Dans la męme rubrique

Praiminisitra Solonandrasana Efa manao izay hanesorana azy

18/08/2017

Fahafaham-baraka tsy roa aman-tany ho an’ny praiminisitra Mahafaly Solondrasana Olivier sy ny fanjakana Rajaonarimampianina manontolo ny nivoahan’ilay taratasy,

Praiminisitra Solonandrasana Efa manao izay hanesorana azy

Hamaky ny tohiny...

Madagasikara sy Aostralia Hiara-kiasa ny parlemanta

18/08/2017

Taorian’ny fifampiresahany tamin’ny filoham-pirenena dia nitsidika ara-pomba fifanajana ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, Jean Max Rakotomamonjy

Madagasikara sy Aostralia Hiara-kiasa ny parlemanta

Hamaky ny tohiny...

Fitsidihana ofisialy any Afrika Hitondra ny vady aman-janany ny praiminisitra

17/08/2017

Nahazo fanasana avy amin’ny filoha Afrikanina Tatsimo Jacob Zuma hiatrika ny fivoriana faha-37 ho an’ny firenena mpikambana eo anivon’ny SADC hatao ny 19-20 aogositra any Afrika Atsimo ny fanjakana Malagasy.

Fitsidihana ofisialy any Afrika Hitondra ny vady aman-janany ny praiminisitra

Hamaky ny tohiny...

Sakantsakana amin’ny fifidianana 2018 Tsy azo ekena, hoy ny Amerikanina

17/08/2017

Nihaona tamin’ny Praiminisitra Mahafaly Solondrasana Olivier teny Mahazoarivo ny Delegasionina mafonja avy amin’ny kongresy Amerikanina omaly.

Sakantsakana amin’ny fifidianana 2018 Tsy azo ekena, hoy ny Amerikanina

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary Miahiahy azy ny HVM

17/08/2017

Resaka efa nandeha ny hirotsahan’i Paul Rabary, minisitry ny fanabeazam-pirenena ho kandida filoham-pirenena amin’ny taona 2018, fa nodisoiny.

Paul Rabary Miahiahy azy ny HVM

Hamaky ny tohiny...

Lisi-pifidianana Ezahana ho mangarahara, hoy ny CENI

17/08/2017

Efa eny anivon’ireo biraom-pokontany manerana ny nosy avokoa amin’izao fotoana ny lisi-pifidianana, raha ny fanazavan’ny filohan’ny vaomiera mahaleotena momba ny fifidianana na ny CENI, omaly, tetsy amin’ny foibeny Alarobia.

Lisi-pifidianana Ezahana ho mangarahara, hoy ny CENI

Hamaky ny tohiny...

May ny endim-boanjon’ny HVM Raikitra ny fizarazaran-javatra

17/08/2017

Manetsiketsika izay rehetra azo hetsehina hahafahana manakona ny tsy mety natao tao anatin’ny 4 taona latsaka kely ny mpitondra HVM amin’izao fotoana izao.

May ny endim-boanjon’ny HVM Raikitra ny fizarazaran-javatra

Hamaky ny tohiny...


Politique

Raha tsy nahongana Ravalomanana Tsy toy izao intsony ny fiainan’ny Gasy

25/11/2016

Ny ankamaroan’ny Malagasy dia samy milaza avokoa fa tsy toy izao isika raha tsy nanaovana ankasomparana i Marc Ravalomanana.

Nilamina sy nirindra ny fiainam-pirenena fony izy teo amin’ny toerany ary efa tena niarin-doha ny harinkarena teto Madagasikara. Nipetrapetraka ny programam-pampandrosoana tamin’ny alalan’ny Madagasikara am-perinasa (MAP), politika natao hanatonana bebe kokoa ny olom-pirenena eny ifotony, hahafahan’izy ireo mandray andraikitra sy mandray an-tanana ny fampandrosoana. Tsy dia nisy ny elanelana teo amin’ny mpitondra sy ny entina fa voafehiny tokoa ny haitarika, izay nezahina napariaka tany amin’ireo olom-panjakana teny ifotony toy ny ben’ny tanàna sy ny sefom-pokontany nahazo fiofanana sy nihaona matetika tamin’ny filoha. Hafa tokoa ny fomba fiasa sy ny fomba fiaina nananany izay tsy nanaiky lembenana tamin’ny fananararaotana nataon’ireo vahiny nitetika hanambaka ny Malagasy. Nijoro sy tsy nanaiky lembenana izy, ka naharomotra ireo mpijirika sy mpanao ampihimamba. Noketrehina ny fandrodanana azy, niafara tamin’izao fahapotehin’ny firenena mandrak’ankehitriny izao. Hainy kosa anefa ny mandresy lahatra ny rehetra mba tsy hisian’ny tombo sy ala ka nisian’ny fahatokisan’ny vahiny azy bebe kokoa, ka mbola hakan’ ny vondrona iraisam-pirenena ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ankehitriny. Tsy mba toy izay politika nampihariny kosa no misy ankehitriny. Tsy misy drafi-pampandrosoana mazava sy maty paika, tsy mba mahay mifandray amin’ny antanantohatra rehetra eto amin’ny firenena, manaiky lembenana sy baikon’ny vahiny amin’izay tian-katao. Mpitondra tsy manana hazondamosina sisa no misy eto, ka tsy atao mahagaga raha izao no niafaran’ny firenena taorian’ny nialan’i Marc Ravalomanana teo amin’ny fitondrana. Tsapan’ny maro ankehitriny fa raha tsy nanaovana antsojay i Marc Ravalomanana dia ho toy izao mihitsy ny fiainan’ny Malagasy.

Toky R.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana