Dans la męme rubrique

Pierrot Rajaonarivelo Miantso fitoniana

23/06/2017

Nanohana ny filoha Rajaonarimampianina hatrany ny MDM (Mouvement pour la Démocratie à Madagascar) nanomboka ny fihodinana faharoan’ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny 2013

Pierrot Rajaonarivelo Miantso fitoniana

Hamaky ny tohiny...

Dada sy Neny Vonona hanarina firenena

23/06/2017

Hankalaza ny faha-15 taonany ny antoko TIM ny 8 jolay ho avy izao. Mialoha ny hanaovana izany sy hanamarihana ny fetim-pirenena dia niatrika ny fivorian’ny fikambanan’ny Ben’ny tanàna miteny amin’ny ampahany na manontolo

Dada sy Neny Vonona hanarina firenena

Hamaky ny tohiny...

Force de changement Hamory vahoaka anio

23/06/2017

Nanao antso avo tamin’ny alalan’ny ireo tanora mpikambana ao aminy tetsy amin’ny foiben’ny antoko AKFM etsy Andravoahangy ho an’ny vahoaka malagasy omaly ny vovonana politika Force de changement taorian’ireo fivoriana samihafa natao hanomanana ilay fihetseham-bahoaka

Force de changement Hamory vahoaka anio

Hamaky ny tohiny...

Fanjakana sy ny sendikan’ny mpitsara Tsy mbola milamina

23/06/2017

Hiitatra any andafin’ny riaka ny akon’ny fitakian’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara (SMM) noho ny teritery isan-karazany ataon’ny manampahefana amin’ny asan’ny mpitsara Malagasy.

Fanjakana sy ny sendikan’ny mpitsara Tsy mbola milamina

Hamaky ny tohiny...

Depiote Randrianarisoa Stanislas Nanampy ny Lycée St Etienne Ambanidia

23/06/2017

Ao anatin’ny fanamarihan’ny lisea tsy miankina Md Etienne etsy Ambanidia ny faha-55 taona niorenany, 1962-2017,

Depiote Randrianarisoa Stanislas Nanampy ny Lycée St Etienne Ambanidia

Hamaky ny tohiny...

Hery Rajaonarimampianina Hampiesona any Imerintsiatosika indray ?

22/06/2017

Manaitra ny mponina ny fiomankomanana any Imerintsiatosika efa ho andro vitsivitsy izao.

Hery Rajaonarimampianina Hampiesona any Imerintsiatosika indray ?

Hamaky ny tohiny...

Faneva Raholdina Fieken-keloka sy Famelan-keloka vao fampihavanana

22/06/2017

Nandamoka ny fampihavanana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina nokasaina hotanterahina,

Faneva Raholdina Fieken-keloka sy Famelan-keloka vao fampihavanana

Hamaky ny tohiny...


Politique

Hery Rajaonarimampianina Misy manajabaka

19/12/2016

Ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fety tanteraka isika amin’izao fotoana izao, saingy mitady hafampana ny rivotra politika.

Mbola mitana ny sain’ny maro ny raharaha Augustin Andriamananoro izay nampidirina am-ponja vonjimaika ary hiakatra fitsarana rahapitso. Raha ny lojika politika dia ny fitondrana no tokony handamina sy handranto fihavanana amin’ireo ambara ho mpanohitra, saingy tsy izay no misy. Tsy azo lavina fa misy tokoa ny mpanohitra eto amin’ny firenena saingy ny iaraha-mahita aloha dia tsy manana herijika hahavita hanongana na hampiozongozona ny fitondrana amin’ny toerany akory aza izany. Toa nangina aza izy ireo satria izay natao rehetra tsy dia nahomby avokoa. Nandeha ny resaka fitarihana vahoaka hidina an-dalambe saingy nitsefotra. Nisy ny fivoriana tamina toerana voafefy kanefa tsy sarotra tamin’ny fitondrana ny nandrava izany. Nanomboka teo dia tsy dia hita intsony izay tena paikadin’ny mpanohitra afa tsy ny fanehoan-kevitra amin’ny alalan’ny haino aman-jery. Tetsy an-kilany, hita ho ny mpitondra indray no manao fihetsika mahery vaika ao anatin’ny fotoana tokony hisian’ny fitoniana. Mahagaga ny finiavana avy any amin’ny filoham-pirenena izay tompon’ny teny farany ny haneho hery sy hihantsy indray ny mpanohitra. Toa efa kajikajin’ny samy mpitondra no misy, ka kendrena izay hampijabaka ny filoham-pirenena hanaotao foana sy hanangam-pahavalo andro aman’alina mba hahafahana misongona azy aoriana. Efa maro amin’ireo manodidina azy rahateo no voalaza fa te hisongona ny filoha amin’ny lafiny rehetra toy ny fifidianana ho avy, ka manomana hevi-petsy hamotehana azy tsikelikely.

Toky R.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana