Dans la męme rubrique

Andron’ny Parlemantera tetsy Anosikely Nikorontana tanteraka

15/12/2017

Samy manana ny fomba fiheviny sy fiasany tokoa ireo olom-boafidy sy olom-boatendry eto amintsika. Raha nanatanteraka ny « Journée des Parlemantaires » tetsy amin’ny Lapan’Anosikely omaly alakamisy 14 desambra ireo senatera sy solombavambahoakan’i Madagasikara manatanteraka ny fivoriana ara-potoanany avy ankehitriny ka nandinika niaraka ny lohahevitra

Andron’ny Parlemantera tetsy Anosikely Nikorontana tanteraka

Hamaky ny tohiny...

Fitondrana HVM Te hifehy mafy ny serasera

14/12/2017

Mazava tsara ny tenin’ny minisitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana Harry Laurent Rahajason omaly fa ny fitsarana no hanapa-kevitra farany momba ny

Fitondrana HVM Te hifehy mafy ny serasera

Hamaky ny tohiny...

AREMA –Fifidianana 2018 I Deba ihany no ho kandida ?

14/12/2017

Tao anatin’ny lanonana tsotra dia tsotra famaranana ny taom-piasana ho an’ny taona 2017 notarihan’ny sekretera nasionaliny,

AREMA –Fifidianana 2018 I Deba ihany no ho kandida ?

Hamaky ny tohiny...

Solonandrasana sy Jean Max R Manahiran-tsaina ny filoham-pirenena

14/12/2017

Raikitra ny fifanolanana sy ny fifandrahonana any an-dapa amin’izao fotoana. Antony ny fikatsahan’ny HVM handamina ny kajy politikany amin’ny alalan’ny fanoloana tompon’andraikitra ambony eto amin’ny firenena.

Solonandrasana sy Jean Max R Manahiran-tsaina ny filoham-pirenena

Hamaky ny tohiny...

Kandidà ben’ny tanàna lasa mpanolotsaina Manakorontana fotsiny

14/12/2017

Tonga saina tampoka ve sa tena efa nisaina ela izany tokoa ny praiminisitra sady minisitry ny atitany,

Kandidà ben’ny tanàna lasa mpanolotsaina Manakorontana fotsiny

Hamaky ny tohiny...

Fanambin-dRavalomanana “Hiasa avo 10 heny noho ny efa vitako aho”

13/12/2017

Tsy mila resabe isika fa mila asa, hoy ny filoham-pirenena teo aloha no sady filohan’ny antoko Tiako i Madagasikara, Marc Ravalomanana omaly raha nandray fitenenana nandritry ny fankalazana ny faha 68 taona nahaterahany tetsy amin’ny Magro Tanjombato.

Fanambin-dRavalomanana “Hiasa avo 10 heny noho ny efa vitako aho”

Hamaky ny tohiny...

Kabarin’i Marc Ravalomanana teny amin’ny Magro Tanjombato Hoy izy ireo :

13/12/2017

Rakotomandimby Jean Pierre (Ben’ny tanànan’i Soanindrariny Antsirabe II) “Tena ilain’ny firenena ireny tenin’ny filoha Ravalomanana rehetra teo ireny ary hombako manana ny fitsipika tokony hitondrana ny firenena ka iainana miainga avy any ambony mipaka aty amin’ny vahoaka.

Kabarin’i Marc Ravalomanana teny amin’ny Magro Tanjombato Hoy izy ireo :

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fivorian’ny Frankôfônia Miaramila 7000 no ahetsika

17/11/2016

Efa hitovy amin’ireny tany miady ireny ny eto Antananarivo mandritra ny herinandro hisian’ny fivorian’ny OIF.

 

Ho hentitra tanteraka ny fitandroana ny filaminana. Mahatratra 4,4 miliara ariary ny tetibolan’ny fitandroana ny filaminana mandritra ny fihaonana an-tampony faha-16 an’ny Frankofonia atao eto Antananarivo. Mpitandro ny filaminana 7 000 no hohetsehina. Avy ao amin’ny EMMOFAR Antananarivo ny 4 000 ary nohafarana avy any amin’ny faritra ny ambiny. Fiara mifono vy 30 no havoaka hipetraka amina toerana maro samihafa eto Antananarivo sy ny manodidina. Ho hentitra dia hentitra ny fitandroana ny filaminana ary tsy tokony hisy hampiahiahy na hanaovana resaka be fa efa fanao n’aiza n’aiza maneran-tany mandritra ny fivoriana iraisam-pirenena izany, hoy ny jeneraly Florens Rakotomahanina omaly raha nitafa tamin’ny mpanao gazety izy. Miara-mientana ny tafika, ny zandarimariam-pirenena sy ny polisim-pirenena ary efa tsara ambina ihany koa amin’izao fotoana ireo toerana hisian’ny fivoriana na fampirantiana na fampisehoana sy ny mety hipetrahan’ny vahiny mandritra io fivoriana io, hoy hatrany ny fanazavan’ny jeneraly Florens. Tokony hanaraka an-tsakany sy an-davany ny toromariky ny mpitandro ny filaminana ny rehetra ary tsy maintsy hisy ny fiovana na fanembantsembanana amin’ny fiainana andavanandro satria maro be ny fepetra tsy maintsy raisina eo amin’ny fifamoivoizana. Tsy antitra be izany fa mbola mahavita azy tsara ireo fitaovana eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana, hoy hatrany ity manamboninahitra jeneraly ity. Tsy tokony hampiahiahy ihany koa fa efa tsara lamina ny any amin’ny faritany ny amin’ny fitandroana ny filaminana sao misy mihevitra hoe lasa aty Antananarivo daholo ny zandary sy miaramila ka hanararaotra eo, hoy izy.


Nangonin’i RTT

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana