Dans la même rubrique

Hetsiky ny MAGRO Horavan’ny Emmo reg ?

28/03/2017

Nivoitra nandritra ny fanambaran’ny mpitandro ny filaminana avy amin’ny CIRGN Analamanga, ny Emmo reg, ary ny prefektiora omaly fa voarara ny mivorivory sy manao fidinana an-dalambe mandritra ny fanamarihana ny 29 martsa.

Hetsiky ny MAGRO Horavan’ny Emmo reg ?

Hamaky ny tohiny...

TIM Atsimo Andrefana Manamafy fa tsy maintsy 1 er tour dia lany Ravalomanana

28/03/2017

Nambaran’ny mpandrina ny REG TIM any Atsimo Andrefana, Atoa Sazalahy Tsianihy, fa manamafy ny tsy maintsy hahatanteraka ny 1 er Tour dia vita ny fifidianana hahalany ny prezidà Ravalomanana

TIM Atsimo Andrefana Manamafy fa tsy maintsy 1 er tour dia lany Ravalomanana

Hamaky ny tohiny...

CUA- Région Ile-De France Mafonja ny fiaraha-miasa

28/03/2017

Noraisin'ny Ben'ny tanàna Lalao Ravalomanana tao amin'ny Lapan'ny tanàna Analakely ny talen’ny fiaraha-miasa Iraisam-pirenena sy ny fizahantany eo anivon'ny Région Ile-De France, Eric Fajole omaly tolakandro.

CUA- Région Ile-De France Mafonja ny fiaraha-miasa

Hamaky ny tohiny...

Fanamarihana ny 29 martsa 2017 Vonona ny TIM

28/03/2017

Tsy avelan’ny Tiako I Madagasikara handalo fotsiny ny tsingerin-taona faha-70 nisian’ny tolom-panafahana tamin’ny 29 martsa 1947.

Fanamarihana ny 29 martsa 2017 Vonona ny TIM

Hamaky ny tohiny...

Toekarena sy fandraharahana Maka toerana ny Sinoa

28/03/2017

Naharitra iray ora ny fihaonan’ny filoha Sinoa Xi Jinping sy ny filoha Malagasy Hery Rajaonarimampianina tao amin’ny Lapan’ny vahoaka tao Beijing omaly.

Toekarena sy fandraharahana Maka toerana ny Sinoa

Hamaky ny tohiny...

FITSINJARAM-PAHEFANA TENA IZY Mbola maro ireo kaominina tsy misitraka azy

28/03/2017

Mbola betsaka amin’ireo kaominina eto amintsika no tsy misitraka akory ny fitsinjaram-pahefana tena izy.

FITSINJARAM-PAHEFANA TENA IZY Mbola maro ireo kaominina tsy misitraka azy

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana tany Frantsa Nahaliana tokoa ny « Diaspora Malagasy »

27/03/2017

Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fihaonan’i Marc Ravalomanana tamin’ireo Malagasy monina sy miasa any Frantsa. Tao Paris renivohitra sy tany Toulouse no nanaovana ny fihaonana ary tonga maro be hatrany ireo Malagasy nanatrika.

Marc Ravalomanana tany Frantsa Nahaliana tokoa ny « Diaspora Malagasy »

Hamaky ny tohiny...


Politique

François Hollande Niaiky ny heloky ny Frantsay tamin’ny 1947

28/11/2016

Nandritra ny fanaterany fehezam-boninkazo teny amin’ny anjely mainty eo afovoan’ny farihin’Anosy ho fahatsiarovana ireo Malagasy maty niady ho an’i Frantsa no naneken’ny filoha Frantsay François Hollande fa tena namono sy nandripaka ny Malagasy ny Frantsay tamin’ny 1947.

Rehefa nitsoka ny rivotry ny fitakiana fahaleovantena taorian’ny ady lehibe faharoa sy taorian’ny nandraisan’ny Malagasy anjara tamin’ny ady tany ivelany teo anilan’i Frantsa dia nihetsika ny nosy iray manontolo ka nitolona ho amin’ny fahaleovantena, hoy i François Hollande. Henjana ny nanakanan’i Frantsa izany. Miondrika manoloana ireo olona an’arivony maty  sy nenjehina ary nosamborina noho ny foto-kevitra nijoroan’izy ireo aho, hoy hatrany ny filoha Frantsay. Tsy niala tsiny kosa anefa izy na dia niaiky io famonoan’olona nataon’ny Frantsay teto Madagasikara io aza.

RTT

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana