Dans la męme rubrique

Andron’ny Parlemantera tetsy Anosikely Nikorontana tanteraka

15/12/2017

Samy manana ny fomba fiheviny sy fiasany tokoa ireo olom-boafidy sy olom-boatendry eto amintsika. Raha nanatanteraka ny « Journée des Parlemantaires » tetsy amin’ny Lapan’Anosikely omaly alakamisy 14 desambra ireo senatera sy solombavambahoakan’i Madagasikara manatanteraka ny fivoriana ara-potoanany avy ankehitriny ka nandinika niaraka ny lohahevitra

Andron’ny Parlemantera tetsy Anosikely Nikorontana tanteraka

Hamaky ny tohiny...

Fitondrana HVM Te hifehy mafy ny serasera

14/12/2017

Mazava tsara ny tenin’ny minisitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana Harry Laurent Rahajason omaly fa ny fitsarana no hanapa-kevitra farany momba ny

Fitondrana HVM Te hifehy mafy ny serasera

Hamaky ny tohiny...

AREMA –Fifidianana 2018 I Deba ihany no ho kandida ?

14/12/2017

Tao anatin’ny lanonana tsotra dia tsotra famaranana ny taom-piasana ho an’ny taona 2017 notarihan’ny sekretera nasionaliny,

AREMA –Fifidianana 2018 I Deba ihany no ho kandida ?

Hamaky ny tohiny...

Solonandrasana sy Jean Max R Manahiran-tsaina ny filoham-pirenena

14/12/2017

Raikitra ny fifanolanana sy ny fifandrahonana any an-dapa amin’izao fotoana. Antony ny fikatsahan’ny HVM handamina ny kajy politikany amin’ny alalan’ny fanoloana tompon’andraikitra ambony eto amin’ny firenena.

Solonandrasana sy Jean Max R Manahiran-tsaina ny filoham-pirenena

Hamaky ny tohiny...

Kandidà ben’ny tanàna lasa mpanolotsaina Manakorontana fotsiny

14/12/2017

Tonga saina tampoka ve sa tena efa nisaina ela izany tokoa ny praiminisitra sady minisitry ny atitany,

Kandidà ben’ny tanàna lasa mpanolotsaina Manakorontana fotsiny

Hamaky ny tohiny...

Fanambin-dRavalomanana “Hiasa avo 10 heny noho ny efa vitako aho”

13/12/2017

Tsy mila resabe isika fa mila asa, hoy ny filoham-pirenena teo aloha no sady filohan’ny antoko Tiako i Madagasikara, Marc Ravalomanana omaly raha nandray fitenenana nandritry ny fankalazana ny faha 68 taona nahaterahany tetsy amin’ny Magro Tanjombato.

Fanambin-dRavalomanana “Hiasa avo 10 heny noho ny efa vitako aho”

Hamaky ny tohiny...

Kabarin’i Marc Ravalomanana teny amin’ny Magro Tanjombato Hoy izy ireo :

13/12/2017

Rakotomandimby Jean Pierre (Ben’ny tanànan’i Soanindrariny Antsirabe II) “Tena ilain’ny firenena ireny tenin’ny filoha Ravalomanana rehetra teo ireny ary hombako manana ny fitsipika tokony hitondrana ny firenena ka iainana miainga avy any ambony mipaka aty amin’ny vahoaka.

Kabarin’i Marc Ravalomanana teny amin’ny Magro Tanjombato Hoy izy ireo :

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fampihavanam-pirenena Tsy manam-piniavana ny mpanao politika

17/12/2016

Mbola ho sarotra ny hahatanterahan’ny tena fampihavanam-pirenena eto Madagasikara. Ny ankamaroan’ny olona aloha hatreto dia tsy manantena ny hisiany intsony.

 Maro no mandiso io hoe “fampihavanam-pirenena” io fa fampihavanana politika no tokony hatao eto amin’ny firenena. Raha atao indray mijery dia tsy misy Malagasy miady eto fa mifandray tsara ny olona eran’ny lafivalon’ny nosy, fa tsy toy ny any amin’ny tany Afrikanina maro izay samy manana ny teniny ary tsy mifankahazo. Ekena fa nisy fitsaram-bahoaka izay azo sokajiana ho fifamonoana ihany saingy vokatry ny tsy fandraisan’andraikitry ny mpitondra no mahatonga izany fa tsy finiavana hifandranitra sy hifamono. Ny atao hoe manaiky hihavana dia mamela ilay olona tamin’ny hadisoany ary vonona handefitra amin’ny lafiny rehetra toy ny tombontsoa manokana, fahefana... Zava-dehibe ny fifampieken-keloka sy fahavonona hiara-kanarina ny firenena ka hametraka ilay tena hambom-po maneho fitiavan-tanindrazana, ka tsy hanaiky hataon’ny vahiny tohatra sy fangoronan-karena lava eto. Lany teny anivon’ny antenimieram-pirenena ny volavolan-dalàna momba ny fampihavanam-pirenena saingy tsy misy hantenaina aloha hatreto. Toa zary fifanilihana sy mizana tsindrian’ila aza no misy ka ao ny omena vahana ary ao no hanaovana antsojay. Fampihavanana ny mpanao politika no tokony hatao ary mila mifona amin’ny vahoaka noho ny heloka vitany izy ireo aorian’izay, saingy mbola sarotra ny hahatanterahany noho ny tsy fisian’ny tena finiavana fa fikatsahana tombontsoa no betsaka.

Toky R.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana