Dans la męme rubrique

Governemanta Minisitra maromaro miozongozona

17/11/2017

Mananontanona indray ny fanovana governemanta. Ny volana desambra izao no mety hanatanterahana azy io raha ny loharanom-baovao iray akaiky ny fitondrana.

Governemanta Minisitra maromaro miozongozona

Hamaky ny tohiny...

Firaisamonim-pirenena Ataovy mazava ny lalĂ m-pifidianana

17/11/2017

Zava-dehibe ny firosoana amin’ny fifidianana saingy tsy zavatra hatatao fahatany ohatr’izao fa tsy maintsy mitaky zavatra betsaka, ary hajaina ny lalàmpanorenana, hoy ny Firaisamonim-pirenena tamin’ny alalan-dRandriamihavana.

Firaisamonim-pirenena Ataovy mazava ny lalĂ m-pifidianana

Hamaky ny tohiny...

Antoko TIM - Ambohimanarina Nitrotro am-bavaka ireo asa ho tanterahina

17/11/2017

Fanompoam-pivavahana ho fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra ary fametrahana ny asa rehetra tanterahina eny amin’ny Vohitr’Ambohimanarina Boriborintany faha-6 na an-tsaha na an-tanàna notarihan’ny mpitandrina Rabemanana Tojo no nisantarana an’ireo hetsika 5 ho tanterahan’ny TIM

Antoko TIM - Ambohimanarina Nitrotro am-bavaka ireo asa ho tanterahina

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana 2018 Tsy tokony hijabahan’ny fanjakana

17/11/2017

Mamboatra ny kajy politikany ny HVM ankehitriny ary anisan’ireny ny fifehezana ny andrim-panjakana.

Fifidianana 2018 Tsy tokony hijabahan’ny fanjakana

Hamaky ny tohiny...

Ben’ny tanàna ambanivohitra Mivondrona hifanohana sy hitaky ny zony feno

17/11/2017

Betsaka ireo tsindry hazo lena mihatra amin’ ireo ben’ny tanàna eny anivon’ny kaominina ambanivohitra amin’izao.

Ben’ny tanàna ambanivohitra Mivondrona hifanohana sy hitaky ny zony feno

Hamaky ny tohiny...

Fanavaozana ny lisi-pifidianana Hatao izay hahatomombana azy, hoy ny CENI

16/11/2017

Roa herinandro tsy hahatongavan’ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fanavaozana ny lisi-pifidianana (RALE),

Fanavaozana ny lisi-pifidianana Hatao izay hahatomombana azy, hoy ny CENI

Hamaky ny tohiny...

Fiarahamonim-pirenena Tsy mahavita miaro ny vahoaka akory

16/11/2017

Anarana fotsiny fa tsy mahovoka akory rehefa tena misy ny ilana ireo fiarahamonim-pirenena ahitana ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa sy mpiaro ny zon’olombelona.

Fiarahamonim-pirenena Tsy mahavita miaro ny vahoaka akory

Hamaky ny tohiny...


Politique

Soamahamanina Hiverina ny Sinoa ?

15/12/2016

Nangingina tao anatin’ny fotoana elaela ny raharaha Soamahamanina. Nitsahatra aloha ny fitrandrahana taorian’ny fitokonana sy fifandonana maromaro nampifanditra ny vahoaka sy ny mpitandro ny filaminana.

Efa nogadraina sy nampidirina am-ponja ireo olona nitarika ny hetsi-bahoaka nanoherana ny fitrandrahana, izay voalaza fa tsy mitera-bokatsoa ho an’ny mponina sy ahiana hamotika zavatra maro. Efa navoaka ireo olona nogadraina fa i Augustin Andriamananoro izay voalaza ho namatsy ara-bola ny hetsi-panoherana tsy nahazoana alalana ary lazaina ho mikononkonona fanonganam-panjakana indray no nosamborina. Tsy hay ihany koa izay tena fahamarinany fa saika hifampiraharaha sy hitaky volabe tamin’ny Sinoa ny tenany, kanefa vola tokony ho any am-paosin’ny mpitondra izany ary izay no nahatezitra ny fanjakana.

Nialoha ny fivorian’ny frankofonia dia efa nisy ny vaovao heno fa hiverina ny Sinoa aorian’izay fa fitadiavana fitoniana teto amin’ny firenena noho ny nampiantranoantsika iny fihaonana iraisam-pirenena iny no nanatsaharana ny fitrandrahana. Tsy nisy rahateo ny fanambarana ofisialy nataon’ny fanjakana fa nesorina tanteraka teo am-pelatanan’ny orinasa Jixiang Mines ny fahazoan-dalana hitrandraka na dia nitaky izany aza ny mponin’i Soamahamanina. Tsy hay na misy hifandraisany amin’ny mety hamerenana ny Sinoa any an-toerana izao fisamborana an’i Augustin Andriamananoro izao na fifanandrifian-javatra ihany. Mivoaka mantsy ny vaovao fa izay mianakendry hitarika vahoaka hanohitra ny fitrandrahana dia hosamborina sy hogadraina avokoa. Ireo mpitarika ny hetsika izay efa avy nogadraina rahateo dia mbola miambozona sazy mihantona avokoa ka tsy afaka ny hitari-tolona na hitabataba.

Toky R.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana