Dans la męme rubrique

Ravalomanana sy Rajoelina Nihaona tany Frantsa ?

18/01/2018

Asa na fifanandrifian-javatra fa samy tany Fratsa ny filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina ny herinandro lasa teo.

Ravalomanana sy Rajoelina Nihaona tany Frantsa ?

Hamaky ny tohiny...

Nahemotra ny fanadinam-panjakana Hihemotra koa ny fifidianana 2018…

18/01/2018

Sanganehana ny rehetra nandre ny vaovao amin’ny hanemorana ny fanadinam-panjakana eto amintsika amin’ity taom-pianarana ity. Raha ny tetiandro napetraka tany am-boalohany dia toy izao :

Nahemotra ny fanadinam-panjakana Hihemotra koa ny fifidianana 2018…

Hamaky ny tohiny...

Vazaha mpiray afera amin’ny HVM Vaky koa ny afera Ciro Visone

18/01/2018

Mivoaka ny resaka kimaizimaizina momba ny dian’ny delegasionina Malagasy notarihin’ny filoham-pirenena tany Italie ny volana oktobra 2017.

Vazaha mpiray afera amin’ny HVM Vaky koa ny afera Ciro Visone

Hamaky ny tohiny...

Filan-kevitry ny fampihavanana malagasy Tsy te hiresaka Ravalomanana

18/01/2018

Hidina ifotony izahay eto anivon’ny komisionin’ny fahamarinana sy famelana ary fifamelana (vérité, pardon et amnistie) ato anatin’ny filan-kevitry ny fampihavanana malagasy na CFM, hoy izy ireo tetsy amin’ny biraony etsy Ampefiloha.

Filan-kevitry ny fampihavanana malagasy Tsy te hiresaka Ravalomanana

Hamaky ny tohiny...

Tomban’ezaka momba ny lisi-pifidianana 9 500 000 no voasoratra anarana

18/01/2018

Nitarika fivoriana teny Mahazoarivo ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, Mahafaly Solonandrasana Olivier, mahakasika ny tomban’ezaka vita amin’ny fanatsarana ny lisi-pifidianana.

Tomban’ezaka momba ny lisi-pifidianana 9 500 000 no voasoratra anarana

Hamaky ny tohiny...

Fiarahamonim-pirenena Handrakotra ny biraom-pifidianana rehetra

18/01/2018

Tontosa omaly tetsy amin’ny foiben’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI etsy Nanisana ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa eo anivon’ity vaomiera ity sy ny fivondronan’ireo fiarahamonim-pirenena na ny Rohy.

Fiarahamonim-pirenena Handrakotra ny biraom-pifidianana rehetra

Hamaky ny tohiny...

Hery Rajaonarimampianina Inona marina no tena anton-diany tany amin’ny faritra Zafimaniry ?

18/01/2018

Manomboka mahalasa eritreritra ankehitriny ny antony marina nanosika ny filoha Hery Rajaonarimampianina hitsidika an’Ambohimitombo, renivohitry ny faritra Zafimaniry tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity. Nihaona mivantana tamin’ny vahoaka izy,

Hery Rajaonarimampianina Inona marina no tena anton-diany tany amin’ny faritra Zafimaniry ?

Hamaky ny tohiny...


Politique

Raharaha Claudine A&C Takon’ny fisamborana mpanohitra

15/12/2016

Somary nangingina, takona tanteraka mihitsy aza ny mikasika ilay raharaha kolikoly avo lenta naha voarohirohy ny mpandraharaha tompon’ny hotely goavambe A&C eny Ivato sady mpanolotsain’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina, Claudine Razaimamonjy.

Na dia efa nolazain’ny teo anivon’ny fitsarana fa niravona aza iny raharaha iny teo aloha kely teo dia tsikaritra fa mbola niteraka resabe teo anivon’ny fiarahamonina ihany taorian’izay ary nisy tamin’ireo fikambanana sy fiarahamonim-pirenena isan-karazany aza mbola nanameloka izay fomba nandravonana ilay raharaha vetivety teo. Ankehitriny, tsy hay na mety ho paikady ihany koa ezahana hanariana dia ny sain’ireo mpanara-baovao ny anton’ny famongarana indray ny fisamborana ireo milaza azy ho mpanohitra mivantana ny fitondrana, nanomboka tany amin’ny raharaha Lylison ka tonga aty amin’ny raharaha Augustin Andriamananoro, filoha lefitry ny vondrona Mapar sy raharaha Fernand Cello izay mpanao gazety izao.

Hanilihana ny mpifaninana matanjaka

Heverin’ireo mpanara-baovao ihany koa anefa fa mety fomba iray ihany koa izao fisamborana izao mba hanilihana ireo heverin’ny avy eo anivon’ny fitondrana fa mety mpifaninana matanjaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy ka dia anarana mandeha sahady ny an’ny filohan’ny antoko Malagasy miara-miainga, Hajo Andrianainarivelo, ny an’ny filohan’ny PNJ Mazava, Rabetsaroana Sylvain, ny filohan’ny mpanorina ny vondrona Mapar, Andry Rajoelina ary mety hiafara amin’ny filoha mpanorina ny antoko Tiako i Madagasikara, Marc Ravalomanana.

Mirija


 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana