Dans la même rubrique

Hetsiky ny MAGRO Amin’ny sabotsy ny fotoana

24/03/2017

Tsy azo ekena ny don-tandroka isaky ny mihetsika sy ny fampiesonana. Nifanarahana tany am-boalohany fa ajanona ny hetsiky ny zanak’i Dada ao amn’ny Magro Behoririka,

Hetsiky ny MAGRO Amin’ny sabotsy ny fotoana

Hamaky ny tohiny...

Hery Rajaonarimampianina Lany henatra tanteraka ?

24/03/2017

Mihantsy ady, miteniteny foana no anton-draharahan’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina amin’izao fotoana.

Hery Rajaonarimampianina Lany henatra tanteraka ?

Hamaky ny tohiny...

Minisitry ny atitany Tokony hosaziana, hoy i Doudou

24/03/2017

Tsy naneho hevitra elaela mikasika ny raharaham-pirenena noho ny tsy fahasalamana ny filohan’ny hetsika dinika ho fanavotam-pirenena (DFP), Tolojanahary Maharavo na i Doudou, raha ny fanazavana nomeny omaly teny amin’ny fonenany eny Ambohipo.

Minisitry ny atitany Tokony hosaziana, hoy i Doudou

Hamaky ny tohiny...

Antoko Tambatra “Mila ovaina ny lalàmpanorenana”

23/03/2017

Naneho ny heviny momba ny raharaham-pirenena ny antoko Tambatra, tarihin’i Pety Rakotoniaina.

Antoko Tambatra “Mila ovaina ny lalàmpanorenana”

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana Mitsoka ny rivo-pandresena

21/03/2017

Saika miresaka sy manaratsy an’i Marc Ravalomanana avokoa ireo haino aman-jery mpomba ny mpitondra sy ny mpanongam-panjakana tamin’ny taona 2009 amin’izao fotoana izao.

Marc Ravalomanana Mitsoka ny rivo-pandresena

Hamaky ny tohiny...

CUA sy sefom-pokontany Nampitovy tadin-dokanga

21/03/2017

Niteraka resabe teto an-drenivohitra ny tsy nahitana an’ireo mari-pamantarana ireo kaominina Antananarivo Renivohitra toy ny saina, fitomboka…

CUA sy sefom-pokontany Nampitovy tadin-dokanga

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana Manetsika ny “Diaspora Malagasy” any Eoropa

20/03/2017

Naseho voalohany tany Copenhague-Danemark ny sabotsy 18 martsa teo ilay horonantsary « Return of a president.. »,

Marc Ravalomanana Manetsika ny “Diaspora Malagasy” any Eoropa

Hamaky ny tohiny...


Politique

Voahangy Rajaonarimampianina Nandany volabe nanamboarana orona ?

11/01/2017

Maro no nahatsikaritra fa mandimandina ery ny endrik’i Voahangy Rajaonarimampianina ny zoma 6 janoary lasa teo nandritra ny lanonana fifampiarahabana teny Iavoloha.

Tao aza no vaky vava mihitsy ka nilaza fa toa niha tanora ny 1ère dame. Tsotra manara-tena ny akanjo nanaovany, namoaka tsara ny bika aman’endriny. Andro vitsy tato aoriana no nisy ny feo nivoaka fa toa hoe nandany vola be tany ivelany ka nanamboatra orona na nanao irony antsoina hoe Rhinoplastie i Voahangy Rajaonarimampianina. Rehefa nampitahaina tokoa ny sariny 2 taona lasa sy ny sariny tamin’ny zoma lasa teo dia mampieritreritra ihany satria tena niova marina ny endriny, tsy resaka niha nahia fotsiny fa tahaka ireny endrika mpilalao sarimihetsika avy any ivelany ireny mihitsy, raha ny fahitana azy. Io loharanom-baovao io ihany no nandrenesana fa vola be tokoa satria efa mananiky ny 1 miliara ariary no hoe nikarakaran-dRamatoa Voahangy ny orony sy ny tavany tany ivelany tany. Samy manana ny dokotera mahay momba io fandidiana manatsara tarehy sy vatana io avokoa moa na any eoropa na any Etazonia, ary any no tena falehan’ireo olo-malaza sy mpanefoefo maneran-tany. Olom-bitsy ihany no afaka misitraka ny fanamboarana tarehy avo lenta toy izao, ary anisan’ny nalaza ilay mpanakanto Amerikanina Michael Jackson, izay efa nodimandry. Tsiambaratelo amin’ny Malagasy moa hatreto ny momba ny hoe fahasalamana na fomba fiainan’ny mpitondra ambony eto, fa ny fantatra sy hita maso fotsiny dia tena miaina tahaka ny mpanjaka ny ankamaroan’izy ireo ka tahaka ny mandeha taksibe ny mandeha fiaramanidina mankany ivelany izany, ary efa maro no Malagasy malaza fa manankarena be any ivelany any, manao zavatra any ivelany any, mividy trano any ivelany any, ary tato ho ato izay dia matetika voatonontonona amina zavatra tahaka izany ny vadin’ny filoham-pirenena. Nangingina izany ny momba ilay akanjo misy sarina mananasy mitentim-bidy 7000 Euro nianjaikan’ny vadin’ny filoha tamin’ny 26 jona 2016, fa ity resaka fanamboarana tarehy ity indray no mety ho lasa resabe.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana