Dans la même rubrique

Hetsiky ny MAGRO Amin’ny sabotsy ny fotoana

24/03/2017

Tsy azo ekena ny don-tandroka isaky ny mihetsika sy ny fampiesonana. Nifanarahana tany am-boalohany fa ajanona ny hetsiky ny zanak’i Dada ao amn’ny Magro Behoririka,

Hetsiky ny MAGRO Amin’ny sabotsy ny fotoana

Hamaky ny tohiny...

Hery Rajaonarimampianina Lany henatra tanteraka ?

24/03/2017

Mihantsy ady, miteniteny foana no anton-draharahan’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina amin’izao fotoana.

Hery Rajaonarimampianina Lany henatra tanteraka ?

Hamaky ny tohiny...

Minisitry ny atitany Tokony hosaziana, hoy i Doudou

24/03/2017

Tsy naneho hevitra elaela mikasika ny raharaham-pirenena noho ny tsy fahasalamana ny filohan’ny hetsika dinika ho fanavotam-pirenena (DFP), Tolojanahary Maharavo na i Doudou, raha ny fanazavana nomeny omaly teny amin’ny fonenany eny Ambohipo.

Minisitry ny atitany Tokony hosaziana, hoy i Doudou

Hamaky ny tohiny...

Antoko Tambatra “Mila ovaina ny lalàmpanorenana”

23/03/2017

Naneho ny heviny momba ny raharaham-pirenena ny antoko Tambatra, tarihin’i Pety Rakotoniaina.

Antoko Tambatra “Mila ovaina ny lalàmpanorenana”

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana Mitsoka ny rivo-pandresena

21/03/2017

Saika miresaka sy manaratsy an’i Marc Ravalomanana avokoa ireo haino aman-jery mpomba ny mpitondra sy ny mpanongam-panjakana tamin’ny taona 2009 amin’izao fotoana izao.

Marc Ravalomanana Mitsoka ny rivo-pandresena

Hamaky ny tohiny...

CUA sy sefom-pokontany Nampitovy tadin-dokanga

21/03/2017

Niteraka resabe teto an-drenivohitra ny tsy nahitana an’ireo mari-pamantarana ireo kaominina Antananarivo Renivohitra toy ny saina, fitomboka…

CUA sy sefom-pokontany Nampitovy tadin-dokanga

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana Manetsika ny “Diaspora Malagasy” any Eoropa

20/03/2017

Naseho voalohany tany Copenhague-Danemark ny sabotsy 18 martsa teo ilay horonantsary « Return of a president.. »,

Marc Ravalomanana Manetsika ny “Diaspora Malagasy” any Eoropa

Hamaky ny tohiny...


Politique

Marc Ravalomanana Mihetsiketsika any Alaotra Mangoro

14/11/2016

Nitohy tany Alaotra Mangoro ny fanetsehana ny mpikambana sy fanavaozana ny biraom-paritry ny antoko Tiako i Madagasikara, taorian’ny kongresy nasionaly tamin’ny mey 2015, ka nandraisan’Atoa Marc Ravalomanana ny fitantanana ny antoko.

Tany Amparafaravola izy omaly nametraka ny filohan'ny mpitantana ny Tiako i Madagasikara ao amin'ny Faritra Alaotra Mangoro mifehy ny Distrika efatra, dia Ambatondrazaka, Amparafaravola, Andilamena ary Moramanga. Ramanotronarison Charles Emile no lany tamin’izany, hiasa sy handray andraikitra avy hatrany amin’ny fanetsehana ny mpikambana ifotony, hiatrika ny fifidianana isan’ambaratonga indrindra ny fifidianana filoham-pirenena ho avy. Nanatrika ny faha-20 taonan’ny Synodam-paritany Alaotra Chrome ihany koa Atoa Marc Ravalomanana nandritra ity diany tany Amparafaravola omaly ity, nanentana ny mpino Fjkm ny tenany fa zava-dehibe ny tsangam-bato hanamarihana ny faha-50 taonan’ny Fjkm dia ny fananganana fotodrafitrasa maoderna eny amin’ny Kolejy Teolojika Ivato, asa vitaina ato anatin’ny 22 volana. Izy moa, tsiahivina ihany, no filohan’ny komity jobily faha-50 taonan’ny FJKM. Tsy adinon’i Dada ny nihaona sy nifampiresaka tamin’ireo olona sendra azy teny an-dalana teny, tahaka ny tao Andaingo Gara ohatra. Na tsy nisy aza ny fiomanana sy fampilazana mialoha dia vory marobe tampoka ny olona vantany vao nandre fa mandalo ao an-tanàna Ravalomanana. Na ireo ankizy aza dia efa mahay tsianjery io anarana io ary samy te hahita sy handray tanana an’i Dada. Ireo olon-dehibe moa dia afaka niresaka kely sy nifanakalo hevitra taminy ary samy nahatsapa fa tena mbola hafa ihany i Dada, mora mifandray sy mifankahazo amin’ny vahoaka.


Jean D.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana