Dans la même rubrique

Hetsiky ny MAGRO Amin’ny sabotsy ny fotoana

24/03/2017

Tsy azo ekena ny don-tandroka isaky ny mihetsika sy ny fampiesonana. Nifanarahana tany am-boalohany fa ajanona ny hetsiky ny zanak’i Dada ao amn’ny Magro Behoririka,

Hetsiky ny MAGRO Amin’ny sabotsy ny fotoana

Hamaky ny tohiny...

Hery Rajaonarimampianina Lany henatra tanteraka ?

24/03/2017

Mihantsy ady, miteniteny foana no anton-draharahan’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina amin’izao fotoana.

Hery Rajaonarimampianina Lany henatra tanteraka ?

Hamaky ny tohiny...

Minisitry ny atitany Tokony hosaziana, hoy i Doudou

24/03/2017

Tsy naneho hevitra elaela mikasika ny raharaham-pirenena noho ny tsy fahasalamana ny filohan’ny hetsika dinika ho fanavotam-pirenena (DFP), Tolojanahary Maharavo na i Doudou, raha ny fanazavana nomeny omaly teny amin’ny fonenany eny Ambohipo.

Minisitry ny atitany Tokony hosaziana, hoy i Doudou

Hamaky ny tohiny...

Antoko Tambatra “Mila ovaina ny lalàmpanorenana”

23/03/2017

Naneho ny heviny momba ny raharaham-pirenena ny antoko Tambatra, tarihin’i Pety Rakotoniaina.

Antoko Tambatra “Mila ovaina ny lalàmpanorenana”

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana Mitsoka ny rivo-pandresena

21/03/2017

Saika miresaka sy manaratsy an’i Marc Ravalomanana avokoa ireo haino aman-jery mpomba ny mpitondra sy ny mpanongam-panjakana tamin’ny taona 2009 amin’izao fotoana izao.

Marc Ravalomanana Mitsoka ny rivo-pandresena

Hamaky ny tohiny...

CUA sy sefom-pokontany Nampitovy tadin-dokanga

21/03/2017

Niteraka resabe teto an-drenivohitra ny tsy nahitana an’ireo mari-pamantarana ireo kaominina Antananarivo Renivohitra toy ny saina, fitomboka…

CUA sy sefom-pokontany Nampitovy tadin-dokanga

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana Manetsika ny “Diaspora Malagasy” any Eoropa

20/03/2017

Naseho voalohany tany Copenhague-Danemark ny sabotsy 18 martsa teo ilay horonantsary « Return of a president.. »,

Marc Ravalomanana Manetsika ny “Diaspora Malagasy” any Eoropa

Hamaky ny tohiny...


Politique

Randriamiarisoa Joseph “Tsy misy fanjakana eto”

11/01/2017

Mijanona ho resabe fotsiny ireo voambolana voizina momba ny fitantanana firenena eto Madagasikara.

Tsy mahagaga loatra izany satria tsy ao anatin’ny kolontsaina Malagasy ary tsy mahazatra azy ireo karazana fifampifehezana nalain-tahaka avy any ivelany ireo. Heno sy ventesina eny anivon’ny fiarahamonina Malagasy hatrany isan’andro tokoa ny demokrasia, ny fanjakana tsara tantana, ny tany tan-dalàna na koa ny maro an’isa parlemantera fa aotra kosa ny fanatanterahantsika azy ireny, hoy ny dokotera Randriamiarisoa Joseph. Mahita rahateo ity farany fa tsy voafehin’ny mpitondra nampindramin’ny vahoaka fahefana sy ny mpanao politika Malagasy amin’ny ankapobeny mihitsy ny fampiharana azy ireo eto amin’ny firenena. Vokany, tsy misy fanjakana eto Madagasikara satria tsy resy lahatra ary tsy manana finiavana amin’ny fametrahana izany ny mpitondra mahefa sy ireo andian’olona mikasa hitantana ny firenena. Miroborobo loatra rahateo ireo antoko politika ka ilaina ny fanavaozana ifotony ny fanaovana politika eto amin’ny firenena, hoy ny minisitry ny Tontolo iainana teo aloha.

Nangonin-dRamano F.


 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana