Dans la męme rubrique

Ravalo sy ny TIM Norahonan’i Rivo Rakotovao

25/07/2017

Tahaka ny efa tsinjo sahady ny valin-teny hasetrin’ny prefektiora ny fangatahan’ny antoko Tiako I Madagasikara hankalazana ny faha-15 taonany eny amin’ny kianjaben’i Mahamasina ny sabotsy 29 jolay ho avy izao.

Ravalo sy ny TIM Norahonan’i Rivo Rakotovao

Hamaky ny tohiny...

Guy Rivo Randrianarisoa “Mahamasina ihany no mety aminay”

25/07/2017

Andrasana ny valin’ny fangatahana napetraky ny Antoko Tiako I Madagasikara hanatanteraka ny faha-15 taona niorenany eny Mahamasina.

Guy Rivo Randrianarisoa “Mahamasina ihany no mety aminay”

Hamaky ny tohiny...

Roland Ratsiraka Jamban’ny fankahalana an-dRavalomanana

25/07/2017

Efa maro ihany izay niakatra fahitalavitra sy niseho gazety nanaratsy an’i Marc Ravalomanana izay.

Roland Ratsiraka Jamban’ny fankahalana an-dRavalomanana

Hamaky ny tohiny...

Olivier Rakotovazaha “Aleo hankalaza malalaka ny tsingerintaonany ny TIM”

25/07/2017

Tokony homena alalana hankalaza ny faha-15 taonany eny amin’ny «Coliseum» Antsonjombe ny antoko Tiako I Madagasikara.

Olivier Rakotovazaha “Aleo hankalaza malalaka ny tsingerintaonany ny TIM”

Hamaky ny tohiny...

Tsapan-kevitra Fifidianana 2018 Ravalomanana 58 %, Rajoelina 16%

24/07/2017

Mandeha ny tsapan-kevitra isan-karazany amin'ny mety ho vokatry ny fifidianana 2018 na dia mbola misy herintaona mahery kely aza.

Tsapan-kevitra Fifidianana 2018 Ravalomanana 58 %, Rajoelina 16%

Hamaky ny tohiny...

Faha-15 taonan’ny TIM Eny Mahamasina ny 29 jolay

22/07/2017

Nanao fanambarana teny Tsimbazaza ny Birao politikan’ny Antoko Tiako I Madagasikara omaly, ka nivoitra tamin’izany ny fampitam-baovao fa nandresy sy nahazo rariny tany amin'ny Filan-kevi-pankajana (Conseil d'Etat)

Faha-15 taonan’ny TIM Eny Mahamasina ny 29 jolay

Hamaky ny tohiny...

Atallah BĂ©atrice Hatosika ho praiminisitra ?

22/07/2017

Nangingina ny resaka fanovana governemanta tato ho ato. Mifamahofaho tanteraka ny vaovao ary efa nandeha hatry ny ela ny resaka fa tsy maintsy halana ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier.

Atallah BĂ©atrice Hatosika ho praiminisitra ?

Hamaky ny tohiny...


Politique

Vondrona MAPAR Nizaka ny mafy ny taona 2016

29/12/2016

Vondrona politika azo lazaina ho nizaka ny mafy tamin’ireo fikambanana politika rehetra teto amin’ny firenena tamin’ity taona ity ny vondrona politika MAPAR na Miaraka Amin’ny Prezida Andry Rajoelina.

Ankoatra ny raharaha Augustin Andriamananoro, izay vao nivaly ny 26 desambra teo ny fitsarana azy, dia nanakoako ihany koa ny mikasika ny raharaha Lylison, izay efa niatomboka tamin’ny volana jona. Raharaha nalaza ho niampangana ity loholona ity voalohany, raha tsiahivina, ny fitarihana olona hanao tanàna maty sy fanonganam-panjakana noheverina fa anton’ny fidinana an-dalambe notarihany teny amin’ny fasan’ny Maherifo Avaratrankatso ny 29 martsa teo, nandritry ny fahatsiarovana ireo mpitolona tamin’ny taona 1947. Teo koa ny asa fampihorohoroana nitranga tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina nandritry ny fankalazana ny fetim-pirenena, ny alin’ny 26 jona. Hatramin’izao dia mbola karohina ny loholona Lylison René de Rolland. Ny volana septambra teo koa no nisiana fisavana ny tranon’ny depiote Nina, anisan’ny mpikambana ao anatin’ny MAPAR ihany koa, noho ny nanakorontanana sy nandratrana ireo efa-dahy taizany. Teo koa ny daroka nihatra tamin’ny loholona sareraka tamin’ny volana novambra. Nanamarika ny tantaran’izy ireo tamin’ity taona ity kosa ny fahafahana madiodio nomena an’Andriamananoro.

Mirija    

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana