Dans la męme rubrique

Governemanta Minisitra maromaro miozongozona

17/11/2017

Mananontanona indray ny fanovana governemanta. Ny volana desambra izao no mety hanatanterahana azy io raha ny loharanom-baovao iray akaiky ny fitondrana.

Governemanta Minisitra maromaro miozongozona

Hamaky ny tohiny...

Firaisamonim-pirenena Ataovy mazava ny lalĂ m-pifidianana

17/11/2017

Zava-dehibe ny firosoana amin’ny fifidianana saingy tsy zavatra hatatao fahatany ohatr’izao fa tsy maintsy mitaky zavatra betsaka, ary hajaina ny lalàmpanorenana, hoy ny Firaisamonim-pirenena tamin’ny alalan-dRandriamihavana.

Firaisamonim-pirenena Ataovy mazava ny lalĂ m-pifidianana

Hamaky ny tohiny...

Antoko TIM - Ambohimanarina Nitrotro am-bavaka ireo asa ho tanterahina

17/11/2017

Fanompoam-pivavahana ho fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra ary fametrahana ny asa rehetra tanterahina eny amin’ny Vohitr’Ambohimanarina Boriborintany faha-6 na an-tsaha na an-tanàna notarihan’ny mpitandrina Rabemanana Tojo no nisantarana an’ireo hetsika 5 ho tanterahan’ny TIM

Antoko TIM - Ambohimanarina Nitrotro am-bavaka ireo asa ho tanterahina

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana 2018 Tsy tokony hijabahan’ny fanjakana

17/11/2017

Mamboatra ny kajy politikany ny HVM ankehitriny ary anisan’ireny ny fifehezana ny andrim-panjakana.

Fifidianana 2018 Tsy tokony hijabahan’ny fanjakana

Hamaky ny tohiny...

Ben’ny tanàna ambanivohitra Mivondrona hifanohana sy hitaky ny zony feno

17/11/2017

Betsaka ireo tsindry hazo lena mihatra amin’ ireo ben’ny tanàna eny anivon’ny kaominina ambanivohitra amin’izao.

Ben’ny tanàna ambanivohitra Mivondrona hifanohana sy hitaky ny zony feno

Hamaky ny tohiny...

Fanavaozana ny lisi-pifidianana Hatao izay hahatomombana azy, hoy ny CENI

16/11/2017

Roa herinandro tsy hahatongavan’ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fanavaozana ny lisi-pifidianana (RALE),

Fanavaozana ny lisi-pifidianana Hatao izay hahatomombana azy, hoy ny CENI

Hamaky ny tohiny...

Fiarahamonim-pirenena Tsy mahavita miaro ny vahoaka akory

16/11/2017

Anarana fotsiny fa tsy mahovoka akory rehefa tena misy ny ilana ireo fiarahamonim-pirenena ahitana ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa sy mpiaro ny zon’olombelona.

Fiarahamonim-pirenena Tsy mahavita miaro ny vahoaka akory

Hamaky ny tohiny...


Politique

Nivadi-panekena ny fitondrana Mety ho votsotra ilay volabe 10,2 miliara…

15/12/2016

Fepetra voalohany napetraky ny mpamatsy vola nandritra ny fikaonan-dohan’izy ireo sy ny mpitondra Malagasy tany Paris ny 1-2 desambra lasa teo ny tsy maintsy hametrahana ny fitoniana politika eto Madagasikara.

 Takiana ihany koa ny fangaraharahana sy ny fahalalahan’ny fifidianana, ka tsy hisian’ilay sakantsakana hatao amin’ireo te hirotsaka, izay fantatra amin’ny teny vahiny hoe “ni……ni….”. Hain’ny mpitondra Malagasy tsara ny nisolelaka sy nampandry adrisa tamin’ny filazana fa milamina sy mirindra ny fiainana ara-politika eto Madagasikara. Vokany, nanaiky ny hampindrana volabe mitentina 6,4 miliara dolara ny mpamatsy vola ary nilaza ny fahavononany hampiasa volabe 3,7 miliara dolara ireo orinasa matanjaka. Tsy nierina akory anefa ny volana dia ny fanjakana indray no mihantsy ady amin’ny alalan’ny fisamborana sy fanagadrana ireo mpanao politika tsy mitovy hevitra aminy, izay porofo mivaingana fa tsy misy akory ny fitoniana politika eto. Kotrehina ihany koa ny lalàna isan-karazany hamotehana sy hisakanana ireo kandida atahoran’ny mpitondra amin’ny fifidianana filoham-pirenena, toy ny lalàna mifehy ny fampihavanam-pirenena nolaniana maimaika teny amin’ny antenimieram-pirenena, mifono fanilihana fa tsy fampihavanana. Mbola kotrehina ihany koa ny fanaganana ilay fitsarana manokana momba ny heloka ara-ketra sy ara-toekarena teo anelanelan’ny taona 2002-2013, mba hanenjehana manokana ireo mpandraharaha sady mpanao politika atahorana amin’ny fifidianana toa an’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina. Tsy misy voahaja ny fepetra takiana izay midika fa mety hizotra amin’ny tsy fanomezan’ny mpamatsy vola ireo volabe nampanantenainy. Efa mandeha ihany koa ny resaka fa takian’ny mpamatsy vola ny tsy hitsabatsabahan’ny vadin’ny filoha amin’ny fitantanana ny firenena sy ny fanilihana ireo tandapa maro malaza amin’ny kolikoly kanefa tsy mbola tanteraka.

Toky R.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana