Dans la m麥e rubrique

Andry Rajoelina sy Ny Rado Rafalimanana Kandidan地y Arabo amin地y 2018?

16/01/2017

Samy manomana ny paikadiny amin地y fifidianana filoham-pirenena ho avy ireo kandida sy vondrona na antoko mikendry ny hitantana an段 Madagasikara aorina kely.

Andry Rajoelina sy Ny Rado Rafalimanana Kandidan地y Arabo amin地y 2018?

Hamaky ny tohiny...

Diplaomasia Malagasy Hankalaza ny faha-100 taonany

16/01/2017

Noho izao fahatrarana ny taona vaovao 2017 izao, dia tonga niarahaba ny filoha Hery Rajaonarimampianina teny amin地y lapam-panjakana Iavoloha ny avy amin地y Vondro 鼎EDS, notarihin地y

Diplaomasia Malagasy Hankalaza ny faha-100 taonany

Hamaky ny tohiny...

Fitokanana ny kianjan地y demokrasia Ho tsarovana rahampitso

16/01/2017

Ny zoma teo no tafapetraka teo anivon地y fiadidiana ny kaominin但ntananarivo Renivohitra etsy amin地y lapan地y tan瀟a Analakely ny taratasy fangatahana fahazoan-dalana voalohany hanatanteraka fotoam-pahatsiarovana ny nametrahana ny kianjan地y demokrasia eo Ambohijatovo ny talata ho avy izao manomboka amin地y 10 ora ka hatramin地y 11 ora.

Fitokanana ny kianjan地y demokrasia Ho tsarovana rahampitso

Hamaky ny tohiny...

MAPAR II sy VPM Manohana an-dRajaonarimampianina

16/01/2017

Tonga niarahaba an段 Hery Rajaonarimampianina teny Iavoloha ny Vondrona politika roa eo anivon地y Antenimieram-pirenena ny sabotsy lasa teo.

MAPAR II sy VPM Manohana an-dRajaonarimampianina

Hamaky ny tohiny...

Ranjivason Jean Th駮dore ォ Fotoana hitenenana izao. サ

16/01/2017

Nandritra iny taon-dasa iny dia tsy nandrenesam-peo firy ny minisitra teo aloha, Ranjivason Jean Th駮dore, izay ao amin地y antoko Matsilo saingy saika nahitana azy kosa ny ankamaroan地y fivorian段reo vondrona politika izay nilaza azy ho tsy manaiky intsony ny zava-misy ankehitriny.

Ranjivason Jean Th駮dore ォ Fotoana hitenenana izao. サ

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana any Etazonia Nihaona tamin地y Banky Iraisam-pirenena

16/01/2017

Mbola tena atokisan地y mpiara-miasa sy ireo mpamatsy vola i Marc Ravalomanana ary mazoto hatrany izy ireo ny hiara-kiasa aminy.

Marc Ravalomanana any Etazonia Nihaona tamin地y Banky Iraisam-pirenena

Hamaky ny tohiny...

Filoha Tiorka ho avy eto Madagasikara Tsy tena mazava ny anton-diany

13/01/2017

Ny sabotsy 21 janoary izao, raha tsy miova ny fandaharam-potoana, no higadona eny amin地y seranam-piaramanidina Ivato ny filoham-pirenen段 Tiorkia, Recep Tayyip Erdogan. Hiaraka amina mpandraharaha manodidina ny 300 isa izy,

Filoha Tiorka ho avy eto Madagasikara Tsy tena mazava ny anton-diany

Hamaky ny tohiny...


Politique

Marc Ravalomanana Vonona amin段zay hitranga

28/12/2016

Ity taona 2016 ity no nitetezan地y filoha mpanorina ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), Marc Ravalomanana faritra betsaka indrindra hatramin段zay niverenany indray teto an-tanindrazana ny volana oktobra taona 2014.


 Nanamarika ireo fitsidihana nataony ny fahitana hatrany ny fankafizan’ireo vahoaka manerana ny Nosy azy. Nisisika hiaraka haka sary aminy ny olona tamin’ireo toerana nolalovany, indrindra ny tanora. Taorian’ny fitsidihana nataony tany ampitan-dranomasina ka nanatrehany ny fivorian’ireo aziatika mpiara-miasa amin’ny Asian Infrastructure Investment Bank (AIIB), fikambanambe ao Azia ao dia ny fijerena ireo tanora nitady asa teny Ankorondrano indray no nisantarany ny fiverenany ny volana mey 2016. Fivoahana ny renivohitra nataony voalohany kosa anefa ny fijerena ny zava-nisy tao Fianarantsoa. Taorian’ny fitsidihany an’i Toliara ny volana jona ihany izy no mba niato kely saingy ny volana aogositra mandra-pahatonga ny volana novambra teo kosa dia tena nitohivakana indray ny fitetezam-paritr’ity mpanolotsaina manokan’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo sady kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy ity. Faritra maro no voatety tao anatin’ny efa-bolana toa an’Ambondromamy, Mahajanga, ny tany amin’ny faritr’i Sofia, Antsirabe, Maroantsetra, Mananara Avaratra, Toamasina, Brickaville, Vatomandry, Anjozorobe, Sambava. Tsy mipetrapetra-poana, araka izany, ity mpanao politika ity fa efa mijery ny zava-misy, mihaino ny fitarainan’ny vahoaka ary matetika dia namaha olana avy hatrany sahady mba hahafahana mametraka paikady hanavotana ny firenena. Fa nanamarika ny asany tamin’ity taona 2016 ity koa ny fihodinan’ny orinasa Tiko AAA sy ny fisokafan’ny tranombarotra AAA Magro mivarotra ny vokany eo Behoririka sy Tanjombato ary ny fanomezany lanja ny vita malagasy, iasany miaraka amin’ireo mpandraharaha eto an-toerana. Teo amin’ny sehatry ny finoana, dia i Marc Ravalomanana no voafidy ho filohan’ny komitin’ny jobily faha-50 taonan’ny FJKM sy ny faha-200 taona ny nidiran'ny Filazantsara teto Madagasikara araka ny tapaka nandritra ny Synaoda lehibe FJKM faha-18 natao tao Antsirabe ny volana septambra 2016. Teo amin’ny lafiny politika dia ny nanaovany fanambarana fa ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy izy, ary miandry ny daty ofisialy hanatanterahana izany. Nikoropaka ny mpitondra ankehitriny taorian’io fanambarany io sy manoloana ny fitetezam-paritra ataon’i Marc Ravalomanana ary koa mahita ny olona maro be hatrany mirohotra mitsena sy mifampiresaka aminy amin’izay toerana alehany, ka mihazakazaka mitety faritra ihany koa mamoron-javatra hisehoana vahoaka na tsy dia maveza-danja aza.

Mirija


 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana