Dans la même rubrique

Augustin Andriamananoro Tsy re feo intsony

20/02/2017

Ny 27 desambra 2016 teo no nivoaka ny fonjan'Antanimora rehefa notanana 17 andro tao ny filoha lefitry ny vondrona Mapar Augustin Andriamananoro. Tsy re feo intsony izy nanomboka teo.

Augustin Andriamananoro Tsy re feo intsony

Hamaky ny tohiny...

COMTIM Ivato Tratran’ny antsojay tamin’ny ora farany

20/02/2017

Nifamotoana teny Ilaivola ny sabotsy 18 febroary 2017 teo ireo mpikambana Tiako I Madagasikara ao anatin’ny kaominina ambanivohitra Ivato.

COMTIM Ivato Tratran’ny antsojay tamin’ny ora farany

Hamaky ny tohiny...

Ady anatin’ny HVM Mamono afo i Rivo Rakotovao

20/02/2017

Niezaka nandiso ny resaka momba ny ady an-tranon’ny antoko HVM ny filoha nasionaliny Rivo Rakotovao ny faran’ny herinandro teo.

Ady anatin’ny HVM Mamono afo i Rivo Rakotovao

Hamaky ny tohiny...

Ravalo sy Rajoelina Hopotehin’ny HVM ?

18/02/2017

Tsy nitohy intsony ny resaka momba ny fampihavanam-pirenena, izay mbola misy endrika fanilihana ny hafa sy fanomezana tombondahiny ny mpitondra am-perinasa,

Ravalo sy Rajoelina Hopotehin’ny HVM ?

Hamaky ny tohiny...

Toavina Ralambomahay “Miandry izay higadonany sisa isika»

18/02/2017

Samy manao izay tiany atao avokoa ny vazaha sy ny mpanao politika rehetra amin’izao fotoana izao, hoy ny mpandinika politika, Toavina Ralambomahay.

Toavina Ralambomahay “Miandry izay higadonany sisa isika»

Hamaky ny tohiny...

Mpandinika ny raharaham-pirenena Miantso fifampidinihana

18/02/2017

Azo lazaina ho manao resaky ny moana sy ny marenina ihany amin’izao fotoana izao ny mpitondra sy ny mpanohitra ary samy toy ny manao antso an’efitra ihany.

Mpandinika ny raharaham-pirenena Miantso fifampidinihana

Hamaky ny tohiny...

« Légaliste de Madagascar » Manaja ny fifandimbiasam-pahefana ara-demokratika

18/02/2017

Mitana ny foto-kevitra nijoroany sy nahafantarana azy hatramin’izay ny fikambanana « Légaliste de Madagascar » tarihin-dRalainirina Marcel

« Légaliste de Madagascar » Manaja ny fifandimbiasam-pahefana ara-demokratika

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fitsaram-bahoaka Naneho ny heviny ny filoham-pirenena

08/11/2016

Naneho ny heviny tany Vohipeno, omaly, taorian’ny fitsaram-bahoaka nifanesisesy tamina faritra maro teto amin’ny nosy ny filoha Hery Rajaonarimampianina.

Amin’ny maha raiamandreny sy amin’ny maha Malagasy ahy no ahatongavako aty Vohipeno, hoy izy. Mila mitandrina isika mba tsy horebireben’ny asa fanakorontanana, hoy ny filoha. Aoka isika tsy hiroboka amin’ny famonoan’olona sy ny famotehana ny fananana iombonana. Manohitra mafy ny fitsaram-bahoaka sady manameloka izany ny filoham-pirenena. Izay vao nandrenesam-peo ofisialy ny mpitantana ny firenena taorian’ny fitsaram-bahoaka efa nahafatesana olona maromaro. Anisan’ny distrika faran’ny mahantra indrindra eto Madagasikara i Vohipeno. Nampanantena ny filoham-pirenena fa hotohizana ny ezaka ho fanampiana ny mponina any an-toerana tahaka ny fanorenana toeram-pitsaboana sy ny fametrahana fotodrafitrasa hanamora ny asa famokarana. Omaly moa no nizarana ny vatsin’ankohonana sy Ndao hianatra tany an-toerana. Tetikasa tohanan’ny Unicef sy ny Banky Iraisam-pirenena izy ireo mba hanampiana ireo tena mahantra fadiranovana, indrindra fa ny renim-pianakaviana sy ny ankizy. Ny renim-pianakaviana no mandray ny vatsin’ankohonana ka isaky ny roa volana ny fizarana azy ary manodidina ny 20 000 ka hatramin’ny 40 000 Ar no vola azo amin’izany. Distrika 6 nosokajiana ho tena sahirana indrindra eto Madagasikara no voakasiky ny tetikasa ka tokantrano 39 000 no mahazo tombontsoa mivantana aminy. Tohana ara-bola ho an’ny ankizy mpianatra 2 isaky ny fianakaviana sahirana kosa ny Ndao Hianatra. 10 000 ka hatramin’ny 20 000 Ar no azon’ny ankizy tsirairay avy amin’izany.


Nangonin’i RTT

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana