Dans la męme rubrique

Ravalomanana sy Rajoelina Nihaona tany Frantsa ?

18/01/2018

Asa na fifanandrifian-javatra fa samy tany Fratsa ny filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina ny herinandro lasa teo.

Ravalomanana sy Rajoelina Nihaona tany Frantsa ?

Hamaky ny tohiny...

Nahemotra ny fanadinam-panjakana Hihemotra koa ny fifidianana 2018…

18/01/2018

Sanganehana ny rehetra nandre ny vaovao amin’ny hanemorana ny fanadinam-panjakana eto amintsika amin’ity taom-pianarana ity. Raha ny tetiandro napetraka tany am-boalohany dia toy izao :

Nahemotra ny fanadinam-panjakana Hihemotra koa ny fifidianana 2018…

Hamaky ny tohiny...

Vazaha mpiray afera amin’ny HVM Vaky koa ny afera Ciro Visone

18/01/2018

Mivoaka ny resaka kimaizimaizina momba ny dian’ny delegasionina Malagasy notarihin’ny filoham-pirenena tany Italie ny volana oktobra 2017.

Vazaha mpiray afera amin’ny HVM Vaky koa ny afera Ciro Visone

Hamaky ny tohiny...

Filan-kevitry ny fampihavanana malagasy Tsy te hiresaka Ravalomanana

18/01/2018

Hidina ifotony izahay eto anivon’ny komisionin’ny fahamarinana sy famelana ary fifamelana (vérité, pardon et amnistie) ato anatin’ny filan-kevitry ny fampihavanana malagasy na CFM, hoy izy ireo tetsy amin’ny biraony etsy Ampefiloha.

Filan-kevitry ny fampihavanana malagasy Tsy te hiresaka Ravalomanana

Hamaky ny tohiny...

Tomban’ezaka momba ny lisi-pifidianana 9 500 000 no voasoratra anarana

18/01/2018

Nitarika fivoriana teny Mahazoarivo ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, Mahafaly Solonandrasana Olivier, mahakasika ny tomban’ezaka vita amin’ny fanatsarana ny lisi-pifidianana.

Tomban’ezaka momba ny lisi-pifidianana 9 500 000 no voasoratra anarana

Hamaky ny tohiny...

Fiarahamonim-pirenena Handrakotra ny biraom-pifidianana rehetra

18/01/2018

Tontosa omaly tetsy amin’ny foiben’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI etsy Nanisana ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa eo anivon’ity vaomiera ity sy ny fivondronan’ireo fiarahamonim-pirenena na ny Rohy.

Fiarahamonim-pirenena Handrakotra ny biraom-pifidianana rehetra

Hamaky ny tohiny...

Hery Rajaonarimampianina Inona marina no tena anton-diany tany amin’ny faritra Zafimaniry ?

18/01/2018

Manomboka mahalasa eritreritra ankehitriny ny antony marina nanosika ny filoha Hery Rajaonarimampianina hitsidika an’Ambohimitombo, renivohitry ny faritra Zafimaniry tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity. Nihaona mivantana tamin’ny vahoaka izy,

Hery Rajaonarimampianina Inona marina no tena anton-diany tany amin’ny faritra Zafimaniry ?

Hamaky ny tohiny...


Politique

Marc Ravalomanana Namantsipantsika ny fitondrana

24/05/2017

Tena hampihatra marina ny demokrasia eto Madagasikara isika. Manana olona isika sady manana tanora, hoy i Marc Ravalomanana nandritra ny dinika politika nokarakarain’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana momba ny fampandrosoana (PNUD) ary fiaraha-miasa aminy teny amin’ny Hotely Carlton omaly.

 

 Nabaribariny kosa ny fitavozavozan’ny fanjakana ankehitriny, ka nilazany fa ireo solontenan-dry zareo avy amin’ny fitondrana dia olona afaka mamaly sy miteny mazava ny zava-misy hisian’ny demokrasia. Resaka be fotsiny ny hoe fipetrahan’ny demokrasia, ka izay no ilana ny dinika politika, hoy ny filoha teo aloha. Tsy nisalasala izy naneho ny heviny mikasika ny fihetsiky ny mpitondra ankehitriny izay tsikaritra fa tsy vonon-kihavana. Nambarany fa misakana ny fifampiresahana tsy hisy ny fitondrana satria tsy mety miresaka fa mandany andro amin’ny fotoana tokony hiasana. Ny zavatra hitako dia tahotra sy tsy fahasahiana miseho sy miteny rehefa hiresaka sy hifanatrika no antony mahatonga ny fitondrana hanao izany. Naneho an-kolaka momba ny tsy fahaizan’ny mpitondra ankehitriny, izay tsy mahalala ny tokony hataony amin’ny fitantanana ny firenena, ka mbola mitsapatsapa sy tsy mahavaha ny olan’ny vahoaka mandrak’ankehitriny kanefa efa 3 taona nitondrana i Marc Ravalomanana. Raha halalinina ny fanehoan-keviny dia tsy ampy traikefa ny fanjakana Rajaonarimampianina, ka tsara kokoa ho azy aloha ny miverina mianatra fa tsy milingilingy mitondra fanjakana, kanefa izao no nafitsony. Tsy hoe tsy manana fahavononana ny mpitondra fa ny politika dia tsy tongatonga ho azy fa mila ianarana satria izay ny maha siansa azy, hoy izy. Ilaina fantarina miainga any ifotony, any amin’ny kaominina sy ny vahoaka, ary mila mahalala tsara ny zava-misy. Mahay ny famahana olana ary mahavita sy manana fomba sy ny hoenti-manana manatontosa izany, hoy hatrany i Marc Ravalomanana.

 

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana