Dans la męme rubrique

Governemanta Minisitra maromaro miozongozona

17/11/2017

Mananontanona indray ny fanovana governemanta. Ny volana desambra izao no mety hanatanterahana azy io raha ny loharanom-baovao iray akaiky ny fitondrana.

Governemanta Minisitra maromaro miozongozona

Hamaky ny tohiny...

Firaisamonim-pirenena Ataovy mazava ny lalĂ m-pifidianana

17/11/2017

Zava-dehibe ny firosoana amin’ny fifidianana saingy tsy zavatra hatatao fahatany ohatr’izao fa tsy maintsy mitaky zavatra betsaka, ary hajaina ny lalàmpanorenana, hoy ny Firaisamonim-pirenena tamin’ny alalan-dRandriamihavana.

Firaisamonim-pirenena Ataovy mazava ny lalĂ m-pifidianana

Hamaky ny tohiny...

Antoko TIM - Ambohimanarina Nitrotro am-bavaka ireo asa ho tanterahina

17/11/2017

Fanompoam-pivavahana ho fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra ary fametrahana ny asa rehetra tanterahina eny amin’ny Vohitr’Ambohimanarina Boriborintany faha-6 na an-tsaha na an-tanàna notarihan’ny mpitandrina Rabemanana Tojo no nisantarana an’ireo hetsika 5 ho tanterahan’ny TIM

Antoko TIM - Ambohimanarina Nitrotro am-bavaka ireo asa ho tanterahina

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana 2018 Tsy tokony hijabahan’ny fanjakana

17/11/2017

Mamboatra ny kajy politikany ny HVM ankehitriny ary anisan’ireny ny fifehezana ny andrim-panjakana.

Fifidianana 2018 Tsy tokony hijabahan’ny fanjakana

Hamaky ny tohiny...

Ben’ny tanàna ambanivohitra Mivondrona hifanohana sy hitaky ny zony feno

17/11/2017

Betsaka ireo tsindry hazo lena mihatra amin’ ireo ben’ny tanàna eny anivon’ny kaominina ambanivohitra amin’izao.

Ben’ny tanàna ambanivohitra Mivondrona hifanohana sy hitaky ny zony feno

Hamaky ny tohiny...

Fanavaozana ny lisi-pifidianana Hatao izay hahatomombana azy, hoy ny CENI

16/11/2017

Roa herinandro tsy hahatongavan’ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fanavaozana ny lisi-pifidianana (RALE),

Fanavaozana ny lisi-pifidianana Hatao izay hahatomombana azy, hoy ny CENI

Hamaky ny tohiny...

Fiarahamonim-pirenena Tsy mahavita miaro ny vahoaka akory

16/11/2017

Anarana fotsiny fa tsy mahovoka akory rehefa tena misy ny ilana ireo fiarahamonim-pirenena ahitana ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa sy mpiaro ny zon’olombelona.

Fiarahamonim-pirenena Tsy mahavita miaro ny vahoaka akory

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fanaovana politika Voasarika ny tanora

12/11/2016

Miha mahasarika ireo tanora avara-pianarana amin’izao fotoana izao ny fanaovana politika sy ny resaka manodidina azy.

 

 Tanora vitsivitsy nanaraka adihevitra politika tetsy Ampandrana, omaly, no indro maneho ny heviny.

Julie Odile, mpianatra haifiarahamonina

Ankehitriny ny tanora dia efa tokony hanapa-kevitra amin’ny hoavin’ny firenena sy ny tsirairay. Tokony handray fanapaha-kevitra ho vonona hiatrika ny asa ny tanora ankehitriny. Tsara raha miditra an-tsehatra ao anatin’ny raharaha politika ny tanora ary manadihady ary miasa. Izany hoe, mandray anjara sy mitarika ny tanora namana handray anjara ihany koa.

Heriniaina Randriamalala, mpandrindra fandaharan’asa ho an’ny tanora

Amin’izao fotoana izao isika dia miaina ao anaty kihon-dalana lehibe ahafahana milaza fa ny tanora no mandray an-tanana ny zavatra rehetra izay tokony hatao eto amin’izao tontolo izao satria ny 2/3-n’ny mponina eto an-tany dia tanora avokoa. Ny famoronana rehetra eto dia saika tanora avokoa no nanao azy, ny fihavaozana rehetra ihany koa ary kelikely eo dia ho tanora avokoa ny mpitondra. Miha mahita aho fa betsaka ny tanora manana fomba fijery haitarika na “sens de leadership” ary tena mandray anjara amin’ny tandrify azy any amin’ny fiarahamonina misy azy avy. Ny lesoka fotsiny dia marefo ny fananana an’izay amin’ny tontolo politika. Ahoana no ahafahan’ny tanora manapa-kevitra ho amin’ny hoaviny ?  

Erik Randriarimalala, filohana fikambanana

Vitsy ny mpisehatra politika tena nandalo tamina fiofanana ara-politika dia lasa mivaona ka tonga amin’ilay hoe politika politisianina no hita eto. Ny mpisehatra politika izany, indrindra ny tanora, dia tsara raha mba mandalo fiofanana mikasika izay farafaharatsiny. Ny andraikitra andrasana dia ny fandraisana anjaran’ny tanora eo amin’ny resaka fikarohana amin’izay lafiny izay. Ny fidirana anatina fikambanana no fandraisana andraikitra voalohany indrindra.

Nangonin’i Mirija

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana