Dans la męme rubrique

Andron’ny Parlemantera tetsy Anosikely Nikorontana tanteraka

15/12/2017

Samy manana ny fomba fiheviny sy fiasany tokoa ireo olom-boafidy sy olom-boatendry eto amintsika. Raha nanatanteraka ny « Journée des Parlemantaires » tetsy amin’ny Lapan’Anosikely omaly alakamisy 14 desambra ireo senatera sy solombavambahoakan’i Madagasikara manatanteraka ny fivoriana ara-potoanany avy ankehitriny ka nandinika niaraka ny lohahevitra

Andron’ny Parlemantera tetsy Anosikely Nikorontana tanteraka

Hamaky ny tohiny...

Fitondrana HVM Te hifehy mafy ny serasera

14/12/2017

Mazava tsara ny tenin’ny minisitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana Harry Laurent Rahajason omaly fa ny fitsarana no hanapa-kevitra farany momba ny

Fitondrana HVM Te hifehy mafy ny serasera

Hamaky ny tohiny...

AREMA –Fifidianana 2018 I Deba ihany no ho kandida ?

14/12/2017

Tao anatin’ny lanonana tsotra dia tsotra famaranana ny taom-piasana ho an’ny taona 2017 notarihan’ny sekretera nasionaliny,

AREMA –Fifidianana 2018 I Deba ihany no ho kandida ?

Hamaky ny tohiny...

Solonandrasana sy Jean Max R Manahiran-tsaina ny filoham-pirenena

14/12/2017

Raikitra ny fifanolanana sy ny fifandrahonana any an-dapa amin’izao fotoana. Antony ny fikatsahan’ny HVM handamina ny kajy politikany amin’ny alalan’ny fanoloana tompon’andraikitra ambony eto amin’ny firenena.

Solonandrasana sy Jean Max R Manahiran-tsaina ny filoham-pirenena

Hamaky ny tohiny...

Kandidà ben’ny tanàna lasa mpanolotsaina Manakorontana fotsiny

14/12/2017

Tonga saina tampoka ve sa tena efa nisaina ela izany tokoa ny praiminisitra sady minisitry ny atitany,

Kandidà ben’ny tanàna lasa mpanolotsaina Manakorontana fotsiny

Hamaky ny tohiny...

Fanambin-dRavalomanana “Hiasa avo 10 heny noho ny efa vitako aho”

13/12/2017

Tsy mila resabe isika fa mila asa, hoy ny filoham-pirenena teo aloha no sady filohan’ny antoko Tiako i Madagasikara, Marc Ravalomanana omaly raha nandray fitenenana nandritry ny fankalazana ny faha 68 taona nahaterahany tetsy amin’ny Magro Tanjombato.

Fanambin-dRavalomanana “Hiasa avo 10 heny noho ny efa vitako aho”

Hamaky ny tohiny...

Kabarin’i Marc Ravalomanana teny amin’ny Magro Tanjombato Hoy izy ireo :

13/12/2017

Rakotomandimby Jean Pierre (Ben’ny tanànan’i Soanindrariny Antsirabe II) “Tena ilain’ny firenena ireny tenin’ny filoha Ravalomanana rehetra teo ireny ary hombako manana ny fitsipika tokony hitondrana ny firenena ka iainana miainga avy any ambony mipaka aty amin’ny vahoaka.

Kabarin’i Marc Ravalomanana teny amin’ny Magro Tanjombato Hoy izy ireo :

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fahanginan'i Andry Rajoelina Mampiahiahy ...

29/12/2016

Mandeha ny resaka ankehitriny fa misy indray ny fikotrehana fanonganam-panjakana.

 Tsy hay na iniana aely fa ireo olona efa nanongam-panjakana tamin’ny taona 2009 ihany no voatonona ho ao ambadik’izay. Ny tsikaritra dia mangina sy tsy re feo mihitsy i Andry Rajoelina na dia voatonotonona ao anatin'ity resaka ity aza ny anarany. Mpanao politika, manamboninahitra am-perinasa sy efa nisotro ronono ary mpitondra fivavahana no ambara fa miara-mikotrika ity hetsika ity.Ny 15 janoary 2017 no voalaza fa hirodana izao fitondrana izao, raha ny resaka voizina ihany. Mety efa fantatry ny mpitandro ny filaminana ny hetsika ary lazaina mihitsy aza ny toerana nikotrehana azy: Anjozorobe, Ambatobe, Toamasina no efa nisian’ny fivorian’ireo mpitarika. Nahoana anefa no tsy mbola nisy olona na iray aza nampanantsoina na nosamborina ? Ny alahady 2 oktobra dia efa nisy ny resaka navoaka tamin’ny fisian’ny fikononkononana fanonganam-panjakana ara-miaramila fa tsy nahomby. Tsy nisy na iray aza nosamborina. Tsy navela nivoaka tany anaty toby fotsiny ny miaramila. Ny fanjakana Rajaonarimampianina mihitsy ve no efa malemy sy tsy mahatoky tena sa misy marina ve ny ketrika fanonganam-panjakana ataon'ireo izay efa voky traikefa amin'izany ka mahatonga ny anaran'ny filohan'ny tetezamita teo aloha ho voatonotonona tato ho ato izay ka toa hoe manomboka mampiahiahy ny ao ambonimbony ao ?

Toky R.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana