Dans la męme rubrique

Governemanta Minisitra maromaro miozongozona

17/11/2017

Mananontanona indray ny fanovana governemanta. Ny volana desambra izao no mety hanatanterahana azy io raha ny loharanom-baovao iray akaiky ny fitondrana.

Governemanta Minisitra maromaro miozongozona

Hamaky ny tohiny...

Firaisamonim-pirenena Ataovy mazava ny lalĂ m-pifidianana

17/11/2017

Zava-dehibe ny firosoana amin’ny fifidianana saingy tsy zavatra hatatao fahatany ohatr’izao fa tsy maintsy mitaky zavatra betsaka, ary hajaina ny lalàmpanorenana, hoy ny Firaisamonim-pirenena tamin’ny alalan-dRandriamihavana.

Firaisamonim-pirenena Ataovy mazava ny lalĂ m-pifidianana

Hamaky ny tohiny...

Antoko TIM - Ambohimanarina Nitrotro am-bavaka ireo asa ho tanterahina

17/11/2017

Fanompoam-pivavahana ho fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra ary fametrahana ny asa rehetra tanterahina eny amin’ny Vohitr’Ambohimanarina Boriborintany faha-6 na an-tsaha na an-tanàna notarihan’ny mpitandrina Rabemanana Tojo no nisantarana an’ireo hetsika 5 ho tanterahan’ny TIM

Antoko TIM - Ambohimanarina Nitrotro am-bavaka ireo asa ho tanterahina

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana 2018 Tsy tokony hijabahan’ny fanjakana

17/11/2017

Mamboatra ny kajy politikany ny HVM ankehitriny ary anisan’ireny ny fifehezana ny andrim-panjakana.

Fifidianana 2018 Tsy tokony hijabahan’ny fanjakana

Hamaky ny tohiny...

Ben’ny tanàna ambanivohitra Mivondrona hifanohana sy hitaky ny zony feno

17/11/2017

Betsaka ireo tsindry hazo lena mihatra amin’ ireo ben’ny tanàna eny anivon’ny kaominina ambanivohitra amin’izao.

Ben’ny tanàna ambanivohitra Mivondrona hifanohana sy hitaky ny zony feno

Hamaky ny tohiny...

Fanavaozana ny lisi-pifidianana Hatao izay hahatomombana azy, hoy ny CENI

16/11/2017

Roa herinandro tsy hahatongavan’ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fanavaozana ny lisi-pifidianana (RALE),

Fanavaozana ny lisi-pifidianana Hatao izay hahatomombana azy, hoy ny CENI

Hamaky ny tohiny...

Fiarahamonim-pirenena Tsy mahavita miaro ny vahoaka akory

16/11/2017

Anarana fotsiny fa tsy mahovoka akory rehefa tena misy ny ilana ireo fiarahamonim-pirenena ahitana ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa sy mpiaro ny zon’olombelona.

Fiarahamonim-pirenena Tsy mahavita miaro ny vahoaka akory

Hamaky ny tohiny...


Politique

Filoham-pirenena mivady Nandao an-tsokosoko an’i Madagasikara

15/11/2016

Ny seraseran’ny fiadidiana prezidansa no tsy mahay sa misy zavatra hafahafa hataon’ny filoha mivady ka na ny mpiara-miasa akaiky aza tsy ampahafantarina ny dia aleha ? Fantatra mantsy fa nanomboka ny sabotsy alina teo no efa tsy teto Madagasikara ny filoha mivady.

 

 Lasa any ivelany nandray ny zotra Air France izy ireo ary azo antoka fa nihazo an’i Paris. Tsy nisy ny fampitam-baovao ofisialy fa ny fikaroham-baovao no nahalalana azy. Ny hany fantatra dia hoe hiatrika ny Kaonferansa iraisam-pirenena momba ny fiarovana ny tontolo iainana (COP 22) any Maraoka ny filoha rahampitso alarobia 16 novambra. Ny mahagaga anefa dia io nandeha aloha be io kanefa tsy nisy ny fampahafantarana. Inona intsony no maha raiamandrenin’ny Malagasy ny filoha mivady raha ny fivoahany any ivelany izay handaniana volam-bahoaka aza tsy ampahafantarina akory ? Inona no asa atao any Frantsa ? Sa dia miliba sy mitsangantsangana fotsiny ? Malaza amin’ny fanaovana rendrarendra sy sitrapo ny filoha mivady ka maro no miteny fa mbola lasa niantsena any an-toerana toy ny mahazatra izy ireo. Maro ny zanaka Malagasy tsy miditra an-tsekoly, maro ny tsy manan-kialofana, maro ny miandry fahafatesana eny amin’ny hopitaly … Mbola mahavita mitsangantsangana sy mandany volam-bahoaka fahatany anefa ny mpitondra tarihin’ny filoha izay mihevitra ny mbola hijanona amin’ny toerany. Efa fahagagana raha izany no mbola ho lany ihany !

 

Toky R.

 

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana