Dans la mme rubrique

Ady amin’ny Pesta Niditra an-tsehatra ny Frantsay

19/10/2017

Mbola mandravarava ny pesta, ary miitatra amina sehatra maro samihafa eto amin’ny firenena. Toa ny antontan’isa no voafehy, fa tsy ny pesta. Efa ny sehatra iraisam-pirenena no mandray an-tànana ny zava-misy.

Ady amin’ny Pesta Niditra an-tsehatra ny Frantsay

Hamaky ny tohiny...

Praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Mahay mangala-bato be, hoy ny antoko AME

19/10/2017

Elaela no tsy nahenoana izany antoko Miombona ezaka na AME izany teo amin’ny tontolo politika eto Madagasikara. Taorian’ny fodiamandrin’ny filohan’ny antoko teo aloha, Clement Ravalison, dia naneho hevitra omaly ny filoha vaovao, Ramilina.

Praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Mahay mangala-bato be, hoy ny antoko AME

Hamaky ny tohiny...

Hery Rajaonarimampianina Nila vonjy tamin’ny Papa François

18/10/2017

Niteraka adihevitra na teo anivon’ny fiarahamonina na tany anaty etamazaoro politika isan-karazany tany ny antony tsy maintsy nandehanan’ny filohampirenena Hery Rajaonarimampianina tany Roma Italia nanatrika ilay fankalazana ny andro iraisam-pirenena momba ny sakafo ny 16 oktobra lasa teo.

Hery Rajaonarimampianina Nila vonjy tamin’ny Papa François

Hamaky ny tohiny...

Honoré Rakotomanana Efa mitanisa tantara sisa

18/10/2017

Na malaza aza ny resaka mivoaka fa hoesorina tsy ho filohan’ny antenimierandoholona i Honoré Rakotomanana, dia fandokadokafana ny fitondram-panjakana HVM no tena nivoitra tao anatin’ny kabariny nandritra lanonam-panokafana ny fivoriana ara-potoana faharoa omaly.

Honoré Rakotomanana Efa mitanisa tantara sisa

Hamaky ny tohiny...

Pastera Mailhol “Notambazana 5 miliara Ar aho mba tsy ho kandida”

18/10/2017

Tambatambazan’ny fanjakana HVM tsy hirotsaka hofidiana ho Filoham-pirenena i Pastera Mailhol satria atahoran’ny fitondrana mafy, raha ny fanambarana nataony omaly.

Pastera Mailhol “Notambazana 5 miliara Ar aho mba tsy ho kandida”

Hamaky ny tohiny...

Rivo Rakotovao Atosika ho filohan’ny Antenimierandoholona

18/10/2017

Nesorina tsy ho minisi-panjakana eo anivon’ny fiadidian’ny Repoblika misahana ny fiompiana sy ny fambolena intsony i Rivo Rakotovao, araka ny didim-panjakana novakian’ny Jeneraly Ralala Roger, sekretera jeneralin’ny fiadidian’ny Repoblika teny Iavoloha omaly.

Rivo Rakotovao Atosika ho filohan’ny Antenimierandoholona

Hamaky ny tohiny...

Jean Max Rakotomamonjy « Asio adihevitra mazava ny fanovana lalàmpanorenana »

18/10/2017

Niakatra 4,1% ny harinkarena faobe na teo aza ireo sedra nolalovan’ny firenena, toy ny rivo-doza. 5,1% izany ny taona 2018 raha mitombo ny fampiroboroana fambolena, hoy ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Jean Max Rakotomamonjy nandritra ny kabariny tamin’ny lanonam-panokafana ny fivoriana ara-potoana faharoa teny Tsimbazaza omaly.

Jean Max Rakotomamonjy « Asio adihevitra mazava ny fanovana lalàmpanorenana »

Hamaky ny tohiny...


Politique

Tantely Andrianarivo kandida Mikoropaka ny Arema

11/08/2017

Nikorapaka ny lohandohan’ny mpisorona eo anivon’ny antoko Arema, tarihin’ny Amiraly Didier Ratsiraka nanoloana ny fanambarana nataon’ny praiminisitra teo aloha Tantely Andrianarivo ny maha kandida azy amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2018.

  Re fa nisy mihitsy ny fivoriambe maika natao teny amin’ny tranon’ny filoha teo aloha teny Mangarivotra Faravohitra ny harivan’ny alatsinainy 7 aogositra  teo nentina niresahana iny zava-niseho, izay tsy dia nampoizin’ny rehetra iny. Tsy mbola nilaza fa hiala sasatra eo amin’ny fanaovana politika tokoa mantsy ny amiraly Didier Ratsiraka, ary mbola tsy nanondro izay olona mety hisolo na handimby azy na dia efa mandroso fahanterana aza, satria efa 84 taona ny tenany. Raha dinihina tamin’ny fanamarihana ny faha-40 taonan’ny antoko Arema tamin’ny taon-dasa rahateo, dia mbola tsy mihevitra ny hilavo lefona amin’ny politika mihitsy ny Amiraly ary mety mbola te ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena. I Tantely Andrinarivo, izay praiminisitra tamin’ny androny, zaza novolavolainy ara-poltika indray koa ity milaza hirotsaka, ka mety hifaninana izany ireo. Midika ihany koa fa miala tsikelikely amin’ny amiraly ireo nafana fo sy tao anatin’ny sambon’ny Arema, toa an’i Pierrot Rajaoanarivelo, Pierre Houlder, Tantely Andrianarivo,

 

Hambo-po politika

 

Tamin’ny taona 2001 no efa nikendry ny ho kandida sy nanana tanjona ho filoha i Tantely Andrianarivo, saingy voasakan’ny Amiraly Didier Ratsiraka. Toy izany ihany koa ny taona 2013. Tamin’ity indray mitoraka ity kosa, dia efa naman’ny tongotra mby an-dàkana ny azy, ary voalaza fa isan’ireo kandida atosiky ny sehatra iraisam-pirenena ny tenany. Olona efa niara-niasa tamin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena sy ny Banky Iraisam-pirenena rahateo i Tantely Andrianarivo, ary tsikaritra ho ankasitrahan’ny olon’ny Arema ihany koa. Na izany na tsy izany aza anefa, dia maro ihany koa no manasokajy azy ho mitsipa-doha laka-nitana sy tsy manoa ny olona namolavola azy teo amin’ny politika, ka zary tonga amin’ilay fomba fiteny hoe “boaikely manohatra”. Mampametra-panontaniana hoe vaky ve ny ady eo aminy sy ny Amiraly Ratsiraka na tsy mahatoky ny Arema intsony I Tantely Andrianarivo, ka nisafidy ny hikopak’elatra irery satria efa nahazo antoka tamin’ny mpiara-miombon’antoka aminy? Andrasana izay ho fanehoan-kevitry ny Amiraly Didier Ratsiraka manoloana ny fanambarana nataon’ity praiminisitra fahiny, izay isan’ny andry nianteheran’ny Arema ity.

 

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana