Dans la męme rubrique

Pierrot Rajaonarivelo Miantso fitoniana

23/06/2017

Nanohana ny filoha Rajaonarimampianina hatrany ny MDM (Mouvement pour la Démocratie à Madagascar) nanomboka ny fihodinana faharoan’ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny 2013

Pierrot Rajaonarivelo Miantso fitoniana

Hamaky ny tohiny...

Dada sy Neny Vonona hanarina firenena

23/06/2017

Hankalaza ny faha-15 taonany ny antoko TIM ny 8 jolay ho avy izao. Mialoha ny hanaovana izany sy hanamarihana ny fetim-pirenena dia niatrika ny fivorian’ny fikambanan’ny Ben’ny tanàna miteny amin’ny ampahany na manontolo

Dada sy Neny Vonona hanarina firenena

Hamaky ny tohiny...

Force de changement Hamory vahoaka anio

23/06/2017

Nanao antso avo tamin’ny alalan’ny ireo tanora mpikambana ao aminy tetsy amin’ny foiben’ny antoko AKFM etsy Andravoahangy ho an’ny vahoaka malagasy omaly ny vovonana politika Force de changement taorian’ireo fivoriana samihafa natao hanomanana ilay fihetseham-bahoaka

Force de changement Hamory vahoaka anio

Hamaky ny tohiny...

Fanjakana sy ny sendikan’ny mpitsara Tsy mbola milamina

23/06/2017

Hiitatra any andafin’ny riaka ny akon’ny fitakian’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara (SMM) noho ny teritery isan-karazany ataon’ny manampahefana amin’ny asan’ny mpitsara Malagasy.

Fanjakana sy ny sendikan’ny mpitsara Tsy mbola milamina

Hamaky ny tohiny...

Depiote Randrianarisoa Stanislas Nanampy ny Lycée St Etienne Ambanidia

23/06/2017

Ao anatin’ny fanamarihan’ny lisea tsy miankina Md Etienne etsy Ambanidia ny faha-55 taona niorenany, 1962-2017,

Depiote Randrianarisoa Stanislas Nanampy ny Lycée St Etienne Ambanidia

Hamaky ny tohiny...

Hery Rajaonarimampianina Hampiesona any Imerintsiatosika indray ?

22/06/2017

Manaitra ny mponina ny fiomankomanana any Imerintsiatosika efa ho andro vitsivitsy izao.

Hery Rajaonarimampianina Hampiesona any Imerintsiatosika indray ?

Hamaky ny tohiny...

Faneva Raholdina Fieken-keloka sy Famelan-keloka vao fampihavanana

22/06/2017

Nandamoka ny fampihavanana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina nokasaina hotanterahina,

Faneva Raholdina Fieken-keloka sy Famelan-keloka vao fampihavanana

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fangaraharan’ny fifidianana Iantohanay, hoy ny CENI

15/11/2016

Tsy nihambahamba ny filohan’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI, Hery Rakotomanana, nampahafantatra tamin’ireo mpanao gazety tonga tetsy

Antaninarenina omaly, nandritry ny fanokafana ilay atrikasa fandravonana ireo hevi-dehibe ho fandrafetana ny paikadim-pirenena ho fanabeazana sy ho fanentanana ara-pifidianana fa dia hiantoka ny fangaraharana rehetra mikasika ny fikarakarana ny fifidianana. Izaho, filohan’ny CENI mihitsy miaraka amin’ny mpikambana rehetra no manome antoka ny fangaraharana amin’ny fifidianana. Efa porofo izao fa ny hevitry ny rehetra no nalainay fa tsy nikononkonona samirery ny CENI. Ho mpanatanteraka izany fotsiny izahay rehefa tonga ny fotoana. Izay fakana ny hevitry ny maro izay no tena fangaraharana. Mikasika ilay resaka fa lasa resa-pianakaviana moa ny mpikambana mandrafitra ny CENI dia nilaza ny tenany fa mety misy tokoa ny mpihavana ao anatin’ny mpikambana saingy anjaranareo mpanao gazety, hoy ny tenany no manadihady na tena betsaka tokoa na tsia.

10.000.000 ny mpifidy hotratrarina

Araka ny tombana nataon’ny CENI moa dia 8.600.000 izao no isan’ireo mpifidy voasoratra anarana ka ezaka hatao ny hanatrarana izany ho 10.000.000 amin’ny taona 2018. Ny resaka fanentanana sy fanabeazana hatrany moa no tena ezahan’ity vaomiera ity avoitra rehefa manakaiky toy izao ny ora kanefa dia any amin’io resaka fangaraharana io hatrany no tena fototry ny ahiahy rehetra ary rehefa ao anatin’ny fotoana hisian’ny fandatsaha-bato hatrany ihany koa no mipoitra ny gaboraraka rehetra. Nanome toky toy izao ihany koa ny filohan’ity vaomiera ity teo aloha fa tsy atahorana hisy hosoka ny fifidianana satria arifomba ny fitaovana. Nilaza izy taty aoriana fa nisy nahavita nangalatra ihany tao. Taorian’izay dia mbola niverina nilaza indray ny tenany fa nizotra tsara araka ny tokony ho izy ny fifidianana. Tsy any amin’ny resaka fanentanana no tokony hipetrahan’ny fanontaniana fa any amin’ny resaka fangaraharana. Tsiahivina fa ity filohan’ny CENI ankehitriny ity no efa filohan’ny CENIT voalohany ary anisan’ny niteraka resabe tamin’ny fotoan’androny ilay fifidianana tamin’ny alalan’ny karnem-pokontany.

Mirija


 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana