Dans la męme rubrique

Governemanta Minisitra maromaro miozongozona

17/11/2017

Mananontanona indray ny fanovana governemanta. Ny volana desambra izao no mety hanatanterahana azy io raha ny loharanom-baovao iray akaiky ny fitondrana.

Governemanta Minisitra maromaro miozongozona

Hamaky ny tohiny...

Firaisamonim-pirenena Ataovy mazava ny lalĂ m-pifidianana

17/11/2017

Zava-dehibe ny firosoana amin’ny fifidianana saingy tsy zavatra hatatao fahatany ohatr’izao fa tsy maintsy mitaky zavatra betsaka, ary hajaina ny lalàmpanorenana, hoy ny Firaisamonim-pirenena tamin’ny alalan-dRandriamihavana.

Firaisamonim-pirenena Ataovy mazava ny lalĂ m-pifidianana

Hamaky ny tohiny...

Antoko TIM - Ambohimanarina Nitrotro am-bavaka ireo asa ho tanterahina

17/11/2017

Fanompoam-pivavahana ho fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra ary fametrahana ny asa rehetra tanterahina eny amin’ny Vohitr’Ambohimanarina Boriborintany faha-6 na an-tsaha na an-tanàna notarihan’ny mpitandrina Rabemanana Tojo no nisantarana an’ireo hetsika 5 ho tanterahan’ny TIM

Antoko TIM - Ambohimanarina Nitrotro am-bavaka ireo asa ho tanterahina

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana 2018 Tsy tokony hijabahan’ny fanjakana

17/11/2017

Mamboatra ny kajy politikany ny HVM ankehitriny ary anisan’ireny ny fifehezana ny andrim-panjakana.

Fifidianana 2018 Tsy tokony hijabahan’ny fanjakana

Hamaky ny tohiny...

Ben’ny tanàna ambanivohitra Mivondrona hifanohana sy hitaky ny zony feno

17/11/2017

Betsaka ireo tsindry hazo lena mihatra amin’ ireo ben’ny tanàna eny anivon’ny kaominina ambanivohitra amin’izao.

Ben’ny tanàna ambanivohitra Mivondrona hifanohana sy hitaky ny zony feno

Hamaky ny tohiny...

Fanavaozana ny lisi-pifidianana Hatao izay hahatomombana azy, hoy ny CENI

16/11/2017

Roa herinandro tsy hahatongavan’ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fanavaozana ny lisi-pifidianana (RALE),

Fanavaozana ny lisi-pifidianana Hatao izay hahatomombana azy, hoy ny CENI

Hamaky ny tohiny...

Fiarahamonim-pirenena Tsy mahavita miaro ny vahoaka akory

16/11/2017

Anarana fotsiny fa tsy mahovoka akory rehefa tena misy ny ilana ireo fiarahamonim-pirenena ahitana ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa sy mpiaro ny zon’olombelona.

Fiarahamonim-pirenena Tsy mahavita miaro ny vahoaka akory

Hamaky ny tohiny...


Politique

Firaisankinan’ny Sendika (SSM) Namaly bontana ny mpisolovava

06/05/2017

Nampiaka-peo ny avy amin’ny Firaisankinan’ny Sendika eto Madagasikara (SSM) omaly manoloana ny fanehoan-kevitry ny Holafitry ny mpisolovava,

tamin’ny alalan’ny maître Hubert Raharison fa raharahan’olon-tokana, dia ny raharaha Claudine Razaimamonjy ihany no sahanin’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara (SMM). Tsy miombon-kevitra eo anatrehan’ny fanambaran’ny holafitry ny mpisolovava izahay, hoy i Dr Raymond Rakotonihasy sekretera jeneralin’ny SSM. Nambarany fa efa be dia be ny fandraisan’andraikitra nataon’ny SMM, indrindra ny fijoroana tamin’ireny fanaterana ny mpiasan’ny Air Madagascar izay voaroaka tamin’ny tsy ara-dalàna ireny. Aoka izay ny fanaovana mizana tsindrian’ila fa ny olom-pirenena dia mitovy eo anatrehan’ny lalàna sy ny lalàmpanorenana manoloana ny tsy fampiharana didim-pitsarana, izay fandikan-dalàna. Manoloana ny raharaha Claudine Razaimamonjy tamin’ny filazana fa zavatra efa nisy hatry ny ela ny resaka fandefasana hotsaboina any ivelany (EVASAN), dia tena gaga izahay satria vao mainka aza izany manamafy sy mampitombina ny fandraisan’andraikitry SSM, hoy i Dr Raymond Rakotonihasy. Nametra-panontaniana izy fa raha ny hevitry ny mpisolovava izany dia tokony hitohy foana ny hoe efa nahazatra sy niainana teto fa rehefa misy olona ambony sy manam-bola ary akaiky ny mpitondra mandika lalàna dia avelao handeha fa aza misy mandray andraikitra ? Ny fampidirana ny resa-politika, dia nilaza izy ireo fa ny fiarovana ny zon’ny mpiasa sy ny fanaovana ny tany tan-dalàna dia resaka politika mihitsy, ka aoka tsy hanaiky holemen-tsaina, hoy i Dr Raymond Rakotonihasy.

 

Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana