Dans la męme rubrique

Ravalo sy ny TIM Norahonan’i Rivo Rakotovao

25/07/2017

Tahaka ny efa tsinjo sahady ny valin-teny hasetrin’ny prefektiora ny fangatahan’ny antoko Tiako I Madagasikara hankalazana ny faha-15 taonany eny amin’ny kianjaben’i Mahamasina ny sabotsy 29 jolay ho avy izao.

Ravalo sy ny TIM Norahonan’i Rivo Rakotovao

Hamaky ny tohiny...

Guy Rivo Randrianarisoa “Mahamasina ihany no mety aminay”

25/07/2017

Andrasana ny valin’ny fangatahana napetraky ny Antoko Tiako I Madagasikara hanatanteraka ny faha-15 taona niorenany eny Mahamasina.

Guy Rivo Randrianarisoa “Mahamasina ihany no mety aminay”

Hamaky ny tohiny...

Roland Ratsiraka Jamban’ny fankahalana an-dRavalomanana

25/07/2017

Efa maro ihany izay niakatra fahitalavitra sy niseho gazety nanaratsy an’i Marc Ravalomanana izay.

Roland Ratsiraka Jamban’ny fankahalana an-dRavalomanana

Hamaky ny tohiny...

Olivier Rakotovazaha “Aleo hankalaza malalaka ny tsingerintaonany ny TIM”

25/07/2017

Tokony homena alalana hankalaza ny faha-15 taonany eny amin’ny «Coliseum» Antsonjombe ny antoko Tiako I Madagasikara.

Olivier Rakotovazaha “Aleo hankalaza malalaka ny tsingerintaonany ny TIM”

Hamaky ny tohiny...

Tsapan-kevitra Fifidianana 2018 Ravalomanana 58 %, Rajoelina 16%

24/07/2017

Mandeha ny tsapan-kevitra isan-karazany amin'ny mety ho vokatry ny fifidianana 2018 na dia mbola misy herintaona mahery kely aza.

Tsapan-kevitra Fifidianana 2018 Ravalomanana 58 %, Rajoelina 16%

Hamaky ny tohiny...

Faha-15 taonan’ny TIM Eny Mahamasina ny 29 jolay

22/07/2017

Nanao fanambarana teny Tsimbazaza ny Birao politikan’ny Antoko Tiako I Madagasikara omaly, ka nivoitra tamin’izany ny fampitam-baovao fa nandresy sy nahazo rariny tany amin'ny Filan-kevi-pankajana (Conseil d'Etat)

Faha-15 taonan’ny TIM Eny Mahamasina ny 29 jolay

Hamaky ny tohiny...

Atallah BĂ©atrice Hatosika ho praiminisitra ?

22/07/2017

Nangingina ny resaka fanovana governemanta tato ho ato. Mifamahofaho tanteraka ny vaovao ary efa nandeha hatry ny ela ny resaka fa tsy maintsy halana ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier.

Atallah BĂ©atrice Hatosika ho praiminisitra ?

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fampihavanam-pirenena Tsy mety masaka

29/12/2016

Ny taona 2002 no efa nitsangana ilay CRN na ny Komitin’ny fampihavanam-pirenena.

Nandeha ny andro, ny volana, ny taona, tsy hita izay fampihavanana tontosa fa dia ny fitakiana tombontsoa nolazaina fa ilaina entina miasa, toy ny kara-tsolika sy ny karatra ho an’ny finday indray no notadiavin’ireo nasaina nampihavana. Nipoaka indray ny krizy 2009, voaporofo tamin’ny fomba niharihary fa vao mainka nitondra korontana fa tsy fampihavanana velively ny rafitra najoro. Napetraka indray moa taty aoriana ilay antsoina hoe Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy na FFM saingy ny vaovao mafonja heno farany mikasika ity rafitra vaovao ity dia ny mikasika ilay trosaben’izy ireo hatrany amin’ny 70 tapitrisa Ariary ny volana jolay lasa teo. Raha ny hita teny amin’ny foiben’ny FFM etsy Ampefiloha ny talata teo moa dia efa saika lasa niala sasatra avokoa ireo tompon’andraikitra ao. Antenaina fa hisy hieritreretan’izy ireo tsara izany fiatoana kely izany ahafahany mitondra ny fampihavanana tena izy tokoa amin’ny taona ho avy. Ny tapaky ny volana desambra teo moa, raha tsiahivina, dia nanahirana mihitsy ny nandany ireo izay tokony handrafitra izay hisahana ny fampihavanam-pirenena izay teny anivon’ny Antenimieram-pirenena.

Mirija

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana