Dans la męme rubrique

Andron’ny Parlemantera tetsy Anosikely Nikorontana tanteraka

15/12/2017

Samy manana ny fomba fiheviny sy fiasany tokoa ireo olom-boafidy sy olom-boatendry eto amintsika. Raha nanatanteraka ny « Journée des Parlemantaires » tetsy amin’ny Lapan’Anosikely omaly alakamisy 14 desambra ireo senatera sy solombavambahoakan’i Madagasikara manatanteraka ny fivoriana ara-potoanany avy ankehitriny ka nandinika niaraka ny lohahevitra

Andron’ny Parlemantera tetsy Anosikely Nikorontana tanteraka

Hamaky ny tohiny...

Fitondrana HVM Te hifehy mafy ny serasera

14/12/2017

Mazava tsara ny tenin’ny minisitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana Harry Laurent Rahajason omaly fa ny fitsarana no hanapa-kevitra farany momba ny

Fitondrana HVM Te hifehy mafy ny serasera

Hamaky ny tohiny...

AREMA –Fifidianana 2018 I Deba ihany no ho kandida ?

14/12/2017

Tao anatin’ny lanonana tsotra dia tsotra famaranana ny taom-piasana ho an’ny taona 2017 notarihan’ny sekretera nasionaliny,

AREMA –Fifidianana 2018 I Deba ihany no ho kandida ?

Hamaky ny tohiny...

Solonandrasana sy Jean Max R Manahiran-tsaina ny filoham-pirenena

14/12/2017

Raikitra ny fifanolanana sy ny fifandrahonana any an-dapa amin’izao fotoana. Antony ny fikatsahan’ny HVM handamina ny kajy politikany amin’ny alalan’ny fanoloana tompon’andraikitra ambony eto amin’ny firenena.

Solonandrasana sy Jean Max R Manahiran-tsaina ny filoham-pirenena

Hamaky ny tohiny...

Kandidà ben’ny tanàna lasa mpanolotsaina Manakorontana fotsiny

14/12/2017

Tonga saina tampoka ve sa tena efa nisaina ela izany tokoa ny praiminisitra sady minisitry ny atitany,

Kandidà ben’ny tanàna lasa mpanolotsaina Manakorontana fotsiny

Hamaky ny tohiny...

Fanambin-dRavalomanana “Hiasa avo 10 heny noho ny efa vitako aho”

13/12/2017

Tsy mila resabe isika fa mila asa, hoy ny filoham-pirenena teo aloha no sady filohan’ny antoko Tiako i Madagasikara, Marc Ravalomanana omaly raha nandray fitenenana nandritry ny fankalazana ny faha 68 taona nahaterahany tetsy amin’ny Magro Tanjombato.

Fanambin-dRavalomanana “Hiasa avo 10 heny noho ny efa vitako aho”

Hamaky ny tohiny...

Kabarin’i Marc Ravalomanana teny amin’ny Magro Tanjombato Hoy izy ireo :

13/12/2017

Rakotomandimby Jean Pierre (Ben’ny tanànan’i Soanindrariny Antsirabe II) “Tena ilain’ny firenena ireny tenin’ny filoha Ravalomanana rehetra teo ireny ary hombako manana ny fitsipika tokony hitondrana ny firenena ka iainana miainga avy any ambony mipaka aty amin’ny vahoaka.

Kabarin’i Marc Ravalomanana teny amin’ny Magro Tanjombato Hoy izy ireo :

Hamaky ny tohiny...


Politique

Vondrona Mapar Manao ririnin-dasa tsy tsaroana

17/12/2016

Mimenomenona ny vondrona politika MAPAR ankehitriny manoloana ny fanenjehana ny naman’izy ireo. Ventesina ny hoe tsy rariny ?

Aiza ny fanajana ny zon’olombelona ? Ambara mihitsy aza fa mitsipaka ny fampihavanam-pirenena ny fanagadrana an’i Augustin Andriamananoro. Ny antenimiera rahateo vao avy nandany ny volavolan-dalàna momba ny fampihavanam-pirenena saingy fihetsika tsy mitondra fitoniana no ataon’ny fanjakana. Raha tsiahivina anefa ny tantara dia i Andry Rajoelina mihitsy no nitsipaka voalohany ny fampihavanam-pirenena notarihin’ny FFKM ny volana martsa 2015, ka nisintahan’ny tenany sy ny Pr Zafy Albert, ary tsy nanaovany sonia ilay fehin-kevitra 19 pejy nivoaka tamin’izany fotoana izany. Ny fanjakana tetezamita no tena nampiasa ny « Emmo reg » tamin’ny fanaovana haza lambo sy fisamborana ary fanagadrana olona maro, toy ny mpanao politika sy ny mpanao gazety, ka nampalaza ilay jeneraly nantsoin’ny amiraly Didier Ratsiraka hoe « Jeneraly baomba ». Firy ny ain’olona maty teto nandritra ny krizy politika nentin’ny fanonganam-panjakana 2009 ? Firifiry ny olona rava fananana sy very asa ? Tsy hoe faly na manamaivana ny fahavoazan’ny hafa fa tsy misy dikany ny fanenjehana mahazo azy ireo ankehitriny mitaha amin’ny nampizakainy ireo tsy nitovy hevitra taminy sy ny vahoaka mihitsy aza. Toa tsy takatry ny sain’izy ireo anefa izany, fa manao ririnin-dasa tsy tsaroana izy ireo ka ny fahavoazany ihany no dridradridrainy. Zatra nanao ampihimamba sy nanjakazaka ka very fihinanana, ary miantso vonjy fatratra rehefa mba voahenjika kely.

Toky R.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana