Dans la mme rubrique

Marc Ravalomanana Tena tian’ny olona any Avaratra

22/08/2017

Mbola tena mamy hoditra amin’ny mponina amin’iny tapany avaratry ny nosy iny Andriamatoa Marc Ravalomanana, raha ny hita tao Antsiranana nandritra ny 4 andro sy ny zava-nitranga.

Marc Ravalomanana Tena tian’ny olona any Avaratra

Hamaky ny tohiny...

Fandravana ny zandarimariam-pirenena Tsipahin’ny CRAM

22/08/2017

Naneho hevitra momba ny toe-javatra maro eto amin’ny firenena ny CRAM (Cercle de Refléxion pour l’Avénir de Madagascar).

Fandravana ny zandarimariam-pirenena Tsipahin’ny CRAM

Hamaky ny tohiny...

Hetsiky ny mpanohitra Ho avy ny fisamborana

22/08/2017

Hentitra ny avy ao amin’ny prefektioran’Antananarivo renivohitra fa tsy mahazo manao ilay fihetsiketsehana nokasaina hotanterahana ao amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina ny Herin’ny Fanovana tarihan’i Doudou satria ahiana hiitatra amina fidinana an-dalambe izany;

Hetsiky ny mpanohitra Ho avy ny fisamborana

Hamaky ny tohiny...

Antoko Tiako I Madagasikara

22/08/2017

Mihetsiketsika ny any Manjakandriana Velona sy miaina ny Tiako i Madagasikara manerana an’i Madagasikara, ary mipetraka hatrany anaty fokontany ny rafitry ny antoko. Ohatra iray azo tsapain-tanana ny rantsan’ny Antoko any amin’ny Kaominina Ambohidratrimo an’Ala,

Antoko Tiako I Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Fivorian’ny SADC tany Afrika Atsimo Nampanantena fifidianana mangarahara ny praiminisitra

21/08/2017

Tontosa tany Pretoria Afrika Atsimo, tao amin’ny tao amin’ny trano lehibe fanaovana fivoriana goavana O.R Tambo

Fivorian’ny SADC tany Afrika Atsimo Nampanantena fifidianana mangarahara ny praiminisitra

Hamaky ny tohiny...

Voahangy Rajaonarimampianina Manana olana manokana amin’ny FJKM ?

21/08/2017

Samy nahatsikaritra ny rehetra fa nandeha irery tsy nombam-bady indray ny filoham-pirenena tany Antsiranana nanomboka ny sabotsy lasa teo, satria tsy niaraka taminy Rtoa Voahangy Rajaonarimampianina vadiny.

Voahangy Rajaonarimampianina Manana olana manokana amin’ny FJKM ?

Hamaky ny tohiny...

Foloalindahy Malagasy Ataon-dRajao kilalao politika

19/08/2017

Lasa fihomehezana tany Antsiranana sy fanalana azy tao anaty tambajotran-tserasera facebook manerana ny nosy omaly hariva ny fahitana ny filoha Hery Rajaonarimampianina nanao “tenue de combat” tonga tany Antsiranana.

Foloalindahy Malagasy Ataon-dRajao kilalao politika

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fananganana ny filan-kevitry ny fampihavanana Raikitra sahady ny rombo

11/08/2017

Tsy mangaraharaha fa misy fijerena tavan’olona ary misy resa-bola ihany koa io fifantenana ireo izay hiditra ao anatin’ny filan-kevitry ny fampihavanana Malagasy (CFM), raha ny fanehoan-kevitra nataon-Rakotomalala Henri na Riribe, filohan’ny fikambanan’ny gadra politika omaly.

24 ny tamin’ny faritra Atsinanana no voafantina ary nahazo hafatra tamin’ny finday avokoa izy ireo, ankoatra azy izay nasaina nanao ny “enquête de moralité” tany Toamasina, ary olona no niteny taminy hoe miakara haingana any Antananarivo, raha ny fanazavany. Nony tonga teto dia efa nivoaka ny lisitra, ka izany ve no atao hoe fampihavanana, hoy izy. Anisan’ny nanome tànana ny fampihavanana izahay, kanefa maninona no ahilikilika, hoy hatrany ny tenany. Jeneraly, kolonely,  minisitra teo aloha,… ny ankamaroan’ireo voafantina. Olona efa mpikamban’ny FFM teo aloha ny 90%-n’ny lisitra raha ny fanambarany, kanefa ireo anisan’ny olona tsy nahavita izany fampihavanana izany, fa lany fotsiny ny volam-panjankana.

Mifono valifaty politika?

Tsy sanatria fitia te hanakorontana na koa hanakiana be fahatany, fa maro ny resaka mivoaka momba ny ambadika politika ao anatin’ny fananganana ny CFM amin’izao fotoana izao, ka mila hahitsy dieny ety am-piandohana raha fihavanana sy filaminana tokoa no katsahina. Re avy amin’ireo olona isan’ny nirotsaka hofantenana ao anatin’ny CFM ihany mantsy ny fisian’ny resaka fanomanana valifaty politika ao anatiny, saingy takonana fotsiny ao anatin’ny hoe fampihavanam-pirenena. Araka ny loharanom-baovao iray, dia efa mandeha sahady ny resaka hanilihana kandida iray amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy, ka olona isan’ny nifandrina taminy no homena vahana sy hatao maro an’isa ao anatin’io Filan-kevitry ny fampihavava Malagasy io. Isan’ny manamarina izany ny loko politikan’ny lohandohan’ny mpisorona ao anatin’ny Komity mpifantina ny CFM sy ireo mety ho voatendry, raha ny fahitan’ny olona isan’ny nandrotsaka ny antontan-taratasiny, izay mahatsiaro ho voahilika sahady, ary nanamafy ny efa nambaran-dRakotomalala Henri momba ireo olona ao anatin’ny lisitra satria efa fantampantatra ny fironan-kevitra ananan’ireo tafiditra ao anaty lisitra.


Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana