Dans la męme rubrique

Ravalomanana sy Rajoelina Nihaona tany Frantsa ?

18/01/2018

Asa na fifanandrifian-javatra fa samy tany Fratsa ny filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina ny herinandro lasa teo.

Ravalomanana sy Rajoelina Nihaona tany Frantsa ?

Hamaky ny tohiny...

Nahemotra ny fanadinam-panjakana Hihemotra koa ny fifidianana 2018…

18/01/2018

Sanganehana ny rehetra nandre ny vaovao amin’ny hanemorana ny fanadinam-panjakana eto amintsika amin’ity taom-pianarana ity. Raha ny tetiandro napetraka tany am-boalohany dia toy izao :

Nahemotra ny fanadinam-panjakana Hihemotra koa ny fifidianana 2018…

Hamaky ny tohiny...

Vazaha mpiray afera amin’ny HVM Vaky koa ny afera Ciro Visone

18/01/2018

Mivoaka ny resaka kimaizimaizina momba ny dian’ny delegasionina Malagasy notarihin’ny filoham-pirenena tany Italie ny volana oktobra 2017.

Vazaha mpiray afera amin’ny HVM Vaky koa ny afera Ciro Visone

Hamaky ny tohiny...

Filan-kevitry ny fampihavanana malagasy Tsy te hiresaka Ravalomanana

18/01/2018

Hidina ifotony izahay eto anivon’ny komisionin’ny fahamarinana sy famelana ary fifamelana (vérité, pardon et amnistie) ato anatin’ny filan-kevitry ny fampihavanana malagasy na CFM, hoy izy ireo tetsy amin’ny biraony etsy Ampefiloha.

Filan-kevitry ny fampihavanana malagasy Tsy te hiresaka Ravalomanana

Hamaky ny tohiny...

Tomban’ezaka momba ny lisi-pifidianana 9 500 000 no voasoratra anarana

18/01/2018

Nitarika fivoriana teny Mahazoarivo ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, Mahafaly Solonandrasana Olivier, mahakasika ny tomban’ezaka vita amin’ny fanatsarana ny lisi-pifidianana.

Tomban’ezaka momba ny lisi-pifidianana 9 500 000 no voasoratra anarana

Hamaky ny tohiny...

Fiarahamonim-pirenena Handrakotra ny biraom-pifidianana rehetra

18/01/2018

Tontosa omaly tetsy amin’ny foiben’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI etsy Nanisana ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa eo anivon’ity vaomiera ity sy ny fivondronan’ireo fiarahamonim-pirenena na ny Rohy.

Fiarahamonim-pirenena Handrakotra ny biraom-pifidianana rehetra

Hamaky ny tohiny...

Hery Rajaonarimampianina Inona marina no tena anton-diany tany amin’ny faritra Zafimaniry ?

18/01/2018

Manomboka mahalasa eritreritra ankehitriny ny antony marina nanosika ny filoha Hery Rajaonarimampianina hitsidika an’Ambohimitombo, renivohitry ny faritra Zafimaniry tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity. Nihaona mivantana tamin’ny vahoaka izy,

Hery Rajaonarimampianina Inona marina no tena anton-diany tany amin’ny faritra Zafimaniry ?

Hamaky ny tohiny...


Politique

Kajikajin’ny mpanjanaka Kandida 3 hahintsana amin’ny 2018 ?

09/12/2016

Antomotra ny 2018 hanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena eto amintsika. Misy ireo efa nanambara ny firotsahany ary ao ihany koa no efa miomana fatratra na tsy mbola naneho ampahibemaso aza. Misy koa anefa ireo miketrika mangina.

 

 Samy manana ny kajiny sy ny paikadiny ny rehetra ary tokony halalaka ny firotsahana. Na ny vondrona iraisam-pirenena aza mivoy izany. Tsy arakarak’izay anefa ny zava-misy fa misy ny olona miketrika mangina any ambadika any ary voalaza fa misy vondrona sy firenena tsy mikendry afa tsy ny higoka ny harena eto amin’ny firenena manosika azy. Mbola sarotra ho azy ireny anefa ny handresy ka voizina hatrany ny fanilihana ireo efa hita fa manana ny herijika toa an’i Marc Ravalomanana, Andry Rajoelina, Hery Rajaonarimampianina. Ezahina haparitaka ny foto-kevitra hoe mila olom-baovao ny firenena ka tsy tokony hirotsaka ireo olona ireo sy ny hafa mitovitovy aminy. Paikadin’ny mpanjanaka anefa no tena tian-kapetraka ao anatin’io resaka sy foto-kevitra voizina io satria io olona ambara ho olom-baovao io no sokajiana amin’ilay hoe soavaly vaovao, ka mora baikoina sy azo fehezina tsara hahafahana mitazona ny tombontsoan’ny mpanjanaka eto amin’ny firenena. Ho mora amin’ny mpanjanaka avy eo ny manao izay danin’ny kibony amin’ny fangoronan-karena eto Madagasikara. Ho sarotra mantsy ny hifehy ireo efa teo izay efa somary mafy loha sy atahorana hitrifana sy hivadika na dia misy ihany aza no efa hita taratra fa manana fironana any amin’ny firenena efa malaza ho mpangoron-karena eto. Etsy an-daniny, vao afak’omaly i Marc Ravalomanana no nanambara fa daty sisa andrasany ary efa mandeha ny fifampiresahany amin’ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny firotsahany. Mitohy ny fifampidinihana amin’ny vahoaka izay miandry fotsiny sisa satria iaraha-mahita ny fiandrandran’ny Malagasy azy, ka hipoka olona avokoa izay toerana lalovany. Dia sanatria ve ho anisan’ny niharan’ny antsojay vokatry ny fiarovana ny tombontsoan’ny mpanjanaka ihany koa ny tenany ? Niaraha-nahita fa tsy manaiky lembenana amin’ny fambotriana tanindrazana ataon’ny vahiny ny tenany, ka izany no namotehana azy.

Toky R.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana