Dans la mme rubrique

Jeneraly Béni Xavier sy Ralala Roger Samy tsara toerana ho praiminisitra

16/01/2018

Anarana jeneraly roa no re fa mety hisafidianana izay olona hapetraka eo amin’ny toeran’ny praiminisitra hisolo an’i Mahafaly Solonandrasana Olivier amin’izao fotoana izao dia ny Minisitry ny fiarovam-pirenena Rasolofonirina Béni Xavier sy ny Sekretera jeneralin’ny fiadidian’ny Repoblika Ralala Roger.

Jeneraly Béni Xavier sy Ralala Roger Samy tsara toerana ho praiminisitra

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana 2018 Tsy vonon-kirotsaka Rajoelina…

16/01/2018

Efatra taona izay no nialan’ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina teo amin’ny fitondrana. Taloha sy taoriana kelin’ny nitsipahan’ny HVM azy no somary nafana fo tamin’ny resaka politika. Nangina sy tsy hita firy avy eo,

Fifidianana 2018 Tsy vonon-kirotsaka Rajoelina…

Hamaky ny tohiny...

Filohan’ny CENI Hifampidinika amin’ny mpanao politika

16/01/2018

Feno ny fandaharam-potoan’ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana na ny CENI amin’ity herinandro ity, hikatsahana hatrany ny fomba rehetra hahatomombana ny fikarakarana ny fifidianana. Anisan’ny hivoitra ny fihaonan’ny filohan’ny CENI Hery Rakotomanana mivantana amin’ireo lehiben’ny antoko politika sy ireo mpanao politika mandritra ny 3

Filohan’ny CENI Hifampidinika amin’ny mpanao politika

Hamaky ny tohiny...

Asandratro ny tanindrazako Fitsarana tsy mahefa no nitsara an-dRavalomanana

16/01/2018

Nanamafy ny avy eo anivon’ny antoko Asandratro ny tanindrazako, tamin’ny alalan’ny filohany Andrianina Rajoharison, fa fitsarana tsy mahefa no nitsara ny filoha Ravalomanana tamin’ny fotoan’androny.

Asandratro ny tanindrazako Fitsarana tsy mahefa no nitsara an-dRavalomanana

Hamaky ny tohiny...

Fokontany Anosizato atsinanana II Nitombo ireo nisoratra anarana anaty lisi-pifidianana

16/01/2018

Nitombo isa ireo olona voasoratra anarana anaty lisi-pifidianana ho an’ny fokontany Anosizato Atsinanana II,

Fokontany Anosizato atsinanana II Nitombo ireo nisoratra anarana anaty lisi-pifidianana

Hamaky ny tohiny...

Didier Ratsiraka “Hisy korontana eto raha atao ny fifidianana”

15/01/2018

Natao teny Faravohitra ny faran’ny herinandro teo ny fiarahabana ny filoha mpanorina ny antoko AREMA, ny Amiraly Didier Ratsiraka.

Didier Ratsiraka “Hisy korontana eto raha atao ny fifidianana”

Hamaky ny tohiny...

Ravalomanana tany Frantsa « Mendrika ny ho sambatra ny Malagasy »

15/01/2018

Nazava ny toromariky ny filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana tamin’ny fifampiarahabana sy ny fifanakalozan-kevitra tamin’ny mpanohana rehetra tany Frantsa sy Eoropa natao tao Savigny ny sabotsy 13 janoary teo.

Ravalomanana tany Frantsa « Mendrika ny ho sambatra ny Malagasy »

Hamaky ny tohiny...


Politique

Raharaha 7 febroary 2009 Amin’ny 11 desambra ny fitsarana

14/11/2017

Noho ny fahaverezana dosie tao amin’ny tribonaly Anosy, dia hahemotra ho amin’ny 11 desambra 2017 ny raharaham-pitsarana ny 7 febroary 2009.

 Nolavin’ny lehiben’ny firaketan-draharaha eo anivon’ny fitsarana ambony kosa ny filazana fa nisy namaky ny sabotsy 11 novambra teo ny tribonaly Anosy. Nisy naka ny “volume des arrêts” na ny firaketana didy, izay mombana heloka bevava 2009, ary efa tamin’ny alakamisy 9 novambra no nisehoany. Dosien’olona notsaraina tao anatin’ny  3 volana 100 mahery no isany fa tsy ny an’i Marc Ravalomanana irery, izay tamin’ny taona 2010. Raha ny fanazavana, nisy nangataka ny dika mitovy amina raharaham-pitsarana. Nilaza ho mpisolovava mpianatr’asa io nangataka io, ka sendra nitsangana ny mpandray kaomandy, no lasa io mpisandoka io, ary nentiny nandositra ny boky. Nomarihiny fa nanana antontan-taratasy  io mpisoloky io, saingy tsy fantatra na ara-dalàna na tsia. Tsy voatahiry tao anaty solosaina intsony kosa ny didy. Mpisolovava iray sy zanaka mpanao politika akaiky ny filoha teo aloha no nosamborina.

Olona 3 nogiazana kaonty

Lasa lasibatra amin’ity resaka fahaverezana dosie ity izahay, hoy kosa ny kaomisera Rakotovao Nambinintsoa, anisan’ny henjehina amin’ny raharaha 2009. Raha resaka Marc Ravalomanana dia izaho tsy mpanao politika, fa izahay olona tsotra nenjehina tamin’ny raharaha 7 febroary 2009 nefa “disqualifier”-na. Lazaina fa mpamono olona, ary lazaina daholo izay azo handotoana, fa rehefa nivoaka ny didy dia no-disqualifier-na izahay, ary tsy miray tsikombakomba akory amin’io. Dia gaga izahay ankehitriny hoe giazan’ny banky ny volanay. Tokony handeha anio ny fitsarana hanaovanay fanoherana an’io. Tsy nandeha anefa ilay izy fa hoe nisy dosie very. Dia gaga izahay hoe ahoana izany ny fiainanay ? Ny volanay ao amin’ny banky, ka na ny hohaninay aza tsy misy, ka izay no tena olanay ankehitriny. 

Misy zavatra hafahafa

Ilay dosie nolazaina fa very dia tao hatramin’ny 2010. Ny fitsarana anay androany nefa tamin’ny zoma ilay dosie no nolazaina fa very. Ary ilay resaka fanagiazana ny kaontin’ny banky dia 19 lahy izahay no voarohirohy tamin’ny resaka 7 febroary, kanefa 3 izahay no giazana ny kaonty, hoy kosa i Etienne Ralitera lehiben’ny fiarovana tao amin’ny Fitsarana Avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), dia izaho, i Marc Ravalomanana, ary ny kaomisera Rakotovao Nambinintsoa. Nolazaina fa tamin’ny sabotsy 11 novambra no vaky ny tribonaly ary efa nisy olona efa voasambotra, kanefa tany amin’ny tokantranoko dia ny zoma dia efa nisy fisavana na “pérquisition” natao. Ahiahiana aho izany ho anisan’ny atidoha nikotrika namaky. Misy zanako vao tonga tany ampita ny zoma, ary io no nolazaina fa nanao izany, hoy izy. Misy tsy mazava.


Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana