Dans la męme rubrique

Ravalomanana sy Rajoelina Nihaona tany Frantsa ?

18/01/2018

Asa na fifanandrifian-javatra fa samy tany Fratsa ny filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina ny herinandro lasa teo.

Ravalomanana sy Rajoelina Nihaona tany Frantsa ?

Hamaky ny tohiny...

Nahemotra ny fanadinam-panjakana Hihemotra koa ny fifidianana 2018…

18/01/2018

Sanganehana ny rehetra nandre ny vaovao amin’ny hanemorana ny fanadinam-panjakana eto amintsika amin’ity taom-pianarana ity. Raha ny tetiandro napetraka tany am-boalohany dia toy izao :

Nahemotra ny fanadinam-panjakana Hihemotra koa ny fifidianana 2018…

Hamaky ny tohiny...

Vazaha mpiray afera amin’ny HVM Vaky koa ny afera Ciro Visone

18/01/2018

Mivoaka ny resaka kimaizimaizina momba ny dian’ny delegasionina Malagasy notarihin’ny filoham-pirenena tany Italie ny volana oktobra 2017.

Vazaha mpiray afera amin’ny HVM Vaky koa ny afera Ciro Visone

Hamaky ny tohiny...

Filan-kevitry ny fampihavanana malagasy Tsy te hiresaka Ravalomanana

18/01/2018

Hidina ifotony izahay eto anivon’ny komisionin’ny fahamarinana sy famelana ary fifamelana (vérité, pardon et amnistie) ato anatin’ny filan-kevitry ny fampihavanana malagasy na CFM, hoy izy ireo tetsy amin’ny biraony etsy Ampefiloha.

Filan-kevitry ny fampihavanana malagasy Tsy te hiresaka Ravalomanana

Hamaky ny tohiny...

Tomban’ezaka momba ny lisi-pifidianana 9 500 000 no voasoratra anarana

18/01/2018

Nitarika fivoriana teny Mahazoarivo ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, Mahafaly Solonandrasana Olivier, mahakasika ny tomban’ezaka vita amin’ny fanatsarana ny lisi-pifidianana.

Tomban’ezaka momba ny lisi-pifidianana 9 500 000 no voasoratra anarana

Hamaky ny tohiny...

Fiarahamonim-pirenena Handrakotra ny biraom-pifidianana rehetra

18/01/2018

Tontosa omaly tetsy amin’ny foiben’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI etsy Nanisana ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa eo anivon’ity vaomiera ity sy ny fivondronan’ireo fiarahamonim-pirenena na ny Rohy.

Fiarahamonim-pirenena Handrakotra ny biraom-pifidianana rehetra

Hamaky ny tohiny...

Hery Rajaonarimampianina Inona marina no tena anton-diany tany amin’ny faritra Zafimaniry ?

18/01/2018

Manomboka mahalasa eritreritra ankehitriny ny antony marina nanosika ny filoha Hery Rajaonarimampianina hitsidika an’Ambohimitombo, renivohitry ny faritra Zafimaniry tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity. Nihaona mivantana tamin’ny vahoaka izy,

Hery Rajaonarimampianina Inona marina no tena anton-diany tany amin’ny faritra Zafimaniry ?

Hamaky ny tohiny...


Politique

Mpanao politika Malagasy Mila fiovan-toetra goavana

24/05/2017

Mila ezaka sy finiavana goavana ny fanovana ny fanaovana politika eto Madagasikara. Ny toetry ny mpanao politika mihitsy no manimba ny politika ary namotika ny firenena.

Toa lasa fitadiavam-bola sy fangoronan-karena ary fomba haingana hanaparam-pahefana ny fanaovana politika sy fiakarana eo amin’ny fitondrana. Nisy akony ratsy ary tena nangidy ho an’i Madagasikara ireo krizy nifandimby teto. Firenena mahantra indrindra eto ambonin’ny tany i Madagasikara kanefa tany anisan’ny manana harena ankibon’ny tany sy an-dranomasina betsaka indrindra. Tsy maintsy misy ny fianarana ataon’ireo mpanao politika, misy ny fanovana ny fomba fisainana, zava-dehibe ny fananana toetra manorina fa tsy mandrodana lava noho ny fialonana. Ezaka hahatongavana amin’izany no anton’ny fihaonana etsy amin’ny Hotel Carlton izay atrikasa andiany faha-3 miompana amin’ny famolavolana vinam-piarahamonina sy fandaharanasa politika ho fampanjakana ny demokrasia milamina sy tsy manavaka ity tohanan’ny programan’ny Firenena mikambana momba ny fampandrosoana ity. Miainga amin’ny tetiandro fampandrosoana hatramin’ny taona 2030 mivoy ireo singa fototra miisa 5 na «5P» antoky ny fampandrosoana maharitra tsy mialonjafy moa io fifanakalozana sy adihevitr’ireo mpanao politika io dia ny izao tontolo izao, ny fiaraha-miombon’antoka, ny filaminana, ny fampivoarana ary ny mponina. Mitaky fanaovana politika vaovao mifantoka sy manome vahana tanteraka ny vahoaka ny fampandrosoana maharitra, hoy ny solontena lefitry ny Pnud monina eto Madagasikara Marie Dimond. Anisan’ny antoko tazana nahatonga solontena eny an-toerana ny HVM, TIM, MAPAR, MMM, PSD…ary tsapa fa nafana ny adihevitra omaly. Ho mora kokoa ho an’ny vahoaka ny maneho am-pahendrena ny safidiny rehefa mazava ny fandaharanasa sy ny vina avy amin’ireo antoko politika. Resaka iray mbola mila dinihana lalina koa anefa ilay fanomezana zavatra kely ho fanambazana ny mpifidy…angamba satria lasa izay mahatolotolotra no mahazo tombony. Tsy mbola vita ny fampihavanam-pirenena eto ary tena mila tanterahana mialoha ny fifidianana mba hampisinda ny ahiahy.


RTT sy Ramano F

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana