Dans la mme rubrique

Andron’ny Parlemantera tetsy Anosikely Nikorontana tanteraka

15/12/2017

Samy manana ny fomba fiheviny sy fiasany tokoa ireo olom-boafidy sy olom-boatendry eto amintsika. Raha nanatanteraka ny « Journée des Parlemantaires » tetsy amin’ny Lapan’Anosikely omaly alakamisy 14 desambra ireo senatera sy solombavambahoakan’i Madagasikara manatanteraka ny fivoriana ara-potoanany avy ankehitriny ka nandinika niaraka ny lohahevitra

Andron’ny Parlemantera tetsy Anosikely Nikorontana tanteraka

Hamaky ny tohiny...

Fitondrana HVM Te hifehy mafy ny serasera

14/12/2017

Mazava tsara ny tenin’ny minisitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana Harry Laurent Rahajason omaly fa ny fitsarana no hanapa-kevitra farany momba ny

Fitondrana HVM Te hifehy mafy ny serasera

Hamaky ny tohiny...

AREMA –Fifidianana 2018 I Deba ihany no ho kandida ?

14/12/2017

Tao anatin’ny lanonana tsotra dia tsotra famaranana ny taom-piasana ho an’ny taona 2017 notarihan’ny sekretera nasionaliny,

AREMA –Fifidianana 2018 I Deba ihany no ho kandida ?

Hamaky ny tohiny...

Solonandrasana sy Jean Max R Manahiran-tsaina ny filoham-pirenena

14/12/2017

Raikitra ny fifanolanana sy ny fifandrahonana any an-dapa amin’izao fotoana. Antony ny fikatsahan’ny HVM handamina ny kajy politikany amin’ny alalan’ny fanoloana tompon’andraikitra ambony eto amin’ny firenena.

Solonandrasana sy Jean Max R Manahiran-tsaina ny filoham-pirenena

Hamaky ny tohiny...

Kandidà ben’ny tanàna lasa mpanolotsaina Manakorontana fotsiny

14/12/2017

Tonga saina tampoka ve sa tena efa nisaina ela izany tokoa ny praiminisitra sady minisitry ny atitany,

Kandidà ben’ny tanàna lasa mpanolotsaina Manakorontana fotsiny

Hamaky ny tohiny...

Fanambin-dRavalomanana “Hiasa avo 10 heny noho ny efa vitako aho”

13/12/2017

Tsy mila resabe isika fa mila asa, hoy ny filoham-pirenena teo aloha no sady filohan’ny antoko Tiako i Madagasikara, Marc Ravalomanana omaly raha nandray fitenenana nandritry ny fankalazana ny faha 68 taona nahaterahany tetsy amin’ny Magro Tanjombato.

Fanambin-dRavalomanana “Hiasa avo 10 heny noho ny efa vitako aho”

Hamaky ny tohiny...

Kabarin’i Marc Ravalomanana teny amin’ny Magro Tanjombato Hoy izy ireo :

13/12/2017

Rakotomandimby Jean Pierre (Ben’ny tanànan’i Soanindrariny Antsirabe II) “Tena ilain’ny firenena ireny tenin’ny filoha Ravalomanana rehetra teo ireny ary hombako manana ny fitsipika tokony hitondrana ny firenena ka iainana miainga avy any ambony mipaka aty amin’ny vahoaka.

Kabarin’i Marc Ravalomanana teny amin’ny Magro Tanjombato Hoy izy ireo :

Hamaky ny tohiny...


Politique

Guy Maxime Ralaiseheno “Tsy manohana na iza na iza aho”

06/12/2017

Nanamafy i Guy Maxime Ralaiseheno omaly tamin’ny alalan’ny antso an-tariby nifanaovana taminy fa tsy mbola nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny tenany hoe miaraka na manohana an-dRabe na Rakoto ary tsy manilika ny hafa ihany koa ary mandiso ny fanambarana an-gazety fa tsy mila an-dRavalomanana sy Rajoelina ary Rajaonarimampianina amin’ny fifidianana.

 

 Tsy mbola nilaza ny hevitro momba izany aho ka aoka hazava tsara, hoy izy.  Tsara kosa anefa ny manamarika fa niainga tamin’ny famakafakana ny horonam-peo sy ny fanadihadiana nataona mpanao gazety tsy miankina taminy no nivoahan’ny horonam-peo ka namoahany hevitra hoe : “Ny olana eto amin’ny firenena, dia olana ara-pitantanana ara-politika, ary ny olana ara-pitantanana no tokony handamina sy handrindra ny lafiny ara-ekonomika sy ny lafiny ara-tsosialy ary ny lafiny ankapobeny mihitsy amin’ny fampandrosoana ny fiarahamonina sy ny Malagasy… Raisintsika ho olana ny olan’i Marc Ravalomanana sy Didier Ratsiraka tany aloha, ny olana teo amin’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina taty aoriana, ary fantatsika amin’izao ny olana eo amin’i Andry Rajoelina sy ny filoha Rajaonarimampianina…” Fanontaniana napetrany ny hoe tsy maintsy ireo ve no hitondra firenena ? Raha amiko manokana izaho Guy Maxime Ralaiseheno, hoy izy, dia mitaky mihitsy ary mitady olom-baovao, vaovao ara-toetsaina, vaovao ara-poto-kevitra, araka izay fandaharan’asa sy programa hoentina hampandrosoana ity firenena ity fa mendrika izany ny Malagasy, hoy izy tao anatin’ilay horonam-peo. Tsy mbola nanao fanambarana imasom-bahoaka aho hoe miaraka na amin’iza na amin’iza, ary izay no politika amiko, hoy i Guy Maxime Ralaiseheno  .

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana