihetsika sy nitokona an-kalalahana ary nilahatra an-dalambe nitety an’Antananarivo Renivohitra ireo Taksi mivondrona eo anivon’ny FTAR izay tsy mankasitraka ny hanatanterahana ny “contre visite” eny amin’ny OMAVET.

Lalao Ravalomanana An-dalana ny fanesorana azy…

Hamaky ny tohiny...

Pastera Randriamisata Roger “Tsy misy demokrasia eto !”

20/09/2017

Nahitsy fiteny ary hentitra i Pastera Randriamisata Roger nandritra ny fandaharana Donak’afo tao amin’ny TOP Radio halina, nilaza fa “tsy misy demokrasia izany eto !”. Sakantsakanana ny olona haneho hevitra, tsy avela hidina an-dalambe toy ny fahita amin’ny tany demokratika manerantany. Hatramin’ny olona maneho hevitra any amin’ny haino aman-jery aza samborina. Ny manahirana dia misy ampahan’olona na sokajin’olona omena tombondahiny fa ny ankamaroany dia ailikilika, anaovana antsojay. Manampy trotraka izany ny fanapepoana ny olona amin’ resaka “laïcité de l’Etat” na ny fanasarahana ny fitantanam-panjakana amin’ny raharaham-piangonana.

Pastera Randriamisata Roger “Tsy misy demokrasia eto !”

Hamaky ny tohiny...

Rakoto Andrianirina Fetison “Hajao ny fitsipika demokratika”

20/09/2017

Mampiseho ny fahalemen’ny fitondrana ankehitriny hiatrika ireo fifidianana lehibe hifandimby ny filana hanova ny fitsipi-dalao, hoy Rakoto Andrianirina Fetison raha naneho ny heviny mahakasika ny hanovana na tsia ny lalàna fototra ankehitriny.

Rakoto Andrianirina Fetison “Hajao ny fitsipika demokratika”

Hamaky ny tohiny...

LalĂ mpanorenana Ny finiavana hampihatra no tsy misy

20/09/2017

Misokatra tanteraka ny adihevitra momba ny fikitihana ny Lalàmpanorenana Malagasy natao amboletra tamin’ny taona 2010. Tsy misy ratsy ny didy aman-dalàna eto Madagasikara.

LalĂ mpanorenana Ny finiavana hampihatra no tsy misy

Hamaky ny tohiny...

Ravalomanana sy Pr Zafy Nihaona teny Ivandry

19/09/2017

Nihaona sy nifampiresaka teny Ivandry omaly ny filoha teo aloha mirahalahy Marc Ravalomanana sy Albert Zafy.

Ravalomanana sy Pr Zafy Nihaona teny Ivandry

Hamaky ny tohiny...

Fisokafan’ny MBS Tsy mbola ho amin’ity fitondran’ny HVM ity

19/09/2017

Tsotra sady mazava ny valin-tenin’i Hery Rajaonarimampianina raha nanontaniana ny antony tsy amelan’ny fanjakana ny hisokafan’ny haino aman-jery MBS ny tenany.

Fisokafan’ny MBS Tsy mbola ho amin’ity fitondran’ny HVM ity

Hamaky ny tohiny...


Politique

wake up Madagascar Hitondra ny tabataban’ny olom-pirenena eny amin’ny kianja Maki

26/11/2016

Hitondra ny toreo sy ny talahon’ny vahoaka Malagasy amin’ny alalan’ilay hetsika tabataban’ny olom-pirenena eny amin’ny kianja Maki Andohatapenaka anio ny Wake up Madagascar, fikambanana iray izy miezaka mijery ifotony ireo maharary ny vahoaka Malagasy .

Raha araka ny fanazavan’izy ireo omaly mantsy dia  diso lalim-paka loatra ny fahoriana mianjady amin’ny vahoaka Malagasy ankehitriny nefa toa  tsy miraharaha izany akory ny mpitondra sady minia manampin-tsofina. Tsy vitsy ireo efa matin’ny hanoanana, betsaka ny tsy an’asa nefa  ny fandraisana ireo vahiny ihany no mahamaika ny mpitondra, kajikajy izay tsy nisy fiantraikany mivantana tamin’ny fiainan’ny vahoaka hatreto, indrindra fa ny madinika. Nosafidian’izy ireo  manokana  ny andro anio sabotsy 25 novambra,  mba hanehoana amin’ireo vahiny  ny tena zava-misy marina eto Madagasikara  fa tsy afinafenina lava izao. Na izany aza anefa hetsika am-pilaminana no hatao amin’ny alalan’ny fitsofana kiririoka, fanapoahana lapoaly …mba ho hitan’ny rehetra fa reraka sy noana ny vahoaka Malagasy. Anio amin’ny 11 ora no fotoana  manoloana ny kianja Maki Andohatapenaka, hiantsoana ny olom-pirenena rehetra. Marihina moa fa hifanindran-dalana amin’ity hetsika ity ihany koa ny hetsiky ny mpanao gazety saingy eny amin’ny sampanana Ambohitrimanjaka indray  no toerana nosafidian’ireto farany.

Pati

Legende  : Azo atao koa ny mitondra lovia tahaka izao hapoaka miaraka amin’ny sotro

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana