Dans la męme rubrique

Andron’ny Parlemantera tetsy Anosikely Nikorontana tanteraka

15/12/2017

Samy manana ny fomba fiheviny sy fiasany tokoa ireo olom-boafidy sy olom-boatendry eto amintsika. Raha nanatanteraka ny « Journée des Parlemantaires » tetsy amin’ny Lapan’Anosikely omaly alakamisy 14 desambra ireo senatera sy solombavambahoakan’i Madagasikara manatanteraka ny fivoriana ara-potoanany avy ankehitriny ka nandinika niaraka ny lohahevitra

Andron’ny Parlemantera tetsy Anosikely Nikorontana tanteraka

Hamaky ny tohiny...

Fitondrana HVM Te hifehy mafy ny serasera

14/12/2017

Mazava tsara ny tenin’ny minisitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana Harry Laurent Rahajason omaly fa ny fitsarana no hanapa-kevitra farany momba ny

Fitondrana HVM Te hifehy mafy ny serasera

Hamaky ny tohiny...

AREMA –Fifidianana 2018 I Deba ihany no ho kandida ?

14/12/2017

Tao anatin’ny lanonana tsotra dia tsotra famaranana ny taom-piasana ho an’ny taona 2017 notarihan’ny sekretera nasionaliny,

AREMA –Fifidianana 2018 I Deba ihany no ho kandida ?

Hamaky ny tohiny...

Solonandrasana sy Jean Max R Manahiran-tsaina ny filoham-pirenena

14/12/2017

Raikitra ny fifanolanana sy ny fifandrahonana any an-dapa amin’izao fotoana. Antony ny fikatsahan’ny HVM handamina ny kajy politikany amin’ny alalan’ny fanoloana tompon’andraikitra ambony eto amin’ny firenena.

Solonandrasana sy Jean Max R Manahiran-tsaina ny filoham-pirenena

Hamaky ny tohiny...

Kandidà ben’ny tanàna lasa mpanolotsaina Manakorontana fotsiny

14/12/2017

Tonga saina tampoka ve sa tena efa nisaina ela izany tokoa ny praiminisitra sady minisitry ny atitany,

Kandidà ben’ny tanàna lasa mpanolotsaina Manakorontana fotsiny

Hamaky ny tohiny...

Fanambin-dRavalomanana “Hiasa avo 10 heny noho ny efa vitako aho”

13/12/2017

Tsy mila resabe isika fa mila asa, hoy ny filoham-pirenena teo aloha no sady filohan’ny antoko Tiako i Madagasikara, Marc Ravalomanana omaly raha nandray fitenenana nandritry ny fankalazana ny faha 68 taona nahaterahany tetsy amin’ny Magro Tanjombato.

Fanambin-dRavalomanana “Hiasa avo 10 heny noho ny efa vitako aho”

Hamaky ny tohiny...

Kabarin’i Marc Ravalomanana teny amin’ny Magro Tanjombato Hoy izy ireo :

13/12/2017

Rakotomandimby Jean Pierre (Ben’ny tanànan’i Soanindrariny Antsirabe II) “Tena ilain’ny firenena ireny tenin’ny filoha Ravalomanana rehetra teo ireny ary hombako manana ny fitsipika tokony hitondrana ny firenena ka iainana miainga avy any ambony mipaka aty amin’ny vahoaka.

Kabarin’i Marc Ravalomanana teny amin’ny Magro Tanjombato Hoy izy ireo :

Hamaky ny tohiny...


Politique

Famadihana palitao Depiote TIM 2 voadaka

17/12/2016

Efa ela ihany ireo mpikambana TIM sy ny mpanara-dia an’i Marc Ravalomanana no nimenomenona tamin’ny afitsoka depiote TIM roa izay tsikaritra fa nanomboka namadika palitao.

Rehefa nandinika tsara ny zava-misy ary ny vondrona parlemantera TIM eny Tsimbazaza sy ny birao politika dia nanapa-kevitra fa tsy depiote misalotra ny anaran’ny Tiako i Madagasikara intsony Atoa isany Guillaume Ravahimanana voafidy tao Miarinarivo  sy Benjamin Andriamitantsoa voafidy teny Avaradrano. Tsy voahajan’izy ireo intsony ny fitsipika mifehy ny antoko raha araka ny vaovao voaray ary efa tena mivaona tanteraka amin’ny foto-kevitra ijoroan’ny Tiako i Madagasikara mihitsy izy mirahalahy ireto koa dia izay no anton’izao fanapahan-kevitra izao. Tsy nanolotra anarana praiminisitra ny TIM nefa izy isan’ireo depiote 16 lahy nandeha teny Iavoloha niaraka tamin’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Rakotomamonjy Jean Max nanolotra anarana kandida praiminisitra tamin’ny filohan’ny Repoblika. Fihetsika izay mifanohitra amin’ny lalampanorenena no nataon’izy ireo. Nibaribary ihany koa ny fitsipahana ny laka-nitana nataon’izy ireo tamin’ny fandaniana volavolan-dalàna momba ny fampihavanam-pirenena farany teo. Nanangan-tanana nandany io lalàna io niaraka tamin’ireo depioten’ny HVM antoko eo amin’ny fitondrana izy roalahy ireo, nefa ny toromariky ny antoko TIM dia mitsipaka ny fandaniana azy io noho ilay lalàna manavakavaka.Ny alakamisy alina teo aza nandritra ilay fifanatrehan’ny governemanta sy ny depiote teny Tsimbazaza dia tsy nanao afa-tsy ny nitoraka voninkazo sy nisolelaka ny fitondrana HVM ireo depiote roa ireto. Malaza moa ny resaka malety eny amin’ny antenimieram-pirenena eny ka maro noho izany no mihevitra fa mety voafidy vola izy mirahalahy ireto matoa namadika palitao sy nanadino tanteraka ny etika politika tahaka izao.

RTT sy Jean D

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana