Dans la męme rubrique

Governemanta Minisitra maromaro miozongozona

17/11/2017

Mananontanona indray ny fanovana governemanta. Ny volana desambra izao no mety hanatanterahana azy io raha ny loharanom-baovao iray akaiky ny fitondrana.

Governemanta Minisitra maromaro miozongozona

Hamaky ny tohiny...

Firaisamonim-pirenena Ataovy mazava ny lalĂ m-pifidianana

17/11/2017

Zava-dehibe ny firosoana amin’ny fifidianana saingy tsy zavatra hatatao fahatany ohatr’izao fa tsy maintsy mitaky zavatra betsaka, ary hajaina ny lalàmpanorenana, hoy ny Firaisamonim-pirenena tamin’ny alalan-dRandriamihavana.

Firaisamonim-pirenena Ataovy mazava ny lalĂ m-pifidianana

Hamaky ny tohiny...

Antoko TIM - Ambohimanarina Nitrotro am-bavaka ireo asa ho tanterahina

17/11/2017

Fanompoam-pivavahana ho fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra ary fametrahana ny asa rehetra tanterahina eny amin’ny Vohitr’Ambohimanarina Boriborintany faha-6 na an-tsaha na an-tanàna notarihan’ny mpitandrina Rabemanana Tojo no nisantarana an’ireo hetsika 5 ho tanterahan’ny TIM

Antoko TIM - Ambohimanarina Nitrotro am-bavaka ireo asa ho tanterahina

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana 2018 Tsy tokony hijabahan’ny fanjakana

17/11/2017

Mamboatra ny kajy politikany ny HVM ankehitriny ary anisan’ireny ny fifehezana ny andrim-panjakana.

Fifidianana 2018 Tsy tokony hijabahan’ny fanjakana

Hamaky ny tohiny...

Ben’ny tanàna ambanivohitra Mivondrona hifanohana sy hitaky ny zony feno

17/11/2017

Betsaka ireo tsindry hazo lena mihatra amin’ ireo ben’ny tanàna eny anivon’ny kaominina ambanivohitra amin’izao.

Ben’ny tanàna ambanivohitra Mivondrona hifanohana sy hitaky ny zony feno

Hamaky ny tohiny...

Fanavaozana ny lisi-pifidianana Hatao izay hahatomombana azy, hoy ny CENI

16/11/2017

Roa herinandro tsy hahatongavan’ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fanavaozana ny lisi-pifidianana (RALE),

Fanavaozana ny lisi-pifidianana Hatao izay hahatomombana azy, hoy ny CENI

Hamaky ny tohiny...

Fiarahamonim-pirenena Tsy mahavita miaro ny vahoaka akory

16/11/2017

Anarana fotsiny fa tsy mahovoka akory rehefa tena misy ny ilana ireo fiarahamonim-pirenena ahitana ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa sy mpiaro ny zon’olombelona.

Fiarahamonim-pirenena Tsy mahavita miaro ny vahoaka akory

Hamaky ny tohiny...


Politique

Jean Nirina -filohan’ny HAFARI Navoaka hitsabo tena ivelan'ny fonja

21/12/2016

Navoaka hitsabo tena ivelan'ny fonja ny filoha nasionalin'y fikambanana HAFARI Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina, taorian'ny baikon'ny lehiben'ny fampanoavana etsy amin'ny Fitsarana Anosy

. Taorian'ny fizahana nataon'ny dokotera ao amin'ny hôpitaly Befelatanana ka nahitan'ny  lehiben'ny mpitsabo eny anivon'ny fonja ny fihomboan'ny aretiny no antony nandraisana izany fanapahan-kevitra izany. Naiditra hôpitaly ety ivelany araka izany ny tenany ka ireo mpikambana ao amin'ny HAFARI avokoa no hiantoka ny lany rehetra amin'izany. Ankoatra ity filoha nasionalin'ny HAFARI Malagasy ity dia fantatra fa betsaka amin'ireo voafonja ao Antanimora no mila fanaraha-maso akaiky ety ivelany ny toe-pahasalamany. Efa tena tsy ampy mantsy ireo karazam-panafody tonga eny amin'ny fonja ankoatra ny fahateren'ny foto-drafitrasa izay efa  tena tsy mifanaraka amin'ny filàn'ny voafonja tsirairay intsony. Vavaka andro aman'alina araka izany no hasetrin'ireo voafonja izany mba hanomezan'ny filoham-pirenena azy ireo famotsoran-keloka faobe amin'izao ankatoky ny fetin'ny Krismasy sy ny faran'ny taona izao, indrindra fa ireo gadrabe. Raha araka ny fantatra hatrany mantsy dia tsy mba nisitraka izany mihitsy ireto farany hatramin'izay. Hangatahin'izy ireo ihany koa  ny hanomezana alalana ny voafonja mba hiasa ety ivelany ho an'ny voatsara ny fanomezana fahafahana arahina fepetra ho an'ireo voafonja nahaefa ny an-tsasaky ny saziny izay marihina fa làlana velona misy eto amin'ny firenena.

Pati

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana