Dans la męme rubrique

Governemanta Minisitra maromaro miozongozona

17/11/2017

Mananontanona indray ny fanovana governemanta. Ny volana desambra izao no mety hanatanterahana azy io raha ny loharanom-baovao iray akaiky ny fitondrana.

Governemanta Minisitra maromaro miozongozona

Hamaky ny tohiny...

Firaisamonim-pirenena Ataovy mazava ny lalĂ m-pifidianana

17/11/2017

Zava-dehibe ny firosoana amin’ny fifidianana saingy tsy zavatra hatatao fahatany ohatr’izao fa tsy maintsy mitaky zavatra betsaka, ary hajaina ny lalàmpanorenana, hoy ny Firaisamonim-pirenena tamin’ny alalan-dRandriamihavana.

Firaisamonim-pirenena Ataovy mazava ny lalĂ m-pifidianana

Hamaky ny tohiny...

Antoko TIM - Ambohimanarina Nitrotro am-bavaka ireo asa ho tanterahina

17/11/2017

Fanompoam-pivavahana ho fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra ary fametrahana ny asa rehetra tanterahina eny amin’ny Vohitr’Ambohimanarina Boriborintany faha-6 na an-tsaha na an-tanàna notarihan’ny mpitandrina Rabemanana Tojo no nisantarana an’ireo hetsika 5 ho tanterahan’ny TIM

Antoko TIM - Ambohimanarina Nitrotro am-bavaka ireo asa ho tanterahina

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana 2018 Tsy tokony hijabahan’ny fanjakana

17/11/2017

Mamboatra ny kajy politikany ny HVM ankehitriny ary anisan’ireny ny fifehezana ny andrim-panjakana.

Fifidianana 2018 Tsy tokony hijabahan’ny fanjakana

Hamaky ny tohiny...

Ben’ny tanàna ambanivohitra Mivondrona hifanohana sy hitaky ny zony feno

17/11/2017

Betsaka ireo tsindry hazo lena mihatra amin’ ireo ben’ny tanàna eny anivon’ny kaominina ambanivohitra amin’izao.

Ben’ny tanàna ambanivohitra Mivondrona hifanohana sy hitaky ny zony feno

Hamaky ny tohiny...

Fanavaozana ny lisi-pifidianana Hatao izay hahatomombana azy, hoy ny CENI

16/11/2017

Roa herinandro tsy hahatongavan’ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fanavaozana ny lisi-pifidianana (RALE),

Fanavaozana ny lisi-pifidianana Hatao izay hahatomombana azy, hoy ny CENI

Hamaky ny tohiny...

Fiarahamonim-pirenena Tsy mahavita miaro ny vahoaka akory

16/11/2017

Anarana fotsiny fa tsy mahovoka akory rehefa tena misy ny ilana ireo fiarahamonim-pirenena ahitana ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa sy mpiaro ny zon’olombelona.

Fiarahamonim-pirenena Tsy mahavita miaro ny vahoaka akory

Hamaky ny tohiny...


Politique

Filoha sy Praiminisitra Mifampiandry an-kendritohana ?

06/05/2017

Milaza azy ho tsy miady tsy miady ny fitondrana ankehitriny, saingy tsikaritra fa efa mifanipaka sy samy manao izay saim-patany.

 

 Re fa toa samy manana ny ekipany ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy ny praiminisitra  Solonandrasana Mahafaly Olivier, izay tsy nety voailika teo amin’ny toerany na dia efa ela aza no nandeha ny resaka fa hoesorina izy. Vao mainka aza toa niha nahazo faka sy mamahatra ao anaty fitondrana na dia efa nalaza ratsy ho mpiray tsikombakomba amin-dRamatoa Claudine Razaimamonjy aza. Tsy sahin’ny filoham-pirenena kosa anefa ny manala azy mivantana noho ny efa fananany olona miara-dia aminy ao anatin’ny governemanta, izay efa nalaza ratsy fa tokony horoahina tsy ho minisitra noho ny resaka afera, saingy mbola tafajanona ao miaraka amin’ny praiminisitra, ary miray hina sy miray saina ny tsy hanaiky lembenana hiala tsotra eo anivon’ny fitondrana. Voalaza fa manana ny olony ny praiminisitra, ary manana ireo mitapikitra sy miezaka mijoro ho namana mahatoky azy ihany koa i Hery Rajaonarimampianina, ka tsy sahy mifampikitikitika, hany ka samy manao izay danin’ny kibony sy tsy mifampijabaka fotsiny satria samy manana ny aferany, ary samy matahotra mafy ny hipoahan’ny afera malotony avy. Tsy atao mahagaga raha tsy misy mety mivoaka ny marina amina resaka afera maro, toy ny raharaha Claudine Razaimamonjy satria mifampiandry kendritohana ny an-daniny sy ny an-kilany, ka raha vao mipoaka ny aferan’ny iray, dia hanapoaka sy hamaky bantsilana ny an’ny iray ihany koa, ka aleo samy mamgina sy mifampihatsaravelatsihy

Filohana andrim-panjakana mampiahiahy

Tsy mbola hay ihany koa izay tena kajin’ireo filohan’ny Antenimiera 2 tonta, izay tsikaritra ho efa te ho lohany. Tsy tena olon’ny HVM rahateo izy ireo fa samy nanana ny foto-kevitra sy antoko politikany no tonga akaiky ny HVM, izay mety ho resaka tombotsoa no naharoboka azy, ka rehefa hita fa tena tsy misy antenaina intsony amin’ny fitondrana dia tsy ho sarotra ho azy ireo ny hikopak’elatra sy hitady famaharana amin’ny hafa. Tafiditra ao anatin’ireo mpanao poltika sokajian’ny mpanara-baovao ho isan’ireo tsy mpitaingina soavaly maty izy ireo, ka any amin’izay mahatolotolotra ihany no mamahatra. Mafampana ny raharaha, toy ny resaka fitsipaham-pitokisana eny amin’ny antenimieram-pirenena, ka solombavambahoaka hatrany amin’ny 75 no voalaza fa efa vonona sy miombon-kevitra amin’ny fitsipahana an’i Solonandrasana Mahafaly Olivier sy ny ekipany. Ho hita eo izay mety ho tohiny.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana