Dans la même rubrique

Masoivoho Frantsay sy Amerikanina Horoahina fa manelingelina ?

27/04/2017

Mihalalina ny hantsana manasaraka ny fanjakana HVM amin’ny Frantsay sy ny Amerikanina. Niaraha-nahita ny fihetsik’ireto firenen-dehibe 2 ireto tamin’ny alalan’ireo masoivoho 2 dia i Véronique Vouland-Aneini sy Robert Yamate,

Masoivoho Frantsay sy Amerikanina Horoahina fa manelingelina ?

Hamaky ny tohiny...

Paolo Emilio Raholinarivo Nanatsikafona ny aferan’ny mpitondra fanjakana

27/04/2017

Ela ny ela fa misy olona tonga saina ihany ao anatin’ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina. Lohalaharana amin’izany Ingahy Paolo Emilio Raholinarivo Solonavalona, mpanolotsain’ny praiminisitra Solonandrasana Olivier.

Paolo Emilio Raholinarivo Nanatsikafona ny aferan’ny mpitondra fanjakana

Hamaky ny tohiny...

Rajaonarimampianina any Antsiranana Raikitra indray ny fitokanana zava-bita

27/04/2017

Tontosaina anio 27 aprily any Antsiranana ny dinika politika iarahan’ny Vondrona Iraisam-pirenena sy ny fanjakana Malagasy, ka omaly dia efa tonga any an-toerana ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina,

Rajaonarimampianina any Antsiranana Raikitra indray ny fitokanana zava-bita

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana Mbola matanjaka any SAVA

27/04/2017

Ny tany Antalaha faritra SAVA omaly no tena nahavory olona maro indrindra tamin’ny fitsidiham-paritra rehetra nataony tamin’ity taona ity i Marc Ravalomanana.

Marc Ravalomanana Mbola matanjaka any SAVA

Hamaky ny tohiny...

Fitsipaham-pitokisana ny governemanta Raikitra sahady ny fizarana malety ?

27/04/2017

Tsy tonga eny amin’ny antenimieram-pirenena akory ny resaka fitsipaham-pitokisana, dia efa mandeha sahady ny hevi-petsy hisakanana azy tsy ho tanteraka.

Fitsipaham-pitokisana ny governemanta Raikitra sahady ny fizarana malety ?

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Claudine Razaimamonjy Aoka halalaka ny fitsarana, hoy ny Amerikanina

26/04/2017

Antenaina fa ho salama tsara Rtoa Claudine Razaimamonjy ary hitohy araka ny tokony ho izy sy araka ny lalàna velona eto Madagasikara ny fanadihadiana momba ny raharaha mahakasika azy ,

Raharaha Claudine Razaimamonjy Aoka halalaka ny fitsarana, hoy ny Amerikanina

Hamaky ny tohiny...

Fametrahana ny demokrasia Nofanina ny vehivavy

26/04/2017

Vehivavy dimampolo mitarika sy mitantana orinasa na fikambanana eto amin’ny firenena no nomen’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana ny fampandrosoana (PNUD) fiofanana ahafahana mametraka tany mandry fahalemana sy hanjakan’ny demokrasia tetsy amin’ny Ibis Ankorondrano omaly.

Fametrahana ny demokrasia Nofanina ny vehivavy

Hamaky ny tohiny...


Politique

Nampidirina ny fahazoana “4X4” Holaniana anio ny tetibolam-panjakana 2017

24/11/2016

Nampidirin'ny solombavambahoaka ao anatin'ny volavolan-dalàna momba ny tetibolam-panjakana 2017 ny fahazoan'izy ireo fiara tsy mataho-dalana.

 Raha tsiahivina, toa nampiteraka ady mangatsiaka teo amin’ny minisitry ny vola sy ny tetibola Gérvais Rakotoarimanana sy ny solombavambahoaka maro ity resaka ity, ary efa nisy ny resaka nivoaka tany am-piandohana fa mitaky ny fialan’io minisitra io ny depiote noho ny tsy fanomezana fiara azy ireo. Anio no holaniana eo anivon’ny fivoriambe io volavolan-dalàna io, raha ny fandaharam-potoana nofaritana omaly. Mbola adihevitra tsy mety tapitra eto amin’ny firenena ity fitakiana fiara ity. Toy ireo mpiasam-panjakana ambony, izay mahazo fiara hoenti-miasa dia zon’izy ireo ny mahazo izany, raha ny fanazavan’ny ankamaroan’ireo depiote. Ho an’ny depiote avy any Moramanga, Randriamahefa Henri Charles, ohatra, dia nambarany fa ilaina tokoa io fiara io hanatanterahana ny asa. Sarotra ny fitsidihana ireo vahoaka noho ireo tanàna sasany izay lavitra sy mbola misy ratsy lalana ka mety hahazo tsiny amin’ny vahoaka sy hiteraka alahelo, ary mety ho raisin’izy ireo ho tsy firarahiana azy ny tsy fahafahan’ny olom-boafidy midina eny ifotony noho ny tsy fisian’ny fitaovana hahafahan’izy ireo mivezivezy, hoy ity olom-boafidy ity. Ny olana eto amintsika anefa dia tsy misy ny sehatra mpanara-maso hoe mahavita ny asany an-tsakany sy an-davany tokoa ve ireny olom-boafidy ireny sa dia faly ny higoka sy hisitraka tombontsoa maro fotsiny, kanefa ny vahoakany efa tena difotry ny fahantrana tsy misy mpiraharaha ? Tokony hisy ihany ny sivana sy ny fanaraha-maso mba tsy ho vola natao fafy katrana ny tombontsoa omena azy ireny fa hisy fiantraikany amin’ny sosialy.

Toky R.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana